"Mifankazara amin'ny Tsitoha ianao,dia hiadana;izany no hahatongavan'ny soa aminao"(Joba 22:21)

DERAO NY TOMPO HO MARIKY NY FINOANA FA HAHAZO VALIM-BAVAKA IANAO

Nidera an'Andriamanitra i Hana satria nanao fahagagana teo @ fiainany ny Tompo
« Ary Hana nivavaka ka nanao hoe: Ny foko ravoravo amin'i Jehovah, Ny tandroko voasandratra amin'i Jehovah; ny vavako misokatra hamaly ny fahavaloko; fa mifaly amin'ny famonjenao aho.Tsy misy masina tahaka an'i Jehovah, fa tsy misy afa-tsy Hianao; ary tsy misy vatolampy tahaka an'Andriamanitsika . » (1 Samoela 2:1-2)
nidera Azy torak'izany koa i Maria
« Ary hoy Maria: Ny foko mankalaza ny Tompo,Ary ny fanahiko efa ravoravo tamin'Andriamanitra, Mpamonjy ahy; » (Lioka 1:46-47)
anjaranao izao
« Inona ary no holazaintsika ny amin'izany zavatra izany? Raha Andriamanitra momba antsika, iza no hahatohitra antsika?Izay tsy niaro ny Zanani-lahy, fa natolony hamonjy antsika rehetra Izy, tsy homeny antsika miaraka aminy maimaimpoana koa va ny zavatra rehetra? » (Romana 8:31-32)
MATOKIA FA HIHETSIKA HO ANAO NY TONTOLON’NY LANITRA!!!

TSY MAHAZO MAHATOKY TENA NY OLON’I KRISTY

Mila mailo sy mitandrina hatrany ianao olon'i Kristy
« Koa izay manao azy fa efa mijoro tsara, dia aoka izy hitandrina, fandrao ho lavo. » (1 Korintiana 10:12)
mba tsy himonomonona
« Ary aoka tsy himonomonona ianareo tahaka ny sasany tamin'ireny, izay matin'ny mpandringana. » (1 Korintiana 10:10)
fa tena hanetry tena eo am-panatanterahana ny asa
« Raha izaho ary, dia mihazakazaka, nefa tsy toy ny manao kitoatoa; ary mamely totohondry aho, nefa tsy toy ny mamely ny rivotra;fa asiako mafy ny tenako ho mangana ka andevoziko, fandrao, na dia efa nitory tamin'ny sasany aza aho, dia holavina kosa ny tenako. » (1 Korintiana 9:26-27)
MAHEREZA!
HITONDRA HOSOTRA VAOVAO HO ANAO HATRANY NY FAHATSAPANAO FA TSY TOMPON’NY TENANAO IANAO FA TEMPOLIN’ANDRIAMANITRA E!!!

ANY @ KRISTIANINA IHANY NO VAHA-OLANA

Mba hanamora ny firaisantsainan'ny Kristiana
« mba ho saina iray sy vava iray no hiarahanareo mankalaza an'Andriamanitra, Rain'i Jesosy Kristy Tompontsika. » (Romana 15:6)
dia mila miara-miharitra sy mionona ao @ Kristy
« Fa Andriamanitry ny faharetana sy ny fiononana anie hampiray hevitra anareo araka an 'i Kristy Jesosy, » (Romana 15:5)
VOKANY-hanaiky sy hidera Azy h@ jentilisa
« Ary koa: Midera'an'i Jehovah, ry jentilisa rehetra. Ary aoka hankalaza Azy ny firenena rehetra (Sal. 117. 1). » (Romana 15:11)
EFA ELA NY TOMPO NO NANOME NY FANALAHIDY!
TONGA NY FOTOANA TENA HAHANTATERAKA IZANY SATRIA HOY IANAO HOE:MANAIKY AHO ARY POSSIBLE ETO @ FIRENENAY IZANY KRISTY O!!!

