"Mifankazara amin'ny Tsitoha ianao,dia hiadana;izany no hahatongavan'ny soa aminao"(Joba 22:21)

MAMPITANDRINA NY TOMPO


Mila mifona satria toa tsy tsapan'ny Kristiana ny lanjan'ny Paska ka maro ireo hetsika diso toerana toa manohitra izany
« Koa lazao aminy hoe: Ity no firenena tsy mihaino feon'i Jehovah Andriamaniny sady tsy mino anatra; Very ny fahamarinana, fa afaka tamin'ny vavany. » (Jeremia 7:28),
izay mety hitera-doza
« Izao no lazain'i Jehovah, Tompon'ny maro, Andriamanitry ny Isiraely: Indro, hataoko mihatra amin'ity tanàna ity sy amin'ny zana-bohiny rehetra ny loza rehetra izay nolazaiko hatao aminy noho ny nanamafiany ny hatony tsy hihainoany ny teniko. » (Jeremia 19:15).
FITIAVANA IZY! IZAY NO MAHATONGA AZY MANANATRA MIALOHA!!!

2000 TAONA MAHERY ATY AORIANA MBOLA MIPETRAKA NY FANONTANIANA


Mbola havela hitomany ve i Kristy?
« Ary raha nanakaiky Izy ka nahita ny tanàna, dia nitomany azy » (Lioka 19:41),
satria tsy tena mahafantatra ny lanjan'ny fampijaliana natao Taminy ho famonjena ny olona ny jerosalemanao?
« ka nanao hoe: Raha mba nahafantatra mantsy ianao na dia amin'ity andro ity aza izay momba ny fiadanana! - fa ankehitriny miafina amin'ny masonao izany. » (Lioka 19:42).
RAHA ENY DIA AOKA HITOMANY HIFONA I KRISTY AO ANATINAO!

SAHIA HO ELISA AO @ KRISTY


Manana fifandraisana tsara @ ny Tompo sy mangataka ny hisehoan'ny fahagagana
« Dia nidina nankany aminy ireo, ary Elisa nivavaka tamin'i Jehovah ka nanao hoe: Mifona aminao aho, ataovy manjambena ireto olona ireto. Ary dia nataony manjambena ireo araka ny tenin'i Elisa. » (2 Mpanjaka 6:18),
mba hisian'ny fahandriam-pahalemana
« Ary rehefa tonga tany Samaria izy ireo, dia hoy Elisa: Jehovah ô, ampahirato ny mason'ireto mba hahitany. Ary Jehovah nampahiratra ny masony, dia nahita izy; ka, indro, tao afovoan'i Samaria izy. Ary nony nahita azy ny mpanjakan'ny Isiraely, dia hoy izy tamin'i Elisa: Ry ikaky ô, hasiako va izy? Hasiako va izy? Fa izy namaly hoe: Aza asianao izy; moa asianao izay nobaboinao tamin'ny sabatrao sy ny tsipìkanao? Rosoy mofo sy rano eo anoloany mba hohaniny sy hosotroiny ary handehanany any amin'ny tompony.Dia nanao fanasana lehibe ho azy ny mpanjaka; ary rehefa nihinana sy nisotro ireo, dia nampandehaniny, ary dia nankany amin'ny tompony izy. Koa dia tsy nankany amin'ny tanin'ny Isiraely intsony ny mpitoha adin'i Syria. » (2 Mpanjaka 6:20-23) .
MATOA VOASORATRA DIA MBOLA “POSSIBLE “ IZANY NA @ IZAO VANIM-POTOANA IZAO AZA!
MINOA!!

FAHASAHIANA MIAVAKA NO ANANANAO OLON’I KRISTY


Tsy misy miafina eo anatrehan'ny Tompo na ny fahalemena na ny herinao
« Fa na dia ny volon-dohanareo aza dia voaisa avokoa. » (Matio 10:30),
fa rehefa lasa olon'i Kristy ianao dia hahavita iraka na sarotra aza
« ary ho entiny eo anatrehan'ny mpanapaka sy ny mpanjaka ianareo noho ny amiko, ho vavolombelona aminy sy amin'ny jentilisa.Fa raha manolotra anareo izy, dia aza manahy ny amin'izay fomba hitenenanareo, na izay holazainareo; Fa homena anareo amin izany ora izany izay holazainareo. » (Matio 10:18-19).
MIASA @ ANARANY DIA HO GAGA IANAO NOHO NY @ HERINY!
MATOKIA!
MAHEREZA!

