"Mifankazara amin'ny Tsitoha ianao,dia hiadana;izany no hahatongavan'ny soa aminao"(Joba 22:21)

POROFOY FA OLON’I KRISTY VOAVELA HELOKA IANAO


 Izay nahazo famindram-po t@ ny Tompo
 « Dia niankohoka teo anatrehany ilay mpanompo ka nanao hœ: Tompoko, omeo andro aho, fa haloako ny anao rehetra.Ary ny tompon'izany mpanompo izany dia onena azy ka nandefa azy sady namoy ny trosa taminy. » (Matio 18:26-27),
dia tsy maintsy mamindra fo ho an'ny hafa mba tsy ho azon'ny famaizana,
 « moa tsy tokony mba ho namindra fo tamin'ny mpanompo namanao koa va ianao tahaka ny namindrako fo taminaoDia tezitra ny tompony ka nanolotra azy ho amin'ny mpampijaly mandra-pandoany ny trosa rehetra. » (Matio 18:33-34).
VITANAO OLON'I KRISTY IZANY!
VAVAKA :KRISTY O ! OLOM-BAOVAO AO AMINAO AHO NEFA TATANO NY DIAKO MBA HAHAIZAKO MITAHIRY ILAY FAHASOHAVANA VOARAIKO ! AMEN !

MIJOROA HO MPITONDRA NY HAFATR’I KRISTY



Mosesy no irak'Andriamanitra teo anatrehan'i Farao,
 « Ary hoy Jehovah tamin'i Mosesy: Indro, efa nataoko andriamanitra ho an'i Farao ianao; ary Arona rahalahinao kosa ho mpaminaninao. » (Eksodosy 7:1),
Farao kosa dia ilay mafy fo tsy nety nino iLay hafatra ,
« Ary Izaho hanamafy ny fon'i Farao sy hanamaro ny famantarana sy ny fahagagana izay hataoko eto amin'ny tany Egypta. » (Eksodosy 7:3),
FIDIO NY HO MOSESY AO @KRISTY!SA AHOANA?
VAVAKA :KRISTY O ! INTY AHO MANAVAO NY FANOLORANTENAKO HO IRAKAO ! AMEN !

IRAY NO MPIANDRY DIA I KRISTY



Kristy no Mpiandry anao olony ary fantany ianao
 « Izaho no Mpiandry Tsara; ary fantatro ny Ahy, sady fantany Aho, » (Jaona 10:14),
manana tanjona izay tsy maintsy ho tanteraka Izy dia ny hahatonga ny ondriny ho andiany IRAY « Manana ondry hafa izay tsy amin'ity vala ity Aho; ary ireny koa dia tsy maintsy ho entiko ka hihaino ny feoko; ary ho tonga andiany iray izy, sady iray ihany ny Mpiandry. » (Jaona 10:16).
MANEKE HO MPIARA-MIASA @ ONDRY HAFA HANAFAINGANANA IZANY E !
VAVAKA : KRISTY O ! TEFEO IZAHAY MBA HAKATO ILAY PLANINA TSARA EFA VOATENDRINAO DIA NY HAMPIRAY SAINA ANAY OLONAO ! AMEN !

ALEO MANKATO IZAY IRAKA NANIRAHANA



Izay sitrapon'ny Tompo tsy tanterahina dia hanadinana
 « Fa izay tsy nahalala kosa ka nanao izay zavatra tokony hikapohana azy dia hokapohina kely. Fa izay nomena be, dia be no hotadiavina aminy; ary izay nampitehirizina be, dia bebe kokoa no hadinina aminy. » (Lioka 12:48),
noho izany aleo mibebaka 
« Tsia, hoy Izaho aminareo; fa raha tsy mibebaka ianareo, dia ho ringana tahaka azy koa ianareo rehetra. » (Lioka 13:3),
mandray famelan-keloka  
« Raha miaiky ny fahotantsika isika, dia mahatoky sy marina Izy ka mamela ny fahotantsika sy manadio antsika ho afaka amin'ny tsi-fahamarinana rehetra. » (1 Jaona 1:9),
dia manova toe-tsaina
 « Ary aza manaraka ny fanaon'izao tontolo izao; fa miovà amin'ny fanavaozana ny saina, hamantaranareo ny sitrapon'Andriamanitra, dia izay tsara sady ankasitrahana no marina.  » (Romana 12:2).
SAHIA !
VAVAKA : RAY O ! MIFONA AMINAO FA VARIANA @ FILAN’NY TENANAY SY IZAY METY @ SAINAY IZAHAY ,MAMELA ANAY ARY TARIHO IZAHAY @ IZAY ANDRAIKITRA TIANAO ATAONAY !@ ANARAN’I JESOSY KRISTY VELONA AVY ANY NAZARETA AMEN !

ROMBAHO IREO TENY FIKASANA MENDRIKA ANAO RY MALAGASY


Ny tanjon'Andriamanitra dia ny hamonjy ny Isiraely rehetra 
« ary amin'izany dia hovonjena avokoa ny Isiraely rehetra, - araka ny voasoratra hœ: Hivoaka avy any Ziona ny Mpanafaka, Ary hampiala ny haratsiam-panahy amin'i Jakoba Izy; » (Romana 11:26),
fanekena nataony taminy izany,
 « Fa izao no fanekena hataoko amin'ny taranak'isiraely, Rehefa afaka izany andro izany, hoy Jehovah: Dia hataoko ao an-tsainy ny lalàko, Sady hosoratako ao am-pony, Ary Izaho ho Andriamaniny, ary izy ho oloko; » (Hebreo 8:10),
ary mendrika ho an'ny Malagasy ao @Kristy 
« Fa raha an'i Kristy ianareo, dia taranak'i