"Mifankazara amin'ny Tsitoha ianao,dia hiadana;izany no hahatongavan'ny soa aminao"(Joba 22:21)

HAFATRA MAHASOA!

Manahafa an'ilay Andriamanitra masina izay tompoinao
« Mitenena amin'ny fiangonana, dia ny Zanak'Isiraely rehetra, hoe: Aoka ho masina ianareo, satria masina Aho, Jehovah Andriamanitrareo. » (Levitikosy 19:2)
tsinjovy ireo sahirana
« Ary aza otazana avokoa ny eo amin'ny sahanao, ary aza tsimponina izay latsaka eo amin'ny sahanao; fa avelao ho an'ny malahelo sy ny vahiny izany: Izaho no Jehovah Andriamanitrareo. » (Levitikosy 19:10)
ampaherezo ireo sembana
« Aza miteny ratsy ny marenina na manisy zavatra mahatafintohina eo anoloan'ny jamba; fa matahora an'Andriamanitrao: Izaho no Jehovah. » (Levitikosy 19:14)
manaova ny marina
« Aza mangalatra, aza mamitaka, aza mifandainga. » (Levitikosy 19:11)
TIANY HO MENDRIKY NY VONINAHINY HATRANY IANAO!!!
TIANY ISIKA MATOA ANARINY!!!
MAHEREZA.