"Mifankazara amin'ny Tsitoha ianao,dia hiadana;izany no hahatongavan'ny soa aminao"(Joba 22:21)

TAOM-PITAHIANA NY TAONA 2012(8)

Hisy hery miala ao @ Kristy
« Fa hoy Jesosy: Nisy olona nanendry Ahy; fa fantatro fa nisy hery nivoaka avy tamiko. » (Lioka 8:46)
izay hiteraka fanasitranana
« Ary hoy Jesosy taminy: Anaka, ny finoanao no nahasitrana* anao; mandehana soa aman-tsara.[*Gr. nahavonjy] » (Lioka 8:48)
ho an'izay aretina nitaiza anao naharitra
« Ary nisy vehivavy anankiray narary* roa ambin'ny folo taona, izay efa nandany ny fananany rehetra tamin'ny mpanao fanafody, nefa tsy nisy nahasitrana azy akory.[*Gr. narary nandeha rà] » (Lioka 8:43)
MINOA!