"Mifankazara amin'ny Tsitoha ianao,dia hiadana;izany no hahatongavan'ny soa aminao"(Joba 22:21)

TAOM-PITAHIANA NY TAONA 2012(3):

AZA MANAHY!fa hiorim-paka ny fahamarinan'i Kristy
« Ny mpanota maniry ny hazan*'ny ratsy fanahy; Fa ny fakan'ny marina mitrebona**. [*Na: ny fandriky][**Na: Fa ny marina ataon'Andriamanitra miorim-paka] » (Ohabolana 12:12)
MIFALIA!fa mponin'ny lanitra dieny ety an-tany ianao olony
« Ary noho izany mifalia, ry lanitra sy ianareo izay monina ao aminy. Loza ho an'ny tany sy ny ranomasina ! Fa nidina ho aminareo ny devoly sady manana fahatezerana lehibe, Satria fantany fa kely sisa ny androny. » (Apokalypsy 12:12)
NA HO TEZITRA AZA SATANA,AZA TAITRA FA FAHAVALO EFA RESY IZY!
MINOA!