"Mifankazara amin'ny Tsitoha ianao,dia hiadana;izany no hahatongavan'ny soa aminao"(Joba 22:21)

ANIO @ 2:30 FJKM Ambatomena5 taona no nifankazarana t@ Teny zaraina
 « Mifankazara amin'ny Tsitoha ianao, dia hiadana; Izany no hahatongavan'ny soa aminao. » (Joba 22:21)
Hiara-paly isika
« Miaraha mifaly amin'izay mifaly, ary miaraha mitomany amin'izay mitomany. » (Romana 12:15a)
fijoroana vavolombelona mivantana @3h@ 3:30 @0331215579.
Afaka manaraka mivantana @ skype koa isika ao @ groupe fiarahana mivavaka no mangataka amis @ mambra izy connecter ao dia tafiditra.

Mirary soa antsika

SAHIA HO STEFANA AO @ KRISTY


Mendrika ho Stefana ao @ Kristy ianao,
Ho feno finoana sy Fanahy masina
« Dia sitraky ny olona rehetra ny teniny, ka nifidy an'i Stefana izy, lehilahy feno finoana sy ny Fanahy Masina, .., » (Asan'ny Apostoly 6:5ab)
feno fahasoavana sy hery ary hanao famantarana sy fahagagana eo @vahoaka
« Ary Stefana, feno fahasoavana sy hery, dia nanao fahagagana sy famantarana lehibe teo amin'ny vahoaka. » (Asan'ny Apostoly 6:8)

VITANAO IZANY NY ANGATAHAN’NY TOMPO AMINAO DIA NY FAHASAHIANA MIASA @ ANARANY !
MAZOTOA !
MAHEREZA.

MANANA ANJARA @ FANANAN’ANDRIAMANITRA IANAO OLONY


 An'Andriamanitra ny zavatra rehetra
« An'i Jehovah ny tany sy izay rehetra eo aminy. Izao rehetra izao sy ny mponina eo aminy. » (Salamo 24:1)
 miantra anao olony ankasitrahany Izy
« Ary ho rakitra soa ho Ahy ireny amin'ny andro izay hotendreko, hoy Jehovah, Tompon'ny maro, ary ho antra azy Aho toy ny olona antra ny zananilahy izay manompo azy. » (Malakia 3:17)
noho izany AZA MANAHY fa homeny anjara fitantanana izany ianao
« Ary hoy rainy taminy: Anaka, ianao eto amiko mandrakariva, ary anao avokoa izay rehetra ananako. » (Lioka 15:31)

MATOKIA ! MITONIA ARY MIFALIA HO MARIKY NY FINOANAO IZANY !

TSY AZO AVELA IRERY IREO JENTILISA VAO NIOVA FO


Ireo jentilisa miverina @ Andriamanitra dia tsy tokony havela ho sahirana irery  fa mila ampianao sy kolokoloinao olon'i Kristy ny fiainam-panahiny
« Koa dia izao no hevitro: Tsy mety raha isika manome fahasahiranana ny avy amin'ny jentilisa izay miverina ho amin'Andriamanitra; » (Asan'ny Apostoly 15:19)
MAHEREZA ARY MAMPIORINA NY FINOAN’IZY IREO E !!!

IRAKA SOLON’I KRISTYT IANAO OLONY


Ny fifikirana @ Kristy dia tsy miankina @ fahitana fa @ finoana ny fahamarinan'ny Teniny « fa finoana no andehanantsika, fa tsy fahitana; » (2 Korintiana 5:7)
maneke izay voasoratra fa iraka solon'i Kristy ianao olony
« Koa dia iraka* solon'i Kristy izahay, toa an'Andriamanitra mampangataka anay aminareo, solon'i Kristy izahay ka mangataka indrindra aminareo hoe: mihavàna amin'Andriamanitra anie ianareo.[*Gr. ambasadôra] » (2 Korintiana 5:20)

TSAPANAO VE NY HASAROBIDIN’IZANY ? HAMASINO HATRANY ARY NY TENANAO ARY MAHEFA BE @ ASAN’NY TOMPO E !MAHEREZA.