HANDRAY VALIM-BAVAKA IANAO

Mitadiava olona iray hafa miray saina aminao olon'i Kristy hiara-hangataka na inona na inona @ Ray dia hivaly izany
« Ary lazaiko aminareo koa: Raha misy roa aminareo mifanaiky ety ambonin'ny tany na amin'inona na amin'inona ka hangataka izany, dia ho azony avy amin'ny Raiko Izay any an-danitra izany. » (Matio 18:19)
Ho resy koa ny fahavalonao
« Koa izany no nanaovan'i Jehovah Tompo hoe: Indro, efa hamely an'i Farao, mpanjakan'i Egypta, Aho, ka hotorotoroiko ny sandriny, na ny mbola matanjaka, na ny efa torotoro; Ary hampilatsaka ny sabatra eny an-tànany Aho. » (Ezekiela 30:22)
MITRAKA!
MITSIKIA!
FA HITSIMBADIKA NY FIAINANAO!
MINOA!

MOSESY AO @ KRISTY IANAO

Hamirapiratana ny tavanao ho famantarana fa olony sady mpitondra ny hafany ianao
« Ary Mosesy nidina avy tao an-tendrombohitra Sinay, ary teny an-tànany ny vato roa izay nisy ny Vavolombelona tamin'izy nidina avy teo an-tendrombohitra, ary tsy fantany ho namirapiratra ny hoditry ny tavany noho ny nitenenany taminy. » (Eksodosy 34:29)
mba hahatonga anao ho to-teny
« Ary Mosesy niantso azy, dia niverina Arona sy ny lohan'ny fiangonana rehetra ho eo aminy; ary Mosesy niteny taminy.Ary rehefa afaka izany, dia nanakaiky koa ny Zanak'Isiraely rehetra; ary Mosesy nandidy azy araka izay rehetra nolazain'i Jehovah taminy tao amin'ny tendrombohitra Sinay. » (Eksodosy 34:31-32)
MINOA!
DIA AMPIASAO AM-PANETRE-TENA IZANY FA HANDRANDRATRY NY TOMPO IANAO!
MATOKIA!

TSY MAINTSY HO TANTERAKA IREO TENY FIKASANA

Fampodiana avy @ fahababoana
« Nefa any am-parany dia mbola hampodiko avy amin'ny fahababoany ihany Elama, hoy Jehovah. » (Jeremia 49:39)
fananana tany mahavokatra
« Ary hampodiko ho any amin'ny saha fiandrasana azy indray ny Isiraely, ka hihinana ao Karmela sy Basana izy; Ary any an-tany havoan'i Daima sy Gileada no hahavoky azy. » (Jeremia 50:19)
fandraisana famelan-keloka
« Amin'izany andro izany sy amin'izany fotoana izany, hoy Jehovah, dia hotadiavina izay heloky ny Isiraely, fa tsy hisy; Ary izay fahotan'ny Joda, fa tsy ho hita; Satria havelako ny helok'izay sisa narovako. » (Jeremia 50:20)
HO ANAO!!
MATOKIA!!!

HIAIKY NY FINOANAO KRISTY

Hiaiky ny finoanao Kristy ka hamonjy anao
« Dia namaly Jesosy ka nanao taminy hoe: Ravehivavy, lehibe ny finoanao; tongava aminao araka izay irinao. Dia sitrana ny zananivavy tamin'izay ora izay. » (Matio 15:28)
satria nanaiky tanteraka fa ao Aminy ihany no misy vaha-olana
« Ary, indro, nisy vehivavy Kananita anankiray nivoaka avy tamin'izany tany izany ka niantso nanao hoe: Mamindrà fo amiko, Tompoko, Zanak'i Davida ô! ny zanako-vavy ampahorin'ny demonia loatra. » (Matio 15:22)
ka sahy niantso VONJEO Taminy
« Fa nanatona ihany ravehivavy, dia niankohoka teo anatrehany ka nanao hoe: Tompoko ô, vonjeo aho. » (Matio 15:25)
FARARANON’NYVALIM-BAVAKA IZAO!!!!
MATOKIA!!!

