"Mifankazara amin'ny Tsitoha ianao,dia hiadana;izany no hahatongavan'ny soa aminao"(Joba 22:21)

MAMINDRA FO SY MIHATRA HO AN’IZAY MITADY AZY KRISTY

Voarain'i Tompo ny fahatsapanao fa noho ny famindrampony no maha toy izao anao
« Endrey ny hatsaran'ny famindram-ponao, Andriamanitra ô! ka mialoka eo amin'ny aloky ny elatrao ny zanak'olombelona. » (Salamo 36:7)
izay no hahatonga Azy hiahy
« Voky ny matavy ao an-tranonao izy; ary ny ony fampifalianao no ampisotroanao azy.Fa ao aminao no misy loharanon'aina; ny fahazavanao no hahitanay fahazavana. » (Salamo 36:8-9)
sy hiaro anao
« Aoka tsy hanitsaka ahy ny tongotry ny mpiavonavona, na hampandositra ahy ny tanan'ny ratsy fanahy.Indreo! efa lavo ny mpanao ratsy; naripaka izy ka tsy maharina. » (Salamo 36:11-12)
MINOA!
ARY SAHIA MIJORO VAVOLOMBELONA!
MAHEREZA.