VILANY VOASEDRA NY TENANAO OLON’I KRISTY


Mety tahaka ny vilany ny tenanao,dorana nefa AZA KIVY satria efa feno harena dia i Kristy izany « Fa manana izao rakitra izao amin'ny vilany tany izahay, mba ho an'Andriamanitra ny halehiben'ny hery, fa tsy ho avy aminay. » (2 Korintiana 4:7)
mba hampivoatra ny fiainam-panahinao
« Ary tsy ketraka izahay; fa na dia mihalevona aza ny tœtray ivelany, dia havaozina isan'andro isan'andro kosa ny tœtray anatiny. » (2 Korintiana 4:16)
MAHEREZA!SAHIA MIAKATRA GRADY ARAM-PANAHY E !!!




AZA MAKA FANAHY AN’I KRISTY


Tandremo sao maka fanahy an'i Kristy
« Ary ny anankiray tamin'ireo, izay mpahay lalàna, nanontany naka fanahy Azy ka nanao hoe: » (Matio 22:35)
Kristy no mila ankatoavina satria Izy no Mpanova
« dia amin'izao andro farany izao kosa no nampitenenany tamintsika ny Zanany, Izay voatendriny ho Mpandova ny zavatra rehetra; Izy no nahariany izao tontolo izao, » (Hebreo 1:2)
ary izay olony ihany no miara-mandova Aminy
« Fa raha an'i Kristy ianareo, dia taranak'i Abrahama sy mpandova araka ny teny fikasana. » (Galatiana 3:29)
MATOKIA ! 
FA NY FANAJANAO AZY NO TENA ANTOKA HO @ HOAVINAO ETY AN-TANY HATRANY AN-DANITRA !!!




MISY FIATRAIKANY NY TENY IZAY LAZAINAO OLON’I KRISTY


Rehefa hiteny ianao olon'i Kristy dia hisy fanahy hiampita hakany @ izay hiantefany
« Ary raha vao niteny aho, dia nilatsaka taminy ny Fanahy Masina tahaka ny tamintsika fahiny. » (Asan'ny Apostoly 11:15)
ho gaga sy hiaiky  ny Tomponao ianao hahita ny vokatr'izany
« Koa raha mba homen'Andriamanitra azy ny fanomezana, tahaka antsika fony isika vao nino an'i Jesosy Kristy Tompo dia iza moa aho no hahasakana an'Andriamanitra? » (Asan'ny Apostoly 11:17)

POROFO IRAY IZANY FA ILAIN’ANDRIAMANITRA HIASA HO AZY MBA HANEHOANY NY VONINAHINY IANAO !
MAZOTOA !
MAHEREZA !


HITONDRA FANOVANA HITA MASO MIVANTANA NY HERIN’I KRISTY AO ANATINAO OLONY

Fantatry ny fanahy ratsy ny fanahy ao anatinao
« Ary ny fanahy ratsy namaly ka nanao taminy hœ: Fantatro Jesosy, ary fantatro koa Paoly; fa mba iza kosa moa ianareo? » (Asan'ny Apostoly 19:15)
ampiasao amin-kery ilay fanahy ao anatinao olon'i Kristy fa maro ireo handoro izay nianteherany « Ary maro ny mpanao ody no nanangona ny bokiny ka nandoro azy teo imason'ny olona rehetra; ary nony voatontaly ny tokom-bidiny, dia hita fa volafotsy dimy alina izany. » (Asan'ny Apostoly 19:19)
SAHIA!

FOTOANA FANEHOANA IZANY IZAO  HANAVOTANA NY HAFA MBA HO ANY AN-DANITRA E !

HAHAZO VALISOA IZAY MAZOTO MISAOTRA


Raha tsapanao fa nampaherezin'i Kristy ianao dia aza adino ny misaotra
« Misaotra an'i Kristy Jesosy Tompontsika aho, Izay nampahery ahy, fa nataony mahatoky aho ka notendreny ho amin'ny fanompoana, » (1 Timoty 1:12)
sy midera Azy
«  Hisaotra an'i Jehovah lalandava aho; ho eo am-bavako mandrakariva ny fiderana Azy. » (Salamo 34:1),
ho faly Izy ka hiara-hamaha ireo olana aminao
« Lazaiko aminareo marina tokoa: Na inona na inona fehezinareo ety ambonin'ny tany dia hofehezina any an-danitra; ary na inona na inona vahanareo ety ambonin'ny tany dia hovahana any an-danitra. » (Matio 18:18)

MINOA !HO KARAKARAIN’NY TONTOLON’NY LANITRA IANAO SATRIA MANKAFY NY FIARAHANA AMINY !
MATOKIA !
MAHEREZA !