REHEFA FANEKENA DIA FANEKENA HO ANAO OLON’I KRISTY


Hajao ny fanekena nifanaovanao t@ Andriamanitra
« Fa aoka ny teninareo ho Eny, eny; Tsia, tsia; fa izay mihoatra noho izany dia avy amin'ny ratsy.» (Matio 5:37) ,
satria ny tanjonao tsy ny hanao asa tsara ihany fa ny manana antoka ny hoavinao mandrakizay koa
« fa asiako mafy ny tenako ho mangana ka andevoziko, fandrao, na dia efa nitory tamin'ny sasany aza aho, dia holavina kosa ny tenako. » (1 Korintiana 9:27).
TSY HO VOAFETRA NY FITOMBON’NY HOSOTRA HO VOARAINAO @ IZANY !
MATOKIA !
MAHEREZA !

HAFA!TENA HAFA NY FANEHOAM-PITIAVAN’ANDRIAMANITRA


Tia anao Andriamanitra matoa naniraka ny zanany ho faty mba hamonjena anao mpanota
« Fa Andriamanitra mampiseho* ny fitiavany antsika, fa fony mbola mpanota isika, dia maty hamonjy antsika Kristy. » (Romana 5:8),
MIFALIA fa lasa vita fihavanana Aminy ianao
« Ary tsy izany ihany koa, fa mifaly amin'Andriamanitra isika amin'ny alalan'i Jesosy Kristy Tompontsika, Izay nahazoantsika ny fihavanana ankehitriny. » (Romana 5:11),
IAINO ARY IZANY E!

MIDERA AN’ANDRIAMANITRA @ FANANANAO


Ny fanananao ampiasao koa @ asan'Andriamanitra
« Ary raha misy manontany anareo hoe: Nahoana no vahanareo io? dia izao no holazainareo: Misy raharaha analan'ny Tompo azy. » (Lioka 19:31),
satria ny harena raha sendra fihininao irery dia tsy hampiditra anao any @ fanjakan'ny lanitra
« Ary hoy Izaho aminareo indray: Ho moramora kokoa ny hidiran'ny rameva amin'ny vodi-fanjaitra noho ny hidiran'ny manan-karena amin'ny fanjakan'Andriamanitra. » (Matio 19:24).
TSY HANENENANAO MANDRAKIZAY NY MANASOA NY HAFA!
MAZOTOA!
MAHEREZA!

NY ANJARANAO DIA NY MITORY FA AN’ANDRIAMANITRA NY SISA


Aza mifidy olona hitoriana teny ianao
« Ary noho ny fitahian'Andriamanitra ahy dia mbola maharitra mandraka androany aho ka manambara na amin'ny kely na amin'ny lehibe, ary tsy milaza na inona na inona afa-tsy izay nolazain'ny mpaminany sy Mosesy fa ho avy, fa Kristy tsy maintsy mijaly ary ho voalohany hitsangana amin'ny maty ka hitory fahazavana amin'ny olona Isiraely sy amin'ny jentilisa. » (Asan'ny Apostoly 26:22-23),
dia minoa koa fa hino izay ho lazainao izy ireo
« Ry Agripa mpanjaka ô, mino ny mpaminany va ianao? Fantatro fa mino ianao. » (Asan'ny Apostoly 26:27),
satria efa voatendry ho mponin'Andriamanitra
« mba tsy hialan'ny taranak'Isiraely amiko intsony, ary tsy handotoany ny tenany intsony amin'ny fahadisoany rehetra; fa ho oloko izy, ary Izaho ho Andriamaniny, hoy Jehovah Tompo. » (Ezekiela 14:11) .
MINOA!
MIFALIA FA MPITAONA OLONA MAKA ANY AN-DANITRA E!
MAHEREZA!

