"Mifankazara amin'ny Tsitoha ianao,dia hiadana;izany no hahatongavan'ny soa aminao"(Joba 22:21)

HANAMPY ANAO OLONY @ FOMBANY KRISTY

Hisy irak'Andriamanitra hahita fitia aminao olon'i Kristy ka hanampy anao
« Ary nahafaly azy razazavavy ka nahita fitia teo imasony; dia nomeny faingana an-drazazavavy ny zavatra fidiovany sy ny anjara-haniny ary ny ankizivavy fito izay voafantina homena azy avy tao an-tranon'ny mpanjaka; ary nafindrany ho ao amin'ny fitoerana tsara indrindra ao an-tranom-behivavy izy sy ny ankizivaviny. » (Estera 2:9)
ho porofo izany fa miahy anao ny Tompo noho ny finoanao Azy
« Izaho no mofo velona izay nidina avy tany an-danitra; raha misy mihinana ity mofo ity, dia ho velona mandrakizay izy; ary ny mofo izay homeko dia ny nofoko ho fiainan'izao tontolo izao. » (Jaona 6:51)

MATOKIA !
MAHEREZA !

MIBEBAHA!-IZANY HOE AVELAO KRISTY HANALA NY OTANAO

Hampiseho ny fahamasinany eo imasonao Kristy
« Ary hohamasiniko ny anarako lehibe izay efa nolotoinareo tany amin'ny jentilisa, ka dia ho fantany fa Izaho no Jehovah, hoy Jehovah Tompo, rehefa miseho ho masina eo imasony Aho amin'ny ataoko aminareo. » (Ezekiela 36:23)
izay no hahatonga anao hibebaka ka ho rikoriko @ fomba tsy nety taloha
« Dia hotsarovanareo ny lalan-dratsinareo sy ny fanao tsy metinareo, ka dia haharikoriko anareo ny tenanareo noho ny fahadisoanareo sy ny fahavetavetanareo. » (Ezekiela 36:31)
METEZA HO DIOVINY
« Dia hofafazako rano madio ianareo, ka hadio; ny mba ho afaka amin'ny fahalotoanareo rehetra sy ny sampinareo rehetra no hanadiovako anareo. » (Ezekiela 36:25)

MAHEREZA!

TSY MIFIDY OLONA AMPIASAINY MBA HANAMPIANA ANAO OLONY KRITSY

Ampiasain'I Tompo hamory mba hisy hanomezany anao Kristiana koa ny mpanota
« ...fa ny mpanota kosa ampiasainy hanangona sy hamory, mba hisy homeny izay ankasitrahan'Andriamanitra. ... » (Mpitoriteny 2:26b)
raiso am-pifaliana fa vokatry ny fankasitrahan'I Kristy anao izany
« Fa ny olona izay ankasitrahan'Andriamanitra dia omeny fahendrena sy fahalalana ary fifaliana;... » (Mpitoriteny 2:26a)

METY IZAY VE ILAY HOE:”KRISTIANA TSY MANDA FANOMEZANA???”

MARIKY NY FAHAMASINANAO NY TSY FISOTROANA TOAKA

Marika iray hanekena ny maha-irak'i Kristy anao sady hahamora ny fiasan'ny Fanahy Masina ny tsy fisotroana toaka
« Fa ho lehibe eo anatrehan'ny Tompo izy ary tsy hisotro divay na toaka sady hofenoina ny Fanahy Masina hatrany an-kibon-dreniny aza. » (Lioka 1:15)
MIVONONA HITONDRA FANOVANA!
« Ary maro amin'ny Zanak'isiraely no hampodiny amin'i Jehovah Andriamaniny. » (Lioka 1:16)

SAHIA MITENY HOE:”VITAKO IZANY TOMPO O!!”.
MAHEREZA.

