"Mifankazara amin'ny Tsitoha ianao,dia hiadana;izany no hahatongavan'ny soa aminao"(Joba 22:21)

MINOA!MINOA! FA TSY HIALA AMINAO OLONY KRISTY

@ finoana no itenenana
« Ary satria manana izany fanahin'ny finoana izany indrindra izahay, araka ny voasoratra hoe: Nino aho, ka dia niteny (Sal. 116. 10), dia mino koa izahay ka miteny; » (2 Korintiana 4:13)
fa na mandalo olana aza ianao
« Voageja manodidina izahay, nefa tsy tery; very hevitra, nefa tsy mamoy fo;enjehina, nefa tsy nafoy, potraka, nefa tsy maty;mitondra ny fahafatesan'i Jesosy mandrakariva ao amin'ny tena izahay, mba haseho ao amin'ny tenanay koa ny fiainan'i Jesosy. » (2 Korintiana 4:8-10)
dia matokia ny fahazavan'i Kristy
« Fa Andriamanitra, izay nandidy hoe: Aoka ny mazava hahazava ao amin'ny maizina, no nampahazava ny fonay ho amin'ny fahazavan*'ny fahalalana ny voninahitr'Andriamanitra eo amin'ny tavan'i Jesosy Kristy.[*Na: hampisehoana] » (2 Korintiana 4:6)
AZA KETRAKA
« Ary amin'izany, satria manana izany fanompoana izany izahay, araka ny nahazoanay famindram-po, dia tsy ketraka. » (2 Korintiana 4:1)
FA HAMONJY IZY
« Tsy ho noana na hangetaheta intsony ireo; ary tsy haninona azy ny masoandro na izay hafanana akory.Fa ny Zanak'ondry Izay eo afovoan'ny seza fiandrianana no ho Mpiandry azy ka hitondra azy ho amin'ny loharanon'ny ranon'aina; ary hofafan'Andriamanitra ny ranomaso rehetra amin'ny masony (Isa. 25. 8). » (Apokalypsy 7:16-17)
MANEKE HO TANTANANY!
AZO ANTOKA FA HAHASOA ANAO IZANY!
MAHEREZA.