MENDRIKA NY HAJAINA NY TOMPONAO:

Lehibe Kristy Andramanitrao
« Fa lehibe Jehovah ka mendrika hoderaina indrindra, Sady mahatahotra, fa ambonin'ny Andriamanitra rehetra. » (Salamo 96:4)
hajao @ fitafinao Izy
« Miankohofa eo anatrehan'i Jehovah amin'ny fihaingoana masina; Mangovita eo anatrehany, ry tany rehetra. » (Salamo 96:9)
asehoy @ alalanao eo anatrehan'ny jentilisa
« Lazao any amin'ny jentilisa fa Jehovah no Mpanjaka; Ary izao rehetra izao voaorina ka tsy hihetsika; Hitsara ny olona amin'ny fahamarinana Izy. » (Salamo 96:10)
fa mendrika Azy ny nosinao
« Jehovah no Mpanjaka, aoka ho faly ny tany; Aoka ho ravoravo ny nosy maro. » (Salamo 97:1)
SAHIA!

HIVALY NY FITARAINANAO OLON’I KRISTY

Hitaraina @ Andriamanitra ianao
« Hitaraina amin'Andriamanitra Avo Indrindra aho, dia amin'Andriamanitra Izay mahatanteraka ho ahy. » (Salamo 57:2)
avy eo hisaotra Azy
« Nivoady taminao aho, Andriamanitra ô, dia hanatitra fanati-pisaorana ho Anao. » (Salamo 56:12)
mariky ny fahatokisanao
« Andriamanitra no itokiako; ka tsy mba hatahotra aho; inona no hataon'ny olona amiko? » (Salamo 56:11)
fa ho vitany ny hanafaka ny sakasakana rehetra
« Fa efa nanafaka ny fanahiko tamin'ny fahafatesana Hianao; eny, nanafaka ny tongotro Hianao mba tsy ho solafaka. Handehanako eo anatrehan'Andriamanitra amin'ny fahazavan'ny velona*.[Na: fahazavan'aina] » (Salamo 56:13)
HO HITANAO FA TENA MANDRAY AN-TANANA NY FIAINANAO TOKOA NY TOMPO E!
MAHEREZA!

HILAZA ZAVA-MIAFINA IANAO OLON’I KRISTY

Mahavita ny iraka ampanaovin'ny Tompo Azy no sakafon'I Kristy ao anatinao
« Hoy Jesosy taminy: Ny haniko dia ny manao ny sitrapon'izay naniraka Ahy sy ny mahavita ny asany. » (Jaona 4:34)
ampiasao izany dia hilaza zava-miafina
« Ary maro ny Samaritana avy tao amin'izany tanàna izany no nino an'i Jesosy noho ny filazan-dravehivavy, izay nanambara hoe: Nolazainy tamiko avokoa izay rehetra nataoko. » (Jaona 4:39)
sy hamonjy ny hafa ianao
« Ary maro koa no nino noho ny teniny ka nanao tamin-dravehivavy hoe: Tsy noho ny filazanao ihany no inoanay, fa ny tenanay no mandre, ka fantatray fa Izy tokoa no Mpamonjy izao tontolo izao. » (Jaona 4:41-42)
SAHIA MANAO DINGANA DIA HO HITANAO NY VONINAHITR’ANDRIAMANITRA!!
MATOKIA!
MAHEREZA.

HANEHO NY FAHEFANY EO @ FIAINANAO OLONY KRISTY

Vanim-potoana fidiran'ny fahefanan'Andriamanitra eo @ jerosalemanao izao,haneho ny voninahiny Izy ka ho tonga fiderana any @ firenana rehetra ianao
« Amin'izany andro izany no hitondrako anareo miditra, Eny, amin'izany andro izany no hanangonako anareo; Fa hataoko ho anarana sy ho fiderana any amin'ny firenena rehetra amin'ny tany ianareo, Raha hampodiko avy amin'ny fahababoana ianareo, ka ho hitan'ny masonareo izany, hoy Jehovah. » (Zefania 3:20)
HAHITA IZANY IANAO!!!
MINOA!!