AZA MATAHOTRA HATREO NY ADY

Na mandondona sy mampatahotra aza ny fahavalo
« Ary nisy ady indray tao Gata; ary tao nisy lehilahy vaventibe izay enin-drantsana, ka dia efatra amby roa-polo no isan'ny rantsan-tànany sy ny rantsan-tongony; ary izy koa mba isan'ny taranaky ny Refaita. » (1 Tantara 20:6)
hatreo fa ho resin'i Kristy ao anatinao izy
« Ary nony nihaika ny Isiraely izy, dia nahafaty azy Jonatana, zanak'i Simea, rahalahin'i Davida. » (1 Tantara 20:7)
ho resy h@ taranany izay miray hevitra aminy
« Ireo no taranaky ny Refaita tao Gata, ka matin'ny tànan'i Davida sy ny tanan'ny mpanompony ireo. » (1 Tantara 20:8)

MATOKIA!
DIA HO TSAPANAO NY TENA DIKAN’IZANY HOE:”MPANDRESY AO @ KRISTY E!”

NIVOAKA NY BOKY VOALOHANY NAVOAKAN'NY "TENY ZARAINA"


Manasa antsika hamaky!!
Tsy atahorana ny 2012 e!!
Raha mila fanazavana fanampiny dia afaka manoratra @ tenyzarainaisanandro@gmail.com

MAMINDRA FO SY MIHATRA HO AN’IZAY MITADY AZY KRISTY

Voarain'i Tompo ny fahatsapanao fa noho ny famindrampony no maha toy izao anao
« Endrey ny hatsaran'ny famindram-ponao, Andriamanitra ô! ka mialoka eo amin'ny aloky ny elatrao ny zanak'olombelona. » (Salamo 36:7)
izay no hahatonga Azy hiahy
« Voky ny matavy ao an-tranonao izy; ary ny ony fampifalianao no ampisotroanao azy.Fa ao aminao no misy loharanon'aina; ny fahazavanao no hahitanay fahazavana. » (Salamo 36:8-9)
sy hiaro anao
« Aoka tsy hanitsaka ahy ny tongotry ny mpiavonavona, na hampandositra ahy ny tanan'ny ratsy fanahy.Indreo! efa lavo ny mpanao ratsy; naripaka izy ka tsy maharina. » (Salamo 36:11-12)
MINOA!
ARY SAHIA MIJORO VAVOLOMBELONA!
MAHEREZA.

TANY TSARA AO ANATINAO KRISTY

Kristy ao anatinao dia tsy tonga hitsara fa hamonjy
« Ary raha misy mandre ny teniko ka tsy mitandrina, Izaho tsy mitsara azy; fa tsy tonga hitsara izao tontolo izao Aho, fa hamonjy izao tontolo izao. » (Jaona 12:47)
hanazava izay maizina ho @ mazava
« Izaho tonga amin'izao tontolo izao ho fahazavana, mba tsy hitoetra ao amin'ny maizina izay rehetra mino Ahy. » (Jaona 12:46)
hanompo
« ary rehefa vita izany, dia nampidina rano tamin'ny tavy Izy ka nanomboka nanasa ny tongotry ny mpianatra sy namaoka azy tamin'ny lamba famaohana izay nisikinany. » (Jaona 13:5)
Hamokatra avy 100 heny Izy
« Ary ny sasany dia voafafy teny amin'ny tany tsara, ary raha naniry sy namoa, dia vokatra, fa namoa: ny sasany avy telo-polo heny, ary ny sasany avy enim-polo heny, ary ny sasany avy zato heny. » (Marka 4:8)
MINOA!
DIA HO LASA OLONY HIGAGAN’NY MANODIDINA ANAO IANAO!
MAHEREZA.

