"Mifankazara amin'ny Tsitoha ianao,dia hiadana;izany no hahatongavan'ny soa aminao"(Joba 22:21)

TANY TSARA AO ANATINAO KRISTY

Kristy ao anatinao dia tsy tonga hitsara fa hamonjy
« Ary raha misy mandre ny teniko ka tsy mitandrina, Izaho tsy mitsara azy; fa tsy tonga hitsara izao tontolo izao Aho, fa hamonjy izao tontolo izao. » (Jaona 12:47)
hanazava izay maizina ho @ mazava
« Izaho tonga amin'izao tontolo izao ho fahazavana, mba tsy hitoetra ao amin'ny maizina izay rehetra mino Ahy. » (Jaona 12:46)
hanompo
« ary rehefa vita izany, dia nampidina rano tamin'ny tavy Izy ka nanomboka nanasa ny tongotry ny mpianatra sy namaoka azy tamin'ny lamba famaohana izay nisikinany. » (Jaona 13:5)
Hamokatra avy 100 heny Izy
« Ary ny sasany dia voafafy teny amin'ny tany tsara, ary raha naniry sy namoa, dia vokatra, fa namoa: ny sasany avy telo-polo heny, ary ny sasany avy enim-polo heny, ary ny sasany avy zato heny. » (Marka 4:8)
MINOA!
DIA HO LASA OLONY HIGAGAN’NY MANODIDINA ANAO IANAO!
MAHEREZA.