JOIAKINA VAOVAO AO @ KRISTY IANAO

Na dia nanao ratsy teo anatrehan'Andriamanitra aza
« Valo* taona Joiakina, fony izy vao nanjaka, ary telo volana sy hafoloana no nanjakany tany Jerosalema; ary nanao izay ratsy eo imason'i Jehovah izy. [Na: Valo ambin'ny folo,] » (2 Tantara 36:9)
dia ho voavela heloka ka ho voatahy manokana
« Ka dia novan'i Joiakina ny fitafiany fony izy mbola tao an-trano-maizina; ary nihinan-kanina teo anatrehany mandrakariva izy tamin'ny andro niainany rehetra.Ary ny hanina nohaniny dia hanina homena avy amin'ny mpanjakan'i Babylona, araka ny tokony ho anjarany isan'andro isan'andro tamin'ny andro rehetra niainany mandra-pahafatiny. » (Jeremia 52:33-34)
MATOKIA.

HIAINO NY MAHA-SAKAIZAN’IKRISTY ANAO

Aoka ianao olon'i Kristy ho modely @ zavatra atao
« ... ary araka ny ohatra ataonareo no hanoharana ho anareo. » (Matio 7:2b)
satria ny Tompo no naniraka anao hanao izany
« Tsy ianareo no nifidy Ahy, fa Izaho no nifidy anareo ka nanendry anareo mba handeha sy hamoa, ary mba haharetan'ny vokatrareo, mba homen'ny Ray anareo izay rehetra hangatahinareo amin'ny anarako na inona na inona. » (Jaona 15:16)
mihoatra noho ny mpanompo mantsy ianao
« Tsy hataoko hoe mpanompo intsony ianareo, fa ny mpanompo tsy mahalala izay ataon'ny tompony; fa efa nataoko hoe sakaiza ianareo, satria izay rehetra reko tamin'ny Raiko no nambarako taminareo. » (Jaona 15:15)
VITANAO IZANY!!!
MINOA DIA HANAO NY IMPOSSIBLE HO LASA POSSIBLE AO ANATINAO KRISTY!!!!
MATOKIA.

HASANDRATRA IZAY MANETRY TENA

Tsy voninahitra no azon'ny olona mitady voninahitra
« Fa ny fitadiavan'ny olona ny voninahiny dia tsy voninahitra. » (Ohabolana 25:27)
aleo ny hafa no mampiakatra anao
« Fa aleo ianao hantsoina hoe: Miakara aty, Toy izay hatambotsotra eo imason'ny manan-kaja izay hitan'ny masonao. » (Ohabolana 25:7)
aoka samy hanetry tena
« Fa izay manandra-tena no haetry; ary izay manetry tena no hasandratra. » (Matio 23:12)
sy tia manompo
« Fa izay lehibe aminareo no ho mpanompo anareo. » (Matio 23:11)
MIJOROA HO MPANOMPO MAHATOKY DIA HASANDRATR’ANDRIAMANITRA @ FOMBA MAHAGAGA IANAO!!! MATOKIA!
MAHEREZA!

MILA MIBEBAKA FA HANDRAVA IZAY TSY AZY TSY HO ELA NY TOMPO

Ho talanjona ny rehetra hahita ny faharavan'ny herin'ny ratsy eo @ jerosalemanao
« Izao no lazain'i Jehovah Tompo amin'i Tyro: Tsy hihorohoro va ny moron-dranomasina noho ny fikotrokotroky ny firodananao, raha mitrona ny voatrabaka, ary misy vonoana eo ampovoanao? » (Ezekiela 26:15)
fahefana avy any an-danitra
« Rehefa afaka izany, dia hitako fa indro, nisy anjely izay koa nidina avy tany an-danitra, nanana fahefana lehibe; ary ny tany nohazavain'ny voninahiny. » (Apokalypsy 18:1)
no handrava izany
« Toy ny nandravan'Andriamanitra an'i Sodoma sy Gomora mbamin'ny tanàna eny akaikiny, hoy Jehovah, ... » (Jeremia 50:40).
MINOA!
VALIM-BAVAKA IZANY ARY MILA TOHIZANA TSY MIATO NY FITORIANA NY FILAZANTSARA MBA HAHAVITSY NY OLOM-BERY!!!

