"Mifankazara amin'ny Tsitoha ianao,dia hiadana;izany no hahatongavan'ny soa aminao"(Joba 22:21)

MANOATRA NOHO NY MPANDRESY IANAO OLON’I KRISTY


Na dia tsy manana fitaovana tahaka ny an'ny fahavalo aza ianao,
 « Ary tamin'ny andro niadiana dia tsy nisy sabatra na lefona hita teny an-tànan'ny vahoaka rehetra izay eo amin'i Saoly sy Jonatana; fa tamin'i Saoly sy Jonatana zanany ihany no nisy. » (1 Samoela 13:22),
nefa irahin'ny Tompo ifanandrina aminy,
 « Fa raha hoy kosa izy: Miakara ety aminay, dia hiakatra isika, fa efa natolotr'i Jehovah eo an-tanantsika izy; ary izany no ho famantarana ho antsika. » (1 Samoela 14:10),
dia Izy no hampandresy anao,
 « Ary Jehovah namonjy ny Isiraely tamin'izany andro izany; ... » (1 Samoela 14:23a).
MATOKIA ! SAHIA MIATRIK’ADY FA HOMBA ANAO NY TOMPO !
VAVAKA :RAY O ! MANAIKY AHO RAHA ASAINAO MIATRIKA NY FAHAVALOKO SATRIA IANAO NO HIADY HO AHY FA IZAHO KOSA HANGINA !@ ANARAN’I JESOSY KRISTY VELONA AVY ANY NAZARETA AMEN !

RAISO IREO FITAHIANA MENDRIKA ANAO


Mety hatahotra ianao raha nahazo fahazoavana tsy nampoizina,
 « Dia hoy izy tamin'ireo rahalahiny: Naverina ny volako, ka, indro, eo anatin'ny lasakako izany; dia ketraka ny fony, ary nifampijery amin-tahotra izy ka niresaka hœ: Inona izao ataon'Andriamanitra amintsika izao ? » (Genesisy 42:28),
nefa izao no tsarovy efa nahazo tso-drano mahery ianao ary mioty ny vokany izao,
 « ho amintsika ny fahasoavana sy ny famindram-po ary ny fiadanana avy amin'Andriamanitra Ray sy Jesosy Kristy, Zanaky ny Ray, amin'ny fahamarinana sy ny fitiavana. » (2 Jaona 3).
MIFALIA ! DERAO NY TOMPONAO !
VAVAKA :RAY O ! MIDERA SY MANKALAZANAO AHO ARY RAISIKO SY HINOKO FA HIATRA @ FIAINAKO IREO TSO-DRANO MAFONJA EFA NOMENAO AHY !@ ANARAN’I JESOA KRISTY VELONA AVY ANY NAZARETA AMEN !

MANAFAKA NY ANARAN’I KRISTY


Ny Fahamarinana avy @ Andriamanitra dia ny finoana marina an'i Kristy?
 « dia ny fahamarinana avy amin'Andriamanitra amin'ny finoana an'i Jesosy Kristy ho an'izay rehetra mino; fa tsy misy hafa, » (Romana 3:22),
ary Izy Andriamanitra mihitsy no hanamarina izany eo @ fiainanao,
 « mba hanehoana ny fahamarinany ankehitriny, mba ho marina Izy sady hanamarina izay manana finoana an'i Jesosy. » (Romana 3:26)
MATOKIA!
VAVAKA ! KRISTY O ! MINO AHO FA MPANAFAKA IANAO ARY VONONA AHO NY HIOVA KA HINO SY HANKATO ANAO !AMEN !

