"Mifankazara amin'ny Tsitoha ianao,dia hiadana;izany no hahatongavan'ny soa aminao"(Joba 22:21)

MENDRIKA ANAO OLON’I KRISTY NY HO VOATAHY MIHOATRA NOHO I SOLOMONA

Kristy dia manana fahendrena mihoatra noho i Solomona
« Ny mpanjakavavy avy tany atsimo hiara-mitsangana amin'ity taranaka ity amin'ny andro fitsarana ka hanameloka azy; fa avy tany amin'ny faran'ny tany izy hihaino ny fahendren'i Solomona; nefa, indro, misy lehibe noho Solomona eto. » (Matio 12:42)
noho izany ianao olony koa hanam-pahendrena
« Ary Andriamanitra nanome an'i Solomona fahendrena sy fahiratan-tsaina be indrindra ary fahalalana betsaka tahaka ny fasika amoron-dranomasina. » (1 Mpanjaka 5:9)
ho tia fihavanana
« Fa nanapaka ny tany rehetra aty an-dafin'ny Ony hatrany Tifsa ka hatrany Gaza izy, dia tamin'ny mpanjaka rehetra ety* an-dafin'ny Ony; ary izy dia tsara fihavanana tamin'ireny rehetra manodidina nanoa azy ireny.» (1 Mpanjaka 5:4)
ho voatahy
« Ary Solomona nanjaka tamin'ny fanjakana rehetra hatramin'ny Ony sy ny tanin'ny Filistina ka hatramin'ny sisin'i Egypta; nandoa hetra ireo sady nanompo an'i Solomona tamin'ny andro rehetra niainany. » (1 Mpanjaka 5:1)
MINOA DIA HIGOKA AN’IZANY IANAO !
MATOKIA!
MAHEREZA .