KATSAHO IZAY HAHABE KOKOA NY GRADINAO ANY AN-DANITRA


Arakaraky ny halehiben'ny fankatoavana no hampitombo ny gradinao any an-danitra
« Ary amin'izany na zovy na zovy no mamaha ny anankiray amin'ireo didy madinika indrindra ireo ka mampianatra ny olona toy izany, dia hatao hoe kely indrindra amin'ny fanjakan'ny lanitra izy. Fa na zovy na zovy no mankatò sy mampianatra ireo dia izy no hatao hoe lehibe amin'ny fanjakan'ny lanitra. » (Matio 5:19).
Ekeo Kristy
« satria raha manaiky an'i Jesosy ho Tompo amin'ny vavanao ianao ary mino amin'ny fonao fa Andriamanitra efa nanangana Azy tamin'ny maty, dia hovonjena ianao.Fa amin'ny fo no inoana hahazoana fahamarinana, ary amin'ny vava no anekena hahazoana famonjena. » (Romana 10:9-10),
derao Izy
« ..Isaorana anie ny Mpanjaka, Izay avy amin'ny anaran'i Jehovah. Fiadanana any an-danitra, ary voninahitra any amin'ny avo indrindra. » (Lioka 19:38),
aza menatra ny ho olony
« Fa hoy ny Soratra Masina: Tsy ho menatra izay rehetra mino Azy (Isa. 28. 16). » (Romana 10:11).
VITANAO IZANY!
SAHIA!
MAHEREZA.

HILAZA IZAY ANTSO IANTSOANA ANAO OLONY KRISTY


Manome famantarana farafahakeliny in-2 Kristy @ andraikitra izay tokony hataonao olony
« Ary tonga fanindroany tamin'i Jona ny tenin'i Jehovah nanao hoe:Mitsangàna, ka mankanesa any Ninive, ilay tanàna lehibe; ary torio aminy ny teny izay lazaiko aminao. » (Jona 3:1-2),
hanokatra ny sainao @ izay Teny hoentinao koa Izy
« Dia nanokatra ny sain'ireo Izy hahalala ny Soratra Masina. » (Lioka 24:45).
NY ANAJARANAO DIA NY MANATANTERAKA FA TSY MIJERY HOE MORA NA SAROTRA ILAY IZY!!!
MATOKIA FA TSY MAINTSY VITANAO IZANY!
MAHEREZA!

TE-HANAO ZAVATRA TSY AMPOIZINA EO @ FIAINANAO OLONY KRISTY


Tia anao olony ny Tompo ka te-hanaporofo izany @ fombany
« Koa raha ianareo, na dia ratsy aza, mahalala hanome zava-tsoa ho an'ny zanakareo, tsy mainka va ny Ray, Izay any an-danitra, no hanome ny Fanahy Masina ho an'izay mangataka aminy? » (Lioka 11:13),
noho izany aza misalasala mangataka sy mitady Azy fa hamaly ireo hetahetanao Izy
« Ary hoy izaho aminareo: Mangataha, dia homena ianareo; mitadiava, dia hahita ianareo; dondony, dia hovohana ianareo.Fa izay rehetra mangataka no mahazo; ary izay mitady no mahita; ary izay mandondòna no hovohana. » (Lioka 11:9-10).
MINOA!
FA HANAPOROFO @ MAHA-ANDRIAMANITRA MAHAGAGA AZY IZY!

ANKALAZAO ILAY ANDRIAMANITRAO


Aza avela ny vato no hiantsoantso
« Fa Izy namaly ka nanao hoe: Lazaiko aminareo fa raha mangina ireo, dia ny vato no hiantsoantso. » (Lioka 19:40),
fa ianao olon'i Kristy izay efa eo ambanin'ny fahasoavany hatrany no tiany hidera sy hisaotra Azy tsy miato
« ka nanao hoe: Isaorana anie ny Mpanjaka, Izay avy amin'ny anaran'i Jehovah. Fiadanana any an-danitra, ary voninahitra any amin'ny avo indrindra. » (Lioka 19:38).
FOTOANA FIJOROANA IZAO!!!
AZA AVELA HIANDRY NY AMPITSO NY FIJOROANA TOKONY ATAONAO ANIO!!
SAHIA!!
MAHEREZA!!