ATOLORY HO AN’I KRISTY NY MOMBA ANAO REHETRA

Raha misy analan'ny Tompo ny fanananao dia omeo
« Ary raha namaha ny zana-boriky izy, dia hoy ny tompony taminy: Nahoana no vahanareo ny zana-boriky? Ary hoy izy: Misy raharaha analan'ny Tompo azy. » (Lioka 19:33-34)
ny tenanao koa atolory ho Azy dia hampiseho ny Voninahiny @ alalanao any @ jentilisa Izy
« Izay nandraisanay fahasoavana sy ny mah'Apostoly anay hahatonga fanekena ny finoana ho voninahitry ny anarany any amin'ny jentilisa rehetra;ary ianareo koa, izay isan'ireny, dia voantso ho an'i Jesosy Kristy, » (Romana 1:5-6)
HANOVA TANTERAKA NY MAHA-IZY ANAO OLONY IZAY MANAIKY AMPIASAINY ANDRIAMANITRA!!! MINOA!!

HIADANA MANDRAKIZAY IANAO OLON’I KRISTY

Ho ratsy fiarafa ireo nanao toetra tsy araka ny sitrapon'Andriamanitra
« Fa ny osa sy ny tsy mino sy ny vetaveta sy ny mpamono olona sy ny mpijangajanga sy ny mpanao ody ratsy sy ny mpanompo sampy ary ny mpandainga rehetra dia hanana ny anjarany ao anatin'ny farihy mirehitra afo sy solifara; izany no fahafatesana faharoa. » (Apokalypsy 21:8)
fiainana tsy hisy fitarainana kosa ho an'ny olony
« Ary hofafany ny ranomaso rehetra amin'ny masony; ary tsy hisy fahafatesana intsony, sady tsy hisy alahelo, na fitarainana, na fanaintainana; fa efa lasa ny zavatra taloha. » (Apokalypsy 21:4)
Mino aho fa olony ianao.
HIFONA HO AN’NY HAFA ISIKA MBA TSY HISY HO VERY E!MAHEREZA.

HANDRESY NY FAHAVALO IANAO OLON’I KRISTY

Mihevitra ny hanala baraka anao ny fahavalo
« Ary ankehitriny dia tafangona hamely anao ny firenena maro, Izay manao hoe: Aoka halam-baraka* Ziona, Ary aoka ny masontsika ho faly mijery azy.[Heb. holotoina] » (Mika 4:11)
AZA KIVY!hatreo ny ady fa hivoaka ho Mpandresy ianao sady ho lasanao ny fananan'ireo mpanenjika
« Mitsangàna, ka miveleza, ry Ziona zanakavavy, Fa ny tandrokao hataoko vy, Ary ny kitronao hataoko varahina, Ka hanorotoro firenena maro ianao; Dia hatolotrao ho an'i Jehovah ny hareny, Ary ho an'ny Tompon'ny tany rehetra ny fananany. » (Mika 4:13)
MINOA!
DIA HO HITANAO FA HITSIMBADIKA NY FIAINANAO!
MATOKIA!
MAHEREZA.

