"Mifankazara amin'ny Tsitoha ianao,dia hiadana;izany no hahatongavan'ny soa aminao"(Joba 22:21)

TAOM-PITAHIANA NY TAONA 2012

Hisy vokany ny fanetre-tena anananao
« Ary raha nanetry tena izy, dia niala taminy ny fahatezeran'i Jehovah ka tsy nahalany ringana azy; sady nisy fahatsaram-panahy koa tamin'ny Joda. » (2 Tantara 12:12)
hiasa mahery ny Fanahy masina ao anatinao
« fa ny Fanahy Masina no hampianatra anareo amin'izany ora izany izay mety holazainareo. » (Lioka 12:12)
hiray ny Kristiana
« Fa tahaka ny tena iray ihany, anefa maro no momba ny tena, ary ireo rehetra momba ny tena ireo, na dia maro aza, dia tena iray ihany, dia tahaka izany koa Kristy. » (1 Korintiana 12:12)
MINOA!!!
ARY AZA AVELA HANDALO NY FAHASOAVANA MENDRIKA ANAO!!!