MORA NY MIANTSO HOE MALALA FA NY FANANTATEHAHANA AHOANA ?


Ny antsoina hoe malala dia ny fahafoizana  aina ho azy
« Satria malala eo imasoko ianao, eny, be voninahitra ianao sady tiako, dia olona no omeko ho solonao, ary firenena ho solon'ny ainao. » (Isaia 43:4)
Kristy dia nanolotra ny ainy mba hamonjena anao
« Fa ny Zanak'olona tsy tonga mba hotompoina, fa mba hanompo ka hanolotra ny ainy ho avotra hisolo ny maro. » (Marka 10:45)
ary ianao voavonjy ve mahafoy?
« Tsy misy manana fitiavana lehibe noho izao, dia ny manolotra ny ainy hamonjy ny sakaizany. » (Jaona 15:13)

SAHIA ARY MITENY HOE :HANOMPO ANAO AHO TOMPO ARY HO VAVOLOMBELON’IZANY HO AN’NY HAFA ARY  TSY HIVADIKA NA HO ESORINA AZA NY AIKO NOHO NY AMINAO !!!

TEZAO MBA HATAHOTRA AN’ANDRIAMANITRA NY TARANAKAO OLON’I KRISTY


Tiavo ny Tomponao
« Ary tiava an'i Jehovah Andriamanitrao amin'ny fonao rehetra sy ny fanahinao rehetra ary ny herinao rehetra. » (Deotoronomia 6:5)
Matahora Azy ianao sy ny taranakao fa mahalava-andro iainana izany
« mba hatahoranao an'i Jehovah Andriamanitrao, hitandremanao ny lalàny rehetra sy ny didiny izay andidiako anao, dia ianao sy ny zanakao ary ny zafinao, amin'ny andro rehetra hiainanao, mba ho maro andro ianao. » (Deotoronomia 6:2)
noho izany aoka ho lehibe aminao ny mampatsiahy izany
« Dia ampianaro tsara ny zanakao izany, ary resaho, na mipetraka ao an-tranonao ianao, na mandeha any an-dalana, na mandry, na mifoha; » (Deotoronomia 6:7)
MAZOTOA ARY DIA HO VOATAHY MANOKANA IANAREO E !
MATOKIA !



TSY HANDAO ANAO OLON’I KRISTY MANDRAKIZAY ANDRIAMANITRA


Tsy handao anao olony mihitsy ny Tompo
« …; fa hoy Izy: "Izaho tsy handao anao mihitsy na hahafoy anao akory". » (Hebreo 13:5b)
noho izany AZA MANAHY ary sahia misaotra @zavatra rehetra
« Aza manahy na inona na inona; fa aoka ny fivavahana sy ny fifonana mbamin'ny fisaorana no ho entinareo manambara ny fangatahanareo amin'Andriamanitra amin'ny zavatra rehetra. »
(Filipiana 4:6)
SAHIA manantona Azy raha tram-pahoriana
« Antsoy Aho amin'ny andro fahoriana, dia hamonjy anao Aho, ka hanome voninahitra Ahy ianao. »
(Salamo 50:15)

MIFALIA ARY HO MARIKY NY FINOANAO IZANY E !!!
MAHEREZA !

IZAHAY MANOHANA E!!