AZA KIVY FA HANEHO NY VONINAHINY AMINAO OLONY KRISTY


Na ny mpanenjika Kristiana aza
« Ary Saoly mbola nifofofofo fandrahonana sy famonoana tamin'ny mpianatry ny Tompo ihany, dia nankao amin'ny mpisoronabe izy » (Asan'ny Apostoly 9:1),
dia hisehon'i Kristy @ fombany
« Ary raha nandeha izy, dia tonga teo akaikin'i Damaskosy; ary nisy mazava avy tany an-danitra nanelatretatra tampoka manodidina azy; dia lavo tamin'ny tany izy ka nandre feo nanao taminy hoe: Saoly, Saoly, nahoana ianao no manenjika Ahy? » (Asan'ny Apostoly 9:3-4),
ary hotendreny ho olony mba hampiova fo h@ mpitondra
« Fa hoy ny Tompo taminy: Mandehana, fa fanaka voafidy izy ho fitondrana ny anarako eo anatrehan'ny jentilisa sy ny mpanjaka ary ny Zanak'isiraely; » (Asan'ny Apostoly 9:15),
maika fa ianao?
« Fa mandehana ianao mandra-pihavin'ny farany; fa hitsahatra ianao ka hitsangana ho ao amin'ny anjaranao amin'ny andro farany. » (Daniela 12:13).
IZAY VOASORATRA DIA HO TANTERAKA!
MINOA!!

ARAKARAKY NY HAHALALANAO AN’I KRISTY NO HAMPIADANA ANAO


Izay mihaino an'I Kristy dia tsy hatahotra ny fahavalony
« Fa izay mihaino Ahy kosa hitoetra tsy manana ahiahy, Eny, handry fahizay izy ka tsy hatahotra ny ratsy. » (Ohabolana 1:33)
, noho izany katsaho lalina ny momba Azy
« Raha mitady azy toy ny fitady volafotsy ianao Ary mikatsaka azy toy ny fikatsaka harena afenina: » (Ohabolana 2:4),
dia hanaja Azy kokoa hatrany ianao
« Dia ho fantatrao marina ny fahatahorana an'i Jehovah, Ary ho hitanao ny fahalalana an'Andriamanitra. » (Ohabolana 2:5).
TSY ANENENANAO MANDRAKIZAY IZANY!
MATOKIA!
MAHEREZA!

HAMARINO TSARA NY MAHA-OLON’I KRISTY ANAO


Mila mifanohana ny samy olon'i Kristy
« Ary namaly izy ka nanao taminy hoe: Izay manana akanjo roa dia aoka hanome ho an'ny tsy manana; ary izay manan-kanina, dia aoka hanao toy izany koa izy. » (Lioka 3:11),
mila miaina ny famelan-keloka t@ alalan'ny ràny koa mba ho fiarovana satria hanavaka ny Azy ny Tompo
« Ary ny rà dia ho famantarana ho anareo eo amin'ny trano izay itoeranareo; ary raha mahita ny rà Aho, dia handalo anareo, ka tsy hisy loza handringana anareo, raha mamely ny tany Egypta Aho. » (Eksodosy 12:13).
TSY HO ELA DIA HO AVY IO FANAVAHAN’I KRISTY NY AZY IO!
MINO AHO FA EFA VONONA HATRANY IANAO!!!

MANAHAFA AN’I KRISTY IZAY TOMPOINAO SADY SAKAIZANAO


Misy asa maha sarotiny an'i Kristy tokony ataonao olony:
Tsy manary sakafo

« Ary nihinana avokoa izy rehetra, ka dia voky; ary nangoniny ny sombintsombiny sisa tsy lany, ka dia nahafeno harona roa ambin'ny folo. » (Matio 14:20),
manome lanja ny ankizy
« Nefa Jesosy kosa nanao hoe: Avelao ny zaza, ary aza raràna tsy hanatona Ahy; fa an'ny toa azy ny fanjakan'ny lanitra. » (Matio 19:14),
manokana ny tempoly ho trano fivavahana
« Dia nampianatra Izy ka nanao taminy hoe: Tsy voasoratra hoe va: Ny tranoko hatao hoe trano fivavahana ho an'ny firenena rehetra? (Isa. 56. 7); fa ianareo kosa efa nanao azy ho zohy fieren'ny jiolahy (Jery. 7. 11). » (Marka 11:17).
HAFA IANAO SATRIA HAFA ILAY KRISTY AO ANATINAO!
SA AHAOANA?
MAHEREZA!

MASINA!MASINA!MASINA!ILAY ANDRIAMANITSIKA


Aoka ho tahaka an'i Davida Ianao olon'i Kristy-miera @ Andriamanitra vao mandray fanapahan-kevitra
« Ary Davida nanontany tamin'i Jehovah hoe: Handeha hamely izao Filistina izao va aho? Ary hoy Jehovah tamin'i Davida: Mandehana, asio ny Filistina, ka vonjeo Keila. » (1 Samoela 23:2),
zava-doza mantsy ny tsy manome voninahitra Azy
« Raha tsy hihaino na handatsaka am-po ka hanome voninahitra ny anarako ianareo, hoy Jehovah, Tompon'ny maro, dia halefako hamely anareo ny ozona, ka hozoniko ny tso-drano ataonareo; eny, efa voaozoko sahady izany, satria tsy nandatsaka am-po ianareo. » (Malakia 2:2).
HAJAO IZY DIA HAJAINY KOA IANAO!
MATOKIA!
MAHEREZA!