MISSION’ANDRIAMANITRA NO ATAONAO OLON’I KRISTY ARY TSY MIANDRANDRA VONINAHITRA AVY @ OLONA

Ho feno Fanahy masina ianao olon'i Kristy
« Izay mino Ahy, dia hisy onin'ny rano velona miboiboika avy ao an-kibony, araka ny voalazan'ny Soratra Masina.Ary ny Fanahy, Izay efa horaisin'ny mino Azy, no nolazainy tamin'izany; .. » (Jaona 7:38-39a)
ampiasao ho voninahitran'Andriamanitra irery izany
« Tsy mandray laza avy amin'olona Aho » (Jaona 5:41)
ary aza manahy na be mpanejika aza
« Ary ny sasany nitady hisambotra Azy; kanefa tsy nisy naninji-tanana taminy. » (Jaona 7:44)
MAHEREZA

HAFATRA MAHASOA!

Manahafa an'ilay Andriamanitra masina izay tompoinao
« Mitenena amin'ny fiangonana, dia ny Zanak'Isiraely rehetra, hoe: Aoka ho masina ianareo, satria masina Aho, Jehovah Andriamanitrareo. » (Levitikosy 19:2)
tsinjovy ireo sahirana
« Ary aza otazana avokoa ny eo amin'ny sahanao, ary aza tsimponina izay latsaka eo amin'ny sahanao; fa avelao ho an'ny malahelo sy ny vahiny izany: Izaho no Jehovah Andriamanitrareo. » (Levitikosy 19:10)
ampaherezo ireo sembana
« Aza miteny ratsy ny marenina na manisy zavatra mahatafintohina eo anoloan'ny jamba; fa matahora an'Andriamanitrao: Izaho no Jehovah. » (Levitikosy 19:14)
manaova ny marina
« Aza mangalatra, aza mamitaka, aza mifandainga. » (Levitikosy 19:11)
TIANY HO MENDRIKY NY VONINAHINY HATRANY IANAO!!!
TIANY ISIKA MATOA ANARINY!!!
MAHEREZA.

MANANA RAY AVY ANY AN-DANITRA IANAO OLON’I KRISTY

Zanak'Andriamanitra ianao izany hoe afaka miantso Azy hoe Ray
« Ary satria zanaka ianareo, dia nirahin'Andriamanitra ho ato am-pontsika ny Fanahin'ny Zanany, miantso hoe: Aba, Ray ô. » (Galatiana 4:6)
lasa zanaky ny teny fikasana
« Fa isika, ry rahalahy, dia zanaky ny teny fikasana tahaka an'isaka. » (Galatiana 4:28)
no sady mpandova ny zavatra nataony rehetra
« Ka dia tsy mpanompo intsony ianao, fa zanaka: ary raha zanaka, dia mpandova koa noho ny ataon'Andriamanitra. » (Galatiana 4:7)
MINOA DIA HO POROFOINY AMINAO @ FOMBANY IZANY.
MATOKIA!
MAHEREZA.

AORENO AO ANATINAO NY TRANON’NY TOMPONAO

Asain'ny Tompo manorina fonenana ho Azy ao anatinao ianao olony
« Ary asaovy manao fitoerana masina ho Ahy izy, dia honina eo aminy Aho. » (Eksodosy 25:8)
itoetra ao Izy ary lasa ho hery fiarovana lehibe ho anao
« Raha ny mahery mivonona amin'ny fiadiany no miaro ny tranony, dia tsy haninona ny fananany. » (Lioka 11:21)
VONONA IZY!
ARY IANAO?

MELKIZEDEKA AO @ KRISTY IANAO

Mpanjakan'i Salema na ilay Jerosalemanao sady Mpisorona lehibe
« Ary Melkizedeka, mpanjakan'i Salema, nivoaka nitondra mofo sy divay; ary izy dia mpisoron'Andriamanitra Avo Indrindra. » (Genesisy 14:18)
tena zanak'Andriamanitra feno hosotra sy voatahy
« sady nomen'i Abrahama ny ampahafolon'ny zavatra rehetra aza (voalohany, raha adika ny anarany, dia Mpanjakan'ny fahamarinana, dia vao Mpanjakan'i Salema koa, izany hoe: Mpanjakan'ny fiadanana;tsy manan-dray, tsy manan-dreny, tsy manana tantaram-pirazanana, tsy manana voalohan'andro na faran'ny fiainana, fa natao tahaka ny Zanak'Andriamanitra),- izy dia mitoetra ho mpisorona mandrakariva. » (Hebreo 7:2-3)
AZA GAGA FA RAISO DIA IAINO FONTSINY NY TOERANA MENDRIKA AMETRAHAN’NY TOMPO ANAO OLONY ANKASITRAHANY!!!
SAHIA!!!
MAHEREZA.