« Hoy Jesosy taminy: Izaho no lalana sy fahamarinana ary fiainana; tsy misy olona mankany amin'ny Ray, afa-tsy amin'ny alalako. » (Jaona 14:6)

ENTANINA KO IANAO HIFIDY AZY

ANTOKA HO AN’NY FAHOMBIAZANA NY FANKATOAVANA AN’ANDRIAMANITRA


Mampatsiahy ny Tompo fa efa niahy anao olony t@ fombany Izy tahaka ireo zanak'Israely « Hianareo efa nahita izay nataoko tamin'ny Egyptiana sy izay nitondrako anareo tamin'ny elatry ny voromahery ary ny nampankanesako anareo ho aty amiko. » (Eksodosy 19:4)
tsy hiova izany h@ izao fa tiany hankato Azy aloha ianao
« Koa ankehitriny, raha hihaino ny feoko tokoa ianareo ka hitandrina ny fanekeko, dia ho rakitra soa ho Ahy mihoatra noho ny firenena rehetra ianareo; fa Ahy ny tany rehetra. » (Eksodosy 19:5)
AZA KIVY FA TSY MISY TEO-JAVATRA TSY VOAFEHIN’ILAY MPANJAKAN’NY MPANJAKA AO ANATINAO E !
MINOA !



MIRAISA SAINA RY KRISTIANA


Ny Mpino Kristiana rehetra dia mihinana fihinam-panahy iray ihany 
« ary izy rehetra nihinana ny fihinam-panahy iray ihany, » (1 Korintiana 10:3)
sy misotro fisotrom-panahy iray ihany dia Kristy izany
« ary izy rehetra nisotro ny fisotrom-panahy iray ihany; fa nisotro tamin'ny vatolampy fanahy izay nanaraka azy izy, ary Kristy izany vatolampy izany. » (1 Korintiana 10:4)
TSY ALEO VE MIRAY SAINA !
ATOMBOY AMINAO ARY E !

MBA HO SAINA IRAY SY VAVA IRAY NO HANANDRATANA  AN’I KRISTY E !

LEHIBE NOHO I JAONA MPANAO BATISA IANAO OLON’I KRISTY AO @ FANJAKAN’NY LANITRA


Jaona mpanao batisa dia kely ao @fanjakan'ny lanitra
« Lazaiko aminareo marina tokoa: Amin'izay nateraky ny vehivavy tsy mbola nisy nitsangana izay lehibe noho Jaona Mpanao-batisa; nefa ny kely indrindra amin'ny fanjakan'ny lanitra dia lehibe noho izy. » (Matio 11:11)
ianao olon'i Kristy kosa ho lehibe satria miaina sy mahita be lavitra ny herin'i Kristy
« Fa sambatra ny masonareo, fa mahita, ary ny sofinareo, fa mandre.Fa lazaiko aminareo marina tokoa fa maro ny mpaminany sy ny olona marina naniry hahita izay hitanareo, nefa tsy mba nahita; ary naniry handre izay renareo, nefa tsy mba nandre. » (Matio 13:16-17).

MAZOTOA MIZARA AM-PANETRE-TENA IZANY HERY MAHAGAGA IZANY FA TSY HO FOANA NY FIKELEZAN’AINA E !

NATAO HIKOLOKOLO NY TEMPOLIN’NY FANAHY MASINA IANAO OLON’I KRISTY



 Ny Levita dia voatendry nikarakara ny tempoly
« fa tendreo izy hitandrina ny tabernakelin'ny Vavolombelona sy ny fanaka rehetra ary ny zavatra rehetra izay momba azy; fa izy no hitondra ny tabernakely sy ny zavatra rehetra momba azy sady hanao fanompoam-pivavahana ao; ary manodidina ny tabernakely no hitobiany. » (Nomery 1:50)
ianao olon'i Kristy koa manana andraikitra hikolokolo ny tena izay tempolin'ny Fanahy Masina « Tsy fantatrareo va fa tempolin'Andriamanitra ianareo, ary ny Fanahin'Andriamanitra mitœtra no anatinareo? Raha misy manimba ny tempolin'Andriamanitra, dia mba hosimban'Andriamanitra kosa izy; fa masina ny tempolin'Andriamanitra, dia ianareo izany. » (1 Korintiana 3:16-17)

HAMASINO NY TENANAO SATRIA MASINA KRISTY AO ANATINAO !