TE-HANAO ZAVA-MAHAGAGA HO ANTSIKA NY TONTOLON’NY LANITRA RAHA MANAIKY ISIKA


Taratry ny firaisan-tsainan'ny lanitra ny firaisan-tsainan'ny Kristiana ety an-tany,katsaho izany dia ny impossible @ olona ho lasa possible @ ny Tompo
« Lazaiko aminareo marina tokoa: Na inona na inona fehezinareo ety ambonin'ny tany dia hofehezina any an-danitra; ary na inona na inona vahanareo ety ambonin'ny tany dia hovahana any an-danitra.Ary lazaiko aminareo koa: Raha misy roa aminareo mifanaiky ety ambonin'ny tany na amin'inona na amin'inona ka hangataka izany, dia ho azony avy amin'ny Raiko Izay any an-danitra izany. » (Matio 18:18-19)
NY TOMPO EFA VONONA!
ARY ISIKA OLON’I KRISTY?

NY VOA NO HAHALALANA NY HAZO


Safidy roa ihany no misy eo anatrehan'i Kristy- na ianao mino Azy dia miova tanteraka na ianao tsy miraika
« Ary hoy Jesosy: Ho fitsarana no nahatongavako amin'izao tontolo izao, mba hahiratra ny tsy mahiratra, ary mba ho tonga jamba kosa ny mahiratra. » (Jaona 9:39),
IZAY MINO DIA TIA MIZARA TENY FIAINANA
« Mandehana, ka mitsangàna, ary mitoria amin'ny vahoaka eo an-kianjan'ny tempoly ny teny rehetra milaza izany fiainana izany. » (Asan'ny Apostoly 5:20).
MAMOAZA VOA TSARA TSY MIATO E!!
MAHEREZA!!!

MISALOTRA GRADY MIAVAKA AO @ KRISTY IANAO OLONY


Tsy misy marina na dia iray aza
« araka ny voasoratra hoe: Tsy misy marina na dia iray akory aza; » (Romana 3:10),
fa Kristy no handraisana fahasoavana ka mahatonga anao mitondra ny voninahitr'Andriamanitra any @jentilisa rehetra
« Izay nandraisanay fahasoavana sy ny mah'Apostoly anay hahatonga fanekena ny finoana ho voninahitry ny anarany any amin'ny jentilisa rehetra; » (Romana 1:5).
EKEO DIA AMPIASAO AM-PANETRETENA IZANY FA TENA HITAONA OLONA MARO HO ANY AN-DANITRA!!
MATOKIA!
MAHEREZA!

FIFALIANA SY FIADANANA MIAVAKA NY AO @ KRISTY


Baikon'ny Tompo ny hoe MIFALIA MANDRAKARIVA
« Mifalia mandrakariva amin'ny Tompo; hoy izaho indray: Mifalia. » (Filipiana 4:4),
Mandefera
« Aoka ho fantatry ny olona rehetra ny fandeferanareo. Efa mby akaiky ny Tompo. » (Filipiana 4:5),
AZA MANAHY fa mivavaha na ho an'izay manenjika anao aza
« Aza manahy na inona na inona; fa aoka ny fivavahana sy ny fifonana mbamin'ny fisaorana no ho entinareo manambara ny fangatahanareo amin'Andriamanitra amin'ny zavatra rehetra. » (Filipiana 4:6),
dia hiadana ianao
« Ary ny fiadanan'Andriamanitra, izay mihoatra noho ny fahalalana rehetra, hiaro ny fonareo sy ny hevitrareo ao amin'i Kristy Jesosy. » (Filipiana 4:7).
MATOKIA!
MAHEREZA.