MILA ANAO OLONY HAMPIASA ILAY FAHEFANY MAHERY VAIKA KRISTY


Mahatalanjona rehefa miteny Kristy ao anatinao satria misy fahefana
« Dia talanjona ny olona tamin'ny fampianarany, satria nampianatra azy tahaka izay manana fahefana Izy, fa tsy mba tahaka ny mpanora-dalàna. » (Marka 1:22)
izay tsy zakan'ny fanahy ratsy
« Dia gaga ny olona rehetra ka nifanontany hoe: Manao ahoana re izao zavatra izao? Fampianarana vaovao misy fahefana izao! fa ny fanahy maloto aza no didiany, ka dia manaiky Azy. » (Marka 1:27)
Ampiasao dia halaza ilay hery mahagaga
« Ary ny lazany dia niely niaraka tamin'izay teny tontolo eny tamin'ny tany rehetra eran'i Galilia. » (Marka 1:28)
MIVONONA HITONDRA FANOVANA!!!
SAHIA.

HO VELONA MANDRAKIZAY IANAO OLON’I KRISTY

Mitondra fahavelomana ho anao sy ho an'i hafa Kristy
« Jesosy namaly ka nanao taminy hoe: Raha fantatrao ny fanomezan'Andriamanitra sy Izay miteny aminao hoe: Omeo Aho hosotroiko, dia ianao no ho nangataka taminy, ka nomeny rano velona. » (Jaona 4:10)
fahavelomana manokana satria maharitra mandrakizay
« fa na iza na iza no misotro ny rano izay homeko azy dia tsy hangetaheta mandrakizay; fa ny rano izay homeko azy dia ho loharano miboiboika ao anatiny ho fiainana mandrakizay. » (Jaona 4:14)
Mijoroa ary ho fahazavany
« Izaho tonga amin'izao tontolo izao ho fahazavana, mba tsy hitoetra ao amin'ny maizina izay rehetra mino Ahy. » (Jaona 12:46)
TARIHO NY HAFA MBA TSY HISY HO VERY E!!!
MAHEREZA MANOMPO.

HANATANTERAKA NY PLANINY TSARA HO ANAO OLONY KRISTY

Ny fiadanan'Izy Kristy no homeny anao olony
« Fiadanana no avelako ho anareo, ny fiadanako no omeko anareo; tsy tahaka ny fanomen'izao tontolo izao no fanomeko anareo. Aza malahelo na matahotra ny fonareo. » (Jaona 14:27)
ary ny Fanahy Masina no hampianatra anao higoga izany
« fa ny Mpananatra*, dia ny Fanahy Masina, Izay hirahin'ny Ray amin'ny anarako. Izy no hampianatra anareo ny zavatra rehetra sy hampahatsiaro anareo ny zavatra rehetra izay nolazaiko taminareo. » (Jaona 14:26)
minoa dia hihatra avy hatrany izany
« Ary ankehitriny efa nilaza taminareo Aho, dieny tsy mbola tonga izany, mba hinoanareo, rehefa tonga. » (Jaona 14:29)
EFA ELA IZY NO EFA VONONA NY HIAHY ANAO !!!
ARY IANAO VE MANAIKY HOTARIHINY?