IZAY IAINANAO OLON’I KRISTY NO HO TORIANAO



Ny fanomezana omenao ny hafa dia honeran'ny Tompo aminao na @ taranakao @ fotoanany
 « Fa raha manome zavatra avy amin'ny lovany ho an'ny anankiray amin'ny mpanompony kosa izy, dia ho azy mandra-pahatongan'ny taona fanafahana ihany izany; dia hiverina ho amin'ny mpanjaka indray izany ka ho lova ho an'ny zanany ihany. » (Ezekiela 46:17)
tian'ny Tompo mantsy hoe izay efa niainanao no hotorianao
« fa ho vavolombelony amin'ny olona rehetra ianao ny amin'izay efa hitanao sy renao. » (Asan'ny Apostoly 22:15)
HO MARO NO HIOVA FO VOKATR’IZANY FIJOROANAO  IZANY !
MATOKIA !

MAZOTOA !

ATOLORY HO AN’NY TOMPO NY JEROSALEMANAO



Atolory ho an'ny Tompo ny ankohonanao sy ny tanàna misy anao satria efa Azy rahateo ireo
 « An'i Jehovah ny tany sy izay rehetra eo aminy. Izao rehetra izao sy ny mponina eo aminy. » (Salamo 24:1)
,fomba iray hitahiany anao eo @ io toerana io izany
« Eny, hamboleko ao amin'ny taniny izy, ka tsy hongotana amin'ny taniny izay nomeko azy intsony izy, Hoy Jehovah Andriamanitrao. » (Amosa 9:15)

MINOA !MATOA MANTSY VOASORATRA DIA TSY MAINTSY HOTANTERAKA !!!

RY OLON’I KRISTY AMPAHAFANTARO NY LALANA MANKANY @ RAY


Jaona mpanao batisa nazaho andraikitra hanamboatra ny lalan'i Jehovah
 « Fa izy no ilay nampilazaina an'Isaia mpaminany hœ: Injany! misy feon'ny miantso mafy any an-efitra hoe: Amboary ny lalan'i Jehovah, Ataovy mahitsy ny lalan-kalehany (Isa. 40. 3). » (Matio 3:3),
anjaranao olon'i Kristy kosa no mampahafantatra fa Izy ilay lalana
« Hoy Jesosy taminy: Izaho no lalana sy fahamarinana ary fiainana; tsy misy olona mankany amin'ny Ray, afa-tsy amin'ny alalako. » (Jaona 14:6)
MAZOTOA!

VITANAO NY HITAONA VAHOAKA  HO ANY AN-DANITRA E !

NAHAZO FAMINDRAM-PO IANAO MATOA LASA OLON’I KRISTY


Andriamanitra Ray ihany no manome alalana izay vao afaka hanantona an'i Kristy ny olona iray « Ary hoy Izy: Izany no nilazako taminareo fa tsy misy olona mahay manatona Ahy, raha tsy nomen'ny Ray azy izany. » (Jaona 6:65)
mifalia fa efa miaina ao @ izany ianao olon'i Kristy
« Lazaiko aminareo marina dia marina tokoa: Izay mino no manana fiainana mandrakizay. » 
(Jaona 6:47)
AZA VOTSORINA INTSONY ARY ILAY FIAINANA MANDRAKIZAY MENDRIKA ANAO !
MAHEREZA !



RY OLON’I KRISTY SITRANO NY MARARY

:
Kristy ao anatinao dia afaka manasitrana
« Fa hoy Petera: Tsy manana volafotsy na volamena aho, fa izay ananako no omeko anao: Amin'ny anaran'i Jesosy Kristy avy any Nazareta, mitsangantsangàna. » (Asan'ny Apostoly 3:6)
ampiasao izany fa hahomby
« Ary noraisiny tamin'ny tànany ankavanana ralehilahy ka natsangany; dia natanjaka niaraka tamin'izay ny tongony sy ny kitrokeliny. » (Asan'ny Apostoly 3:7)
dia hidera an'ny Tompo ireo sitrana
« Ary niantsambotra izy ka nijoro, dia nitsangantsangana ary niara-niditra taminy ho eo an-kianjan'ny tempoly, nitsangantsangana ny niantsambotsambotra sady nidera an'Andriamanitra. » (Asan'ny Apostoly 3:8)
ary ny manodidina ho talanjona
« Ary fantany tsara fa io no ilay nipetraka teo amin'ny vavahady Itsaraendrika eo amin'ny tempoly mba hiantrana; dia gaga sady talanjona ny olona noho izay tonga tamin-dralehilahy. » (Asan'ny Apostoly 3:10)
HIZARA FIFALIANA @ FOMBA MAHAGAGA IANAO !
MATOKIA !