AOKA HO HITA AMINAO KRISTY


Olon'i Kristy ianao?
« mba hanehoana ny fahamarinany ankehitriny, mba ho marina Izy sady hanamarina izay manana finoana an'i Jesosy. » (Romana 3:26),
ataovy ho hitany fa manana fo sy Fanahy vaovao ianao
« fa izay araka ny miafina no Jiosy, ary ny famorana dia amin'ny fo, amin'ny fanahy, fa tsy amin'ny soratra; ny fiderana ireny tsy avy amin'ny olona, fa avy amin'Andriamanitra. » (Romana 2:29),
sady vonona hohamarininy lalandava
« Fa tsy ny mpandre ny lalàna no marina eo anatrehan'Andriamanitra, fa ny mpankatò ny lalàna no hohamarinina; » (Romana 2:13).
fa tsy ho modely ratsy
« Fa araka ny voasoratra, dia ianareo no itenenana ratsy ny anaran'Andriamanitra any amin'ny jentilisa (Isa. 52. 5). » (Romana 2:24).
HAFA IANAO SATRIA HAFA KRISTY AO ANATINAO!!!
TSAPANAO VE IZANY?
MAHEREZA!

HO VOATAHY MANOKANA IZAY MAHITSY FO EO ANATREHAN’ANDRIAMANITRA


An'ny Tompo ny zavatra rehetra
« An'i Jehovah ny tany sy izay rehetra eo aminy. Izao rehetra izao sy ny mponina eo aminy. » (Salamo 24:1) ,
ho anao izay madio fo
« Izay madio tanana sy mahitsy fo, izay tsy manandratra ny fanahiny ho amin'ny lainga, na mianiana hamitaka. » (Salamo 24:4),
dia ho voavonjy sady handray fitahiana avy @ ireo fananany ireo @ fombany
« Handray fitahiana avy amin'i Jehovah izy, ary fahamarinana avy amin'Andriamanitry ny famonjena azy. » (Salamo 24:5).
MATOKIA!
FANAMBY MANANKERY MANDRAKIZAY IO!

AZA MANAMAFY FO RY MALAGASY


Mila vavaka ny firenena mba tsy hahatonga ny fahatezeran'Andriamanitra
« Indrisy! Ziona zanakavavy dia saronan'ny Tompo rahona amin'ny fahatezerany; Nazerany avy tany an-danitra ho amin'ny tany ny reharehan'ny Isiraely, Ary tsy tsaroany ny fitoeran-tongony tamin'ny andro fahatezerany! » (Fitomaniana 2:1) ,
satria tsy ankasitrahany izay tsy mibebaka
« Fa ny ditranao sy ny fonao tsy mibebaka no irakatenao fahatezerana ho anao amin'ny andro fahatezerana sy fampisehoana ny fitsarana marin'Andriamanitra, » (Romana 2:5).
Aleo misoroka e!
« Koa dia mibebaha; fa raha tsy izany, dia ho avy aminao faingana Aho ka hamely ireo amin'ny sabatry ny vavako.Izay manan-tsofina, aoka izy hihaino izay lazain'ny Fanahy amin'ny fiangonana*. Izay maharesy dia homeko mana miafina sady homeko vato fotsy, ary eo amin'ny vato dia misy anaram-baovao voasoratra, izay tsy fantatr'olona afa-tsy izay mandray azy ihany.» (Apokalypsy 2:16-17).
MBOLA TSY TARA IZAO!!
MAHEREZA.

ZAVA-DEHIBE KOKOA NY FILAN’NY FANAHY


Tsy azo atao ny mitory ny filan'ny nofo
« Raha misy manaraka ny rivotra sy ny lainga ka mandainga hoe: Hitori-teny aminao ny amin'ny divay sy ny zava-mahamamo aho, Dia izy no ho mpitori-tenin'ity firenena ity. » (Mika 2:11),
tady hahazo vahana mantsy io lafiny io
« Ary ny lehibe rehetra tamin'ny mpisorona sy ny vahoaka koa nanao izay mahadiso indrindra araka ny fahavetavetana rehetra fanaon'ny jentilisa ka nandoto ny tranon'i Jehovah tany Jerosalema izay nohamasininy. » (2 Tantara 36:14),
NY TENA SAKAFO DIA NY MANAO NY SITRAPON'ANDRIAMANITRA!
« Hoy Jesosy taminy: Ny haniko dia ny manao ny sitrapon'izay naniraka Ahy sy ny mahavita ny asany. » (Jaona 4:34).
HAMASINO NY TENANAO,NY ANKOHONANAO,MBA HO MASINA NY TANANANAO,NY FIRENENAO !!