VATANA MIAVAKA NY VATANAO OLON’I KRISTY

Tempolin'Andriamanitra ny vatanao,Izy no mitoetra ao anatinao
« Andriamanitra no eo afovoany, ka tsy mba hihetsika izy; Andriamanitra no hamonjy azy, rehefa madiva ho maraina ny andro. » (Salamo 46:5)
ary tahaka ny ony ao anatinao ny fanahy masina izay mitondra fanasitranana
« Ary ny zava-manan'aina rehetra sesehena na aiza na aiza alehan'ny ony tondraka dia ho velona, ka hisy hazandrano sesehena; fa nony tonga ao ity rano ity, dia ho sitrana izy, ary ho velona izay rehetra hidiran'ny ony. » (Ezekiela 47:9)
MINOA ! DIA TENA HITONDRA FITAHIANA HO ANAO SY HO AN’N Y MANODIDINA ANAO IZANY!!!

MITONDRA FANASITRANANA NY FINOANA

Apetrao @ Kristy ny rofinao rehetra fa hositraniny
« Ary nony hariva ny andro, dia nentin'ny olona tany aminy ny demoniaka maro; ary ny teniny ihany no namoahany ny fanahy ratsy, ary izay narary rehetra dia nositraniny avokoa,mba, hahatanteraka izay nampilazaina an'Isaia mpaminany hoe: Izy naka ny rofintsika sy nitondra ny aretintsika (Isa. 53. 4). » (Matio 8:17)
aoka Izy Kristy no hihaiky ny finoanao
« Ary nony nahare izany Jesosy, dia gaga ka niteny tamin'izay nanaraka Azy hoe: Lazaiko aminareo marina tokoa fa tsy mbola nahita finoana lehibe toy izany Aho na dia tamin'ny Isiraely aza. » (Matio 8:10)
ka hiteny hoe: tongava araka ny ninoanao
« Ary Jesosy niteny tamin'ilay kapiteny hoe: Mandehana; tongava aminao araka ny ninoanao. Dia sitrana tamin'izany ora izany ilay ankizilahy. » (Matio 8:13)
MATOKIA DIA TENA HO HITANAO NY VONINAHITR’ANDRIAMANITRA !!!

JOSOA AO @ KRISTY IANAO

Aza hamelana raha tsy lasan'i Kristy tanteraka ny tanàna misy anao
« Dia lasan'i Josoa avokoa ny tany rehetra, araka izay rehetra nolazain'i Jehovah tamin'i Mosesy; ary nomen'i Josoa ho lovan'ny Isiraely izany, araka ny fizaran'ny fireneny. Dia nitsahatra ny ady ka nandry ny tany. » (Josoa 11:23)
ary ho lasa tanàna tena ho voatahy ny tanànanao
« Ary nahazo tanàna mimanda sy tany lonaka izy ary trano feno zava-tsoa rehetra sy lavaka famorian-drano voahady sy tany voavoly voaloboka sy oliva ary hazo fihinam-boa betsaka; dia nihinana izy ka voky ary nihanatavy ka nifalifaly tamin'ny fahatsaranao lehibe. » (Nehemia 9:25)
MINOA

TSY HO MENATRA MANDRAKIZAY IANAO OLON’I KRISTY


Tsy ho menatra mandrakizay izay miantehitra @ i Kristy
« Jehovah ô, Hianao no ialofako; aoka tsy ho menatra akory mandrakizay aho; vonjeo amin'ny fahamarinanao aho. » (Salamo 31:1)
sy tia fahamarinana
« Tiava an'i Jehovah, ry olony masina rehetra; miaro ny marina Jehovah, ary mamaly dia mamaly ny mpiavonavona Izy. » (Salamo 31:23)
Minoa dia izay manenjika anao indray no ho menatra
« Aoka tsy ho menatra aho, Jehovah ô, satria miantso Anao; fa aoka kosa ho menatra ny ratsy fanahy ka hangina any amin'ny fiainan-tsi-hita. » (Salamo 31:17)
OLONA KARAZANY HAFA MIHITSY INANAO E !
TSAPANAO VE IZANY ?
MAHEREZA !