"Mifankazara amin'ny Tsitoha ianao,dia hiadana;izany no hahatongavan'ny soa aminao"(Joba 22:21)

RY KRISTIANA!MIOMANA HANDRAY FANDRESENA

Tsy ho ela dia hahita ny fahalavon'ny herin'ny ratsy isika
« Talanjona anao ny mponina rehetra amin'ny moron-dranomasina, ary raiki-tahotra ny mpanjakany ka dia mivalomainty.Misitrisitra anao ny mpandranto amin'ny firenena; tonga fampitahorana ianao ary tsy ho ao intsony mandrakizay » (Ezekiela 27:35-36)
havarina any an-davaka izy
« Havariny ho any an-davaka ianao, ka ho faty toy ny fahafatesan'izay voatrabaka ao amin'ny ranomasina. » (Ezekiela 28:8)
satria nihevitra haka ny toeran'i Tompo
« Moa mbola hitompo teny fantatra va ianao eo imason'izay mamono anao hoe mba Andriamanitra koa aho? Nefa olona ihany ianao, fa tsy Andriamanitra tsinona, raha mby eo an-tànan'izay manatrabaka anao » (Ezekiela 28:9)
VALIM-BAVAKA HO ANTSIKA IZANY!
SATRIA NAHENO NY FITARAINANTSIKA KRISTY!
MINOA!