RAISO HO ANAO NY TANINAY KRISTY O


Eo @ tanin'ny taranak'i Abrahama dia ho voahozona izay manozona azy ireo,
 « ary hitahy izay manisy soa anao Aho, fa hanozona izay manozona anao; ary aminao no hitahiana ny firenena rehetra ambonin'ny tany. » (Genesisy 12:3),
izay an'i Kristy anefa dia taranak'i Abrahama,
 « Fa raha an'i Kristy ianareo, dia taranak'i Abrahama sy mpandova araka ny teny fikasana. » (Galatiana 3:29).
SAHIA MILAZA:MADAGASIKARA AN'KRISTY !
VAVAKA :KRISTY O ! EFA ANAO NY TANINAY TSY AMELANAY RAHA TSY  TANTERAKA NY TENY FIKASANA FA HO TANY MIAVAKA NY NOSINAY !AMEN !

ALEO MANKATO IZAY IRAKA NANIRAHANA


Izay sitrapon'ny Tompo tsy tanterahina dia hanadinana?
 « Fa izay tsy nahalala kosa ka nanao izay zavatra tokony hikapohana azy dia hokapohina kely. Fa izay nomena be, dia be no hotadiavina aminy; ary izay nampitehirizina be, dia bebe kokoa no hadinina aminy. » (Lioka 12:48),
noho izany aleo mibebaka ?
« Tsia, hoy Izaho aminareo; fa raha tsy mibebaka ianareo, dia ho ringana tahaka azy koa ianareo rehetra. » (Lioka 13:3),
mandray famelan-keloka?
 « Raha miaiky ny fahotantsika isika, dia mahatoky sy marina Izy ka mamela ny fahotantsika sy manadio antsika ho afaka amin'ny tsi-fahamarinana rehetra. » (1 Jaona 1:9),
dia manova toe-tsaina?
 « Ary aza manaraka ny fanaon'izao tontolo izao; fa miovà amin'ny fanavaozana ny saina, hamantaranareo ny sitrapon'Andriamanitra, dia izay tsara sady ankasitrahana no marina.  » (Romana 12:2).
SAHIA !
VAVAKA : RAY O ! MIFONA AMINAO FA VARIANA @ FILAN’NY TENANAY SY IZAY METY @ SAINAY IZAHAY ,MAMELA ANAY ARY TARIHO IZAHAY @ IZAY ANDRAIKITRA TIANAO ATAONAY !@ ANARAN’I JESOSY KRISTY VELONA AVY ANY NAZARETA AMEN !

IRAY NO MPIANDRY DIA I KRISTY


Kristy no Mpiandry anao olony ary fantany ianao,
 « Izaho no Mpiandry Tsara; ary fantatro ny Ahy, sady fantany Aho, » (Jaona 10:14),
manana tanjona izay tsy maintsy ho tanteraka Izy dia ny hahatonga ny ondriny ho andiany IRAY,
 « Manana ondry hafa izay tsy amin'ity vala ity Aho; ary ireny koa dia tsy maintsy ho entiko ka hihaino ny feoko; ary ho tonga andiany iray izy, sady iray ihany ny Mpiandry. » (Jaona 10:16).
MANEKE HO MPIARA-MIASA @ ONDRY HAFA HANAFAINGANANA IZANY E !
VAVAKA : KRISTY O ! TEFEO IZAHAY MBA HAKATO ILAY PLANINA TSARA EFA VOATENDRINAO DIA NY HAMPIRAY SAINA ANAY OLONAO ! AMEN !

MIJOROA HO MPITONDRA NY HAFATR’I KRISTY


Mosesy no irak'Andriamanitra teo anatrehan'i Farao,
 « Ary hoy Jehovah tamin'i Mosesy: Indro, efa nataoko andriamanitra ho an'i Farao ianao; ary Arona rahalahinao kosa ho mpaminaninao. » (Eksodosy 7:1),
Farao kosa dia ilay mafy fo tsy nety nino iLay hafatra,
« Ary Izaho hanamafy ny fon'i Farao sy hanamaro ny famantarana sy ny fahagagana izay hataoko eto amin'ny tany Egypta. » (Eksodosy 7:3),
FIDIO NY HO MOSESY AO @KRISTY!SA AHOANA?
VAVAKA :KRISTY O ! INTY AHO MANAVAO NY FANOLORANTENAKO HO IRAKAO ! AMEN !