MINOA!MINOA! FA TSY HIALA AMINAO OLONY KRISTY

@ finoana no itenenana
« Ary satria manana izany fanahin'ny finoana izany indrindra izahay, araka ny voasoratra hoe: Nino aho, ka dia niteny (Sal. 116. 10), dia mino koa izahay ka miteny; » (2 Korintiana 4:13)
fa na mandalo olana aza ianao
« Voageja manodidina izahay, nefa tsy tery; very hevitra, nefa tsy mamoy fo;enjehina, nefa tsy nafoy, potraka, nefa tsy maty;mitondra ny fahafatesan'i Jesosy mandrakariva ao amin'ny tena izahay, mba haseho ao amin'ny tenanay koa ny fiainan'i Jesosy. » (2 Korintiana 4:8-10)
dia matokia ny fahazavan'i Kristy
« Fa Andriamanitra, izay nandidy hoe: Aoka ny mazava hahazava ao amin'ny maizina, no nampahazava ny fonay ho amin'ny fahazavan*'ny fahalalana ny voninahitr'Andriamanitra eo amin'ny tavan'i Jesosy Kristy.[*Na: hampisehoana] » (2 Korintiana 4:6)
AZA KETRAKA
« Ary amin'izany, satria manana izany fanompoana izany izahay, araka ny nahazoanay famindram-po, dia tsy ketraka. » (2 Korintiana 4:1)
FA HAMONJY IZY
« Tsy ho noana na hangetaheta intsony ireo; ary tsy haninona azy ny masoandro na izay hafanana akory.Fa ny Zanak'ondry Izay eo afovoan'ny seza fiandrianana no ho Mpiandry azy ka hitondra azy ho amin'ny loharanon'ny ranon'aina; ary hofafan'Andriamanitra ny ranomaso rehetra amin'ny masony (Isa. 25. 8). » (Apokalypsy 7:16-17)
MANEKE HO TANTANANY!
AZO ANTOKA FA HAHASOA ANAO IZANY!
MAHEREZA.

RAISIN’I KRISTY AN-TANANA NY MOMBA ANAO OLONY

N'inona n'inona fijerin'ny hafa,miavaka ianao olon'iKristy eo anatrehan'Andriamanitra
« dia zatovo izay tsy nisy kilema, fa tsara tarehy sady kanto amin'ny fahendrena rehetra sy manam-pahalalana ary mazava saina ka miendrika hitoetra ao an-dapan'ny mpanjaka sady nasainy nampianarina ny taratasy sy ny tenin'ny Kaldeana. » (Daniela 1:4)
Azy ianao
« Ary izay Ahy rehetra dia Anao; ary izay Anao dia Ahy; ary efa ankalazaina eo aminy Aho. » (Jaona 17:10)
Kristy mihitsy no mivavaka ho anao
« Izaho tsy mangataka aminao mba hampiala azy amin'izao tontolo izao, fa ny mba hiaro azy amin'ny ratsy*. [*Na: amin'ilay ratsy] » (Jaona 17:15)
AZY IANAO!
ADIDINY IANAO!
MATOKIA!
MAHEREZA.

TSY HAHOMBY NY HEVIDRATSY REHETRA SATRIA NIJORO IANAO OLON’I KRISTY

Olon'i Kristy ianao,izany no nanendreny anao ho mpiaro ny ankohonanao sy ny Jerosalemanao eo anatrehan'ny fahavalo
« koa tanteraho izany ankehitriny, fa Jehovah efa nilaza an'i Davida hoe: Amin'ny tànan'i Davida mpanompoko no hamonjeko ny Isiraely oloko ho afaka amin'ny tanan'ny Filistina sy amin'ny tanan'ny fahavalony rehetra. » (2 Samoela 3:18)
aza miahotra miasa @ Anarany
« Tsy ianareo no nifidy Ahy, fa Izaho no nifidy anareo ka nanendry anareo mba handeha sy hamoa, ary mba haharetan'ny vokatrareo, mba homen'ny Ray anareo izay rehetra hangatahinareo amin'ny anarako na inona na inona. » (Jaona 15:16)
AN’I KRISTY NY JEROSALEMANAO E!

AMPIASAO NY HERIN’I KRISTY AO ANATINAO

Mety misy ny zava-tsarotra andalovana
« Ary ankehitriny dia tafangona hamely anao ny firenena maro, Izay manao hoe: Aoka halam-baraka* Ziona, Ary aoka ny masontsika ho faly mijery azy.[Heb. holotoina] » (Mika 4:11)
ianao olon'Kristy anefa mahatoky Azy
« Kanjo tsy fantatr'ireny ny hevitr'i Jehovah, Na azony ny fisainany; Fa efa nanangona azy toy ny amboara ho ao am-pamoloana Izy. » (Mika 4:12)
dia hiasa amin-kery @ anarany izay hitera-bokatsoa lehibe
« Mitsangàna, ka miveleza, ry Ziona zanakavavy, Fa ny tandrokao hataoko vy, Ary ny kitronao hataoko varahina, Ka hanorotoro firenena maro ianao; Dia hatolotrao ho an'i Jehovah ny hareny, Ary ho an'ny Tompon'ny tany rehetra ny fananany.» (Mika 4:13)
MILA ANAO NY TOMPO.
MIVONONA HO MPANOMPO MAHATOKY!
MAHEREZA.

FOTOANA FANDRAISANA ANDRAIKITRA IZAO

Irak'Andriamanitra hitondra fanovana ianao
« Ary hoy Andriamanitra tamin'i Mosesy: IZAHO, IZAY IZY HATRIZAY HATRIZAY KA HO MANDRAKIZAY. Ary hoy koa Izy: Izao no holazainao amin'ny Zanak'Isiraely: IZAHO IZAY Izy no efa naniraka ahy ho aty aminareo. » (Eksodosy 3:14)
hanome famatarana ho anao ho porofon'izany Izy
« Ary hoy Jehovah taminy: Inona moa iny an-tananao? Dia novaliany hoe: Tehina ity.Ary hoy Izy: Atsipazo amin'ny tany iny. Dia natsipiny tamin'ny tany ka tonga menarana, dia nandositra azy Mosesy.Ary hoy Jehovah tamin'i Mosesy: Ahinjiro ny tananao, ka raiso amin'ny rambony iny, dia naninjitra ny tànany izy ka nandray azy; dia tonga tehina teo an-tànany indray izy mba hinoan'ireo fa efa niseho taminao Jehovah, Andriamanitry ny razany, dia Andriamanitr'i Abrahama sy Andriamanitr'Isaka ary Andriamanitr'i Jakoba. » (Eksodosy 4:2-5)
SAHIA miroso ho fanasoavana ny taranaka
« fa ny vehivavy samy hangataka firavaka volafotsy sy volamena ary fitafiana amin'ny miray monina aminy sy amin'izay mivahiny ao an-tranony; dia hataonareo amin'ny zanakareo-lahy sy ny zanakareo-vavy izany, ka dia hofoananareo ny Egyptiana. » (Eksodosy 3:22)
VITANAO IZANY!!
MINOA !
AVELAO KRISTY HAMPIASA ANAO.

HO TAHIANA NY JEROSALEMANAO OLON’KRISTY SATRIA NIJORO NANDRAY ANDRAIKITRA IANAO

Aza misain-dratsy mba tsy hahatanteraka izany avy eo
« Lozan'izay mamoron-keloka sy misaintsain-dratsy ao am-pandriany! Ary nony maraina ny andro, dia manatanteraka izany izy, Satria manan-kery ny tànany. » (Mika 2:1)
aza variana fa andraso ny ondrinao
« Ondry very ny oloko, fa ny mpiandry azy nampirenireny azy, eny, nampirenireny azy teny an-tendrombohitra izy; Nirenireny teny an-tendrombohitra sy teny an-kavoana ireny. Ka hadinony ny tany fandriany. » (Jeremia 50:6)
hivadika fitahiana ireo rehefa voatandrina
« Ary hampodiko ho any amin'ny saha fiandrasana azy indray ny Isiraely, ka hihinana ao Karmela sy Basana izy; Ary any an-tany havoan'i Daima sy Gileada no hahavoky azy. » (Jeremia 50:19)
MINOA!
MAHEREZA.

RY KRISTIANA!MIOMANA HANDRAY FANDRESENA

Tsy ho ela dia hahita ny fahalavon'ny herin'ny ratsy isika
« Talanjona anao ny mponina rehetra amin'ny moron-dranomasina, ary raiki-tahotra ny mpanjakany ka dia mivalomainty.Misitrisitra anao ny mpandranto amin'ny firenena; tonga fampitahorana ianao ary tsy ho ao intsony mandrakizay » (Ezekiela 27:35-36)
havarina any an-davaka izy
« Havariny ho any an-davaka ianao, ka ho faty toy ny fahafatesan'izay voatrabaka ao amin'ny ranomasina. » (Ezekiela 28:8)
satria nihevitra haka ny toeran'i Tompo
« Moa mbola hitompo teny fantatra va ianao eo imason'izay mamono anao hoe mba Andriamanitra koa aho? Nefa olona ihany ianao, fa tsy Andriamanitra tsinona, raha mby eo an-tànan'izay manatrabaka anao » (Ezekiela 28:9)
VALIM-BAVAKA HO ANTSIKA IZANY!
SATRIA NAHENO NY FITARAINANTSIKA KRISTY!
MINOA!

LOVA TSY MISY FETRA NO HIANDRY ANAO OLON’I KRISTY

Hitari-dalana mandra-pahatafitanao olon'i Kristy Andriamanitra
« Ary Izaho no nitondra anareo niakatra avy tany amin'ny tany Egypta sady nitari-dalana anareo efa-polo taona tany an-efitra, mba handovanareo ny tanin'ny Amorita, » (Amosa 2:10)
hikarakara Izy satria malalany ianao
« Fa rainy kosa nanao tamin'ny ankizilahiny hoe: Alao haingana ny akanjo tsara indrindra ka ampiakanjoy azy; ary asio peratra ny tànany sy kapa ny tongony;ary ento ny zanak'omby nafahy, ka vonoy; ary aoka isika hihinana sy hifaly; » (Lioka 15:22-23)
ary mendriky ny handova be
« Ary hoy rainy taminy: Anaka, ianao eto amiko mandrakariva, ary anao avokoa izay rehetra ananako. » (Lioka 15:31)
FANAMBY APETRANY HO AN’IZAY TSY MIVADIKA AMINY H@ FARANY IZANY!!
MINOA!
DIA MANAOVA HOE:”IZAHO IZANY KRISTY O!!!”
MAHEREZA!

MENDRIKA ANAO OLON’I KRISTY NY HO VOATAHY MIHOATRA NOHO I SOLOMONA

Kristy dia manana fahendrena mihoatra noho i Solomona
« Ny mpanjakavavy avy tany atsimo hiara-mitsangana amin'ity taranaka ity amin'ny andro fitsarana ka hanameloka azy; fa avy tany amin'ny faran'ny tany izy hihaino ny fahendren'i Solomona; nefa, indro, misy lehibe noho Solomona eto. » (Matio 12:42)
noho izany ianao olony koa hanam-pahendrena
« Ary Andriamanitra nanome an'i Solomona fahendrena sy fahiratan-tsaina be indrindra ary fahalalana betsaka tahaka ny fasika amoron-dranomasina. » (1 Mpanjaka 5:9)
ho tia fihavanana
« Fa nanapaka ny tany rehetra aty an-dafin'ny Ony hatrany Tifsa ka hatrany Gaza izy, dia tamin'ny mpanjaka rehetra ety* an-dafin'ny Ony; ary izy dia tsara fihavanana tamin'ireny rehetra manodidina nanoa azy ireny.» (1 Mpanjaka 5:4)
ho voatahy
« Ary Solomona nanjaka tamin'ny fanjakana rehetra hatramin'ny Ony sy ny tanin'ny Filistina ka hatramin'ny sisin'i Egypta; nandoa hetra ireo sady nanompo an'i Solomona tamin'ny andro rehetra niainany. » (1 Mpanjaka 5:1)
MINOA DIA HIGOKA AN’IZANY IANAO !
MATOKIA!
MAHEREZA .

HISY VOKANY NY TENA FAHATOKISANAO AN’I KRISTY

Hamonjy anao eo anatrehan'ny sakana rehetra Kristy
« Fa Jehovah Andriamanitrareo no aoka hatahoranareo; dia Izy no hamonjy anareo amin'ny tanan'ny fahavalonareo rehetra. » (2 Mpanjaka 17:39)
satria nahatoky sy tsy niankina afa-tsy Taminy irery ianao
« Ary ny fanekena izay nataoko taminareo dia aza hadinoinareo; ary aza matahotra izay andriamani-kafa ianareo; » (2 Mpanjaka 17:38)
AZA MIHONONA MANDRAY FAHASOAVANA FA ZARAO IZAY SOA AZONAO!!!
« Dia nandeha izy ka nitory tany Dekapolisy izay zavatra lehibe efa nataon'i Jesosy taminy; ka dia gaga ny olona rehetra. » (Marka 5:20)
MAZOTOA!
MAHEREZA.

HANAPOROFO AMINAO NY TOMPO FA AZY IANAO OLON’I KRISTY

Tonga ny fotoana ka Andriamanitra mihitsy no hiteny aminao hoe:
Oloko ianao

« Dia hafafiko ho Ahy amin'ny tany izy; Ary hamindra fo amin'i Lò-rohama* Aho sady hanao amin'i Lò-amy hoe: Oloko ianao; Ary izy kosa hanao hoe: Andriamanitro Hianao.[Izahao i. 6] » (Hosea 2:25)
hiaino anao Aho
« Ary amin'izany andro izany dia hihaino* Aho, hoy Jehovah, eny, hihainoa ny lanitra Aho, ary izy kosa hihaino ny tany; [Na: hamaly] » (Hosea 2:23)
ary hotahiko @ fombako ianao
« Ary ny tany kosa hihaino ny vary sy ny ranom-boaloboka ary ny diloilo; Ary ireo kosa dia hihaino an'i Jezirela, » (Hosea 2:24)
MITRAKA!!!
MANEKE HO AMPIASAINY MBA HITONDRA FANOVANA!!!
MATOKIA,MAHEREZA.

MENDRIKA NY HANAM-PIADANANA ANATY IANAO OLON’I KRISTY

Dieny ety an-tany dia hiadana ianao Olon'i Kristy satria ankasitrahany ny fanajanao Azy
« Voninahitra any amin'ny avo Indrindra ho an'Andriamanitra! Ary fiadanana ho ety ambonin'ny tany amin'ny olona ankasitrahany. » (Lioka 2:14)
sy ny fahatokisanao fa voavela heloka ianao izay MINO AZY
« mba hanehoana ny fahamarinany ankehitriny, mba ho marina Izy sady hanamarina izay manana finoana an'i Jesosy. » (Romana 3:26)
AZA AVELA HISY FOTOANA TSY AHATSAPANAO IZANY ARY E!!!
MAHEREZA!

TAOM-PITAHIANA NY TAONA 2012(12)

Hahita ny tany kanana ny ankohonanao
« Ary Jehovah niteny tamin'i Mosesy, ka nanao hoe:Maniraha lehilahy vitsivitsy hisafo ny tany Kanana, izay omeko ho an'ny Zanak'Isiraely; dia lehilahy iray avy isam-pirazanany no hirahinareo, ka izay samy lohan'ny fireneny avy. » (Nomery 13:1-2)
satria an'i Krity
« ... fa raha izaho sy ny ankohonako kosa, dia hanompo an'i Jehovah izahay. » (Josoa 24:15)
izay isan'ny ao @ firenena 12 voatahy
« Ary ny amin'Isimaela, dia efa nihaino anao Aho; indro, efa nitahy azy Aho ka hahamaro ny taranany sy hampitombo azy indrindra; hiteraka andriana roa ambin'ny folo izy, satria efa notendreko ho firenena lehibe. » (Genesisy 17:20)
MINOA!!!

TAOM-PITAHIANA NY TAONA 2012(11)

12 no isan'ny Mpianatry ny Tompo niasa,nitondra fanovana t@ Anarany
« Ary Jesosy niantso ny roa ambin'ny folo lahy hankeo aminy ka nanome azy hery sy fahefana hamoaka ny demonia rehetra sy hahasitrana aretina. »(Lioka 9:1)
Fotoana hanekenao ho isan'izay nofidiny izao
« Ary nandre ny feon'ny Tompo aho nanao hoe: Iza no hirahiko, ary iza no handeha ho irakay? Dia hoy izaho: Inty aho, iraho aho. » (Isaia 6:8)
MIVONONA HO MPANOMPO HAMETRAKA TANTARA!!!

TAOM-PITAHIANA NY TAONA 2012(10)

Homba anao zanany Andriamanitra
« Izao no lazan'i Jehovah ny Iray Masin'ny Isiraely, dia ny namorona azy: Ny amin'ny zavatra ho avy no anontanio Ahy; ary ny zanako sy ny asan'ny tanako dia aoka ho adidiko ihany. » (Isaia 45:11)
MINOA!
dia hanendry olona @ fombany Izy hikarakara anao sy ny ankohonanao

« Ary Solomona nanendry roa ambin'ny folo lahy ho amin'ny Isiraely rehetra hiadidy ny zavatra rehetra nilain'ny mpanjaka sy ny ankohonany; samy niadidy ny iray volana avy amin'ny herintaona izy. » (1 Mpanjaka 4:7)
MAHEREZA!

TAOM-PITAHIANA NY TAONA 2012(9)

Taona
« Fa nanana zanakavavy tokana tokony ho roa ambin'ny folo taona izy, ary efa ho faty razazavavy. ... » (Lioka 8:42)
hampifohazan'i Kristy ny fikasana tsara
« Ary Jesosy dia nandray ny tànany ka niantso hoe: Ry zazavavy, miarena.Dia nody indray ny ainy, ka niarina niaraka tamin'izay izy; ... » (Lioka 8:54-55a)
noho finoanao ny Teniny ity taona ity
« Fa Jesosy, raha nahare, dia namaly azy ka nanao hoe: Aza matahotra; minoa fotsiny ihany, dia ho velona* izy.[*Gr. voavonjy] » (Lioka 8:50)
HANATANTERAKA IZANY HO ANAO MANOKANA IZY!
« Ary dia talanjona ny ray aman-dreniny; fa Jesosy nandrara ary tsy hilazalaza amin'olona ny zavatra efa natao. » (Lioka 8:56)
MATOKIA!

TAOM-PITAHIANA NY TAONA 2012(8)

Hisy hery miala ao @ Kristy
« Fa hoy Jesosy: Nisy olona nanendry Ahy; fa fantatro fa nisy hery nivoaka avy tamiko. » (Lioka 8:46)
izay hiteraka fanasitranana
« Ary hoy Jesosy taminy: Anaka, ny finoanao no nahasitrana* anao; mandehana soa aman-tsara.[*Gr. nahavonjy] » (Lioka 8:48)
ho an'izay aretina nitaiza anao naharitra
« Ary nisy vehivavy anankiray narary* roa ambin'ny folo taona, izay efa nandany ny fananany rehetra tamin'ny mpanao fanafody, nefa tsy nisy nahasitrana azy akory.[*Gr. narary nandeha rà] » (Lioka 8:43)
MINOA!

TAOM-PITAHIANA NY TAONA 2012(7)


Sahia misaotra @ izay anananao
« Misaora amin'ny zavatra rehetra; fa izany no sitrapon'Andriamanitra ao amin'i Kristy Jesosy ho anareo. » (1 Tesaloniana 5:18)
dia ho voatahy sady hahazo ambim-bava 12 fatra ianao amin'ity taona ity
« Dia nihinana izy rehetra ka voky; ary nangonina izay sombintsombiny sisa tsy lany, ka nisy roa ambin'ny folo harona. » (Lioka 9:17)
MATOKIA.

TAOM-PITAHIANA NY TAONA 2012(6)

Hisokatra ho anao ny vavahady 12n'ny lanitra izay hanokatra lalam-pitahiana 12 samihafa eo @ fiainanao @ ity taona ity
« Ary ny vavahady roa ambin'ny folo dia perila roa ambin'ny folo; perila iray avy ny isam-bavahady; ary ny lalambe teo an-tanàna dia tena volamena, toy ny fitaratra manganohano. » (Apokalypsy 21:21)
ARARAOTY ARY FA MANANA 12 VOLANA IANAO HIGOGA AN'IZANY FAHASOAVANA IZANY!!!
MINOA!

TAOM-PITAHIANA NY TAONA 2012(5)



T@ 12 taona Kristy
« Ary rehefa roa ambin'ny folo taona Jesosy, ... » (Lioka 2:42a)
dia efa nahatalanjona ny rehetra ny fahaizany
« Ary talanjona izay rehetra nandre Azy noho ny fahalalany sy ny famaliany. » (Lioka 2:47)
AMPIASAO AO ANATINAO ARY IZANY @ ITY TAONA ITY

TAOM-PITAHIANA NY TAONA 2012(4)

Ho voatahy isam-bolana avy @ hazon'aina misy voa 12 ianao
« ... Ary teny andaniny roa amin'ny ony nisy hazon'aina mamoa voa roa ambin'ny folo samy hafa sady mamoa isam-bolana; ary ny ravin'ny hazo dia ho fanasitranana ny firenena maro. » (Apokalypsy 22:2bd)
ho taratry ny fiainan-danitra dieny ety an-tany
« Ho tonga anie ny fanjakanao. Hatao anie ny sitraponao ety an-tany tahaka ny any an-danitra. » (Matio 6:10)
MINOA!ARY MAZOTOA MIASA @ ANARAN'I KRISTY!

TAOM-PITAHIANA NY TAONA 2012(3):

AZA MANAHY!fa hiorim-paka ny fahamarinan'i Kristy
« Ny mpanota maniry ny hazan*'ny ratsy fanahy; Fa ny fakan'ny marina mitrebona**. [*Na: ny fandriky][**Na: Fa ny marina ataon'Andriamanitra miorim-paka] » (Ohabolana 12:12)
MIFALIA!fa mponin'ny lanitra dieny ety an-tany ianao olony
« Ary noho izany mifalia, ry lanitra sy ianareo izay monina ao aminy. Loza ho an'ny tany sy ny ranomasina ! Fa nidina ho aminareo ny devoly sady manana fahatezerana lehibe, Satria fantany fa kely sisa ny androny. » (Apokalypsy 12:12)
NA HO TEZITRA AZA SATANA,AZA TAITRA FA FAHAVALO EFA RESY IZY!
MINOA!

TAOM-PITAHIANA NY TAONA 2012(2)

Aza kivy fa hatreo am-pifaliana miaraka @ Kristy ny zavatra rehetra
« Mifalia amin'ny fanantenana; miareta amin'ny fahoriana; mahareta amin'ny fivavahana. » (Romana 12:12)
dia hahavita fahagagana @ anarany ianao
« Ny famantarana mah'Apostoly ahy dia natao teo aminareo tokoa tamin'ny faharetana rehetra, tamin'ny famantarana sy ny fahagagana ary tamin'ny asa lehibe. » (2 Korintiana 12:12)
AZO ANTOKA FA HITERA-BOKATSOA NY FAHASAHIANAO MIJORO HO OLON'I KRISTY MANDRITR'ITY TAONA ITY!

TAOM-PITAHIANA NY TAONA 2012

Hisy vokany ny fanetre-tena anananao
« Ary raha nanetry tena izy, dia niala taminy ny fahatezeran'i Jehovah ka tsy nahalany ringana azy; sady nisy fahatsaram-panahy koa tamin'ny Joda. » (2 Tantara 12:12)
hiasa mahery ny Fanahy masina ao anatinao
« fa ny Fanahy Masina no hampianatra anareo amin'izany ora izany izay mety holazainareo. » (Lioka 12:12)
hiray ny Kristiana
« Fa tahaka ny tena iray ihany, anefa maro no momba ny tena, ary ireo rehetra momba ny tena ireo, na dia maro aza, dia tena iray ihany, dia tahaka izany koa Kristy. » (1 Korintiana 12:12)
MINOA!!!
ARY AZA AVELA HANDALO NY FAHASOAVANA MENDRIKA ANAO!!!

FIFAMPIARAHABANA TRATRY NY TAONA HO AN'NY MPANDRAY TENY ZARAINA

Zoma 6 Janoary @ 12:30 h@ 2 ao @ FJKM Ambatomena (ampitan'ny Ambassade de france),samy mitondra tsaky sy jus sahaza!
Tongava hifampahery dia mangataka ny fitondrana am-bavaka ho an'izay tsy afaka e!!!

TORITENY HOZARAINA:
"IREO FAMANTARANA FA TAOM-PITAHIANA NY TAONA 2012"