MANANA MPIARO MATANJAKA INDRINDRA IANAO OLON’I KRISTY


Afaka mangataka @ Ray anjely mihoatra ny 12 legiona(70000 eo ho eo) hiaro anao Kristy ao anatinao 
« Ary ataonao va fa tsy mahazo mangataka amin'ny Raiko Aho, dia haniraka anjely tsy omby roa ambin'ny folo legiona ho ety amiko Izy ankehitriny? » (Matio 26:53)
MITONIA FA TSY HANAN-JAVA-MAHORY IANAO
« Jehovah no Mpiandry ahy, tsy hanan-java-mahory aho, » (Salamo 23:1).

MAHEREZA.
AMPIASAO ARY SATRIA VONONA LALANDAVA IREO HO ANAO MANOKANA !!!

TOHIZO NY VAVAKA HO AN’NY TANANANAO



Manamafy aminao olony Kristy hoe katsaho izay hiadanan'ny tanàna misy anao fa raha miadana izy dia mba hiadana koa ianao sy ny ankohonanao
« Ary katsaho izay hiadanan'ny tanàna izay nampandehanako anareo ho babo, ary mivavaha amin'i Jehovah ho azy; fa raha miadana izy, dia mba hiadana koa ianareo. » (Jeremia 29:7) 
MINOA
« Fa Izaho mahalala ny hevitra iheverako anareo, hoy Jehovah, dia hevitra hahatonga fiadanana, fa tsy loza, mba hanome anareo fanantenana ny amin'ny farany*.[Heb. farany sy fanantenana] »
 (Jeremia 29:11)
AZA AMELANA RAHA TSY LASAN’I KRISTY TANTERAKA ARY NY FIRENENA DIA HO AZO ANTOKA FA HIADANA NY MALAGASY !!!
MAZOTOA MIVAVAKA !
MAHEREZA !

HAMAFISO NY FINOANA DIA SAHIA MIASA RY OLON’I KRISTY


Hahita fiainam-baovao tantekara ianao izay mifikitra @finoana an'i Kristy
« Ary hoy Jesosy taminy: Mandehana ianao, ny finoanao no efa namonjy anao. Dia nahiratra niaraka tamin'izay ny masony, ka nanaraka an'i Jesosy teny an-dalana izy. » (Marka 10:52) ,
na eo aza ny aretina mafy dia Sahia mametra-tanana azy fa ho sitrana
« Ary nararin'ny tazo sady nivalan-drà ny rain'i Popilo; ary Paoly niditra teo aminy ka nivavaka sady nametra-tanana taminy, dia nahasitrana azy. » (Asan'ny Apostoly 28:8)

AZA MISALASALA DIA HAHITA NY FIASAN’ANDRIAMANITRA MIVANTANA IANAO.MATOKIA !MAHEREZA !

MITADY MPANAPAKA TSY TIA TOAKA NY TOMPO


Mitady mpanapaka haminany na hahita fahitana marina @anarany ny Tompo
« Ary amin'ny andro farany, hoy Andriamanitra, No handatsahako ny Fanahiko amin'ny nofo rehetra; Ary ny zanakalahinareo sy ny zanakavavinareo haminany, Ary ny zatovonareo hahita fahitana, Ary ny lahiantitrareo hanonofy; » (Asan'ny Apostoly 2:17)
dingana iray ahatongavanao @ izany ny tsy fisotroana toaka
« Tsy mety amin'ny mpanjaka, ry Lemoela, Eny; tsy mety amin'ny mpanjaka ny misotro divay, Na amin'ny mpanapaka ny ho fatra-paniry toaka; » (Ohabolana 31:4)

MANAIKY VE IANAO?

RAKOFY NY FANAHY MASINA NY TENANANAO


Avelao ny Fanahy hameno sy hampiteny anao olon'i Kristy
« Ary samy feno ny Fanahy Masina izy rehetra, ka dia niteny tamin'ny fiteny maro samy hafa, araka ny nampitenenan'ny Fanahy Masina azy. » (Asan'ny Apostoly 2:4)
fa hampivaotra ny toetra anaty hanananao izany
« Ary tsy ketraka izahay; fa na dia mihalevona aza ny toetray ivelany, dia havaozina isan'andro isan'andro kosa ny toetray anatiny. » (2 Korintiana 4:16)
mba ahatonga anao ho olom-baovao
« Koa raha misy olona ao amin'i Kristy, dia olom-baovao izy; efa lasa ny zavatra taloha, indreo, efa tonga vaovao ireo. » (2 Korintiana 5:17)

KRISTY AO ANATINAO TE HANOVA ANAO HO OLON’NY LANITRA DIENY ETY AN-TANY RAHA MANAIKY IANAO E !!
MAHEREZA !

VELONA IANAO NOHO IZANY MBOLA AFAKA AVOTANA


Manàna fanantenana satria velona
« Fa izay rehetra isan'ny velona dia mbola hantenaina; fa ny amboa velona no tsara noho ny liona maty. » (Mpitoriteny 9:4)
miraisa saina ary mazotoa manompo @ fifaliana
« Ary dia niray saina isan'andro izy ka nazoto nankeo an-kianjan'ny tempoly ary namaky mofo tao an-trano ka nihinan-kanina tamin'ny fifaliana sy ny fahatsaram-po, » (Asan'ny Apostoly 2:46)
minoa fa ampy ho anao ny fahasoavan'ny Tompo
« Nefa hoy Izy tamiko; Ampy ho anao ny fahasoavako; fa ny heriko. dia tanterahina amin'ny fahalemena. Koa mainka sitrako ny hirehareha amin'ny fahalemeko, mba hitœran'ny herin'i Kristy amiko. » (2 Korintiana 12:9)

MAHEREZA!
HANANGANA FIAINAM-BAOVAO HO ANAO OLONY KRISTY !!!
MATOKIA !

TSY HISARAKA AMINAO OLON’I KRISTY ANDRIAMANITRA


Hametraka famantarana aminao olony ny Tompo tahaka ireo zanak'Israely teo aloha fa tsy hisaraka aminao eny @ izay alehanao rehetra na andro na alina
« Fa ny rahon'i Jehovah dia teo ambonin'ny tabernakely nony andro, ary nisy afo teo aminy nony alina, teo imason'ny taranak'Isiraely rehetra, tamin'ny nandehanany rehetra. » (Eksodosy 40:38)

NOHO IZANY AZA KIVY HATREO NY ZAVATRA REHETRA FA HOMBA ANAO IZY E !
MATOKIA !
MAHEREZA !


TSY VOATERY HIANDRY HO TENDRENA VAO HIASA IANAO OLON’I KRISTY



Ianao olon'i Kristy dia manana andraikitra eo @ manodidina anao ary tsapan'izy ireo izany na dia tsy hambara @ fomba ofisialy aza
« Hatry ny fahiny ihany koa, fony Saoly mbola nanjaka aza, dia ianao ihany no mpitarika ny Isiraely nivoaka sy niditra; ary hoy Jehovah Andriamanitrao taminao; Hianao no ho mpiandry ny Isiraely oloko, ary ianao no ho mpanapaka azy. » (1 Tantara 11:2)
MIFALIA
« Mifalia mandrakariva. » (1 Tesaloniana 5:16)

MEHEREZA !
NY TOMPO HOMBA ANAO !!!

FANAHY MANANA FAHEFANA AMBONY INDRINDRA NO AO ANATINAO OLON’I KRISTY


 Fanahy tsy misy fetra
« Fa Izay nirahin'Andriamanitra dia milaza ny teniny; fa tsy misy fetra ny fanomezan'Andriamanitra ny Fanahy. » (Jaona 3:34)
avy any ambony ao @ Kristy no ao anatinao,ambonin'ny fanahy rehetra ary afaka hifehy ny tontolo rehetra
« Izay avy any ambony dia ambonin'izy rehetra; ary izay avy amin'ny tany dia avy amin'ny tany, ka ny momba ny ety an-tany ihany no lazainy; Izay avy any an-danitra dia ambonin'izy rehetra; » (Jaona 3:31)

 SAHIA MAMPIASA E!IZA INDRAY NO ANDRASANA !