"Mifankazara amin'ny Tsitoha ianao,dia hiadana;izany no hahatongavan'ny soa aminao"(Joba 22:21)

MIBEBAHA!-IZANY HOE AVELAO KRISTY HANALA NY OTANAO

Hampiseho ny fahamasinany eo imasonao Kristy
« Ary hohamasiniko ny anarako lehibe izay efa nolotoinareo tany amin'ny jentilisa, ka dia ho fantany fa Izaho no Jehovah, hoy Jehovah Tompo, rehefa miseho ho masina eo imasony Aho amin'ny ataoko aminareo. » (Ezekiela 36:23)
izay no hahatonga anao hibebaka ka ho rikoriko @ fomba tsy nety taloha
« Dia hotsarovanareo ny lalan-dratsinareo sy ny fanao tsy metinareo, ka dia haharikoriko anareo ny tenanareo noho ny fahadisoanareo sy ny fahavetavetanareo. » (Ezekiela 36:31)
METEZA HO DIOVINY
« Dia hofafazako rano madio ianareo, ka hadio; ny mba ho afaka amin'ny fahalotoanareo rehetra sy ny sampinareo rehetra no hanadiovako anareo. » (Ezekiela 36:25)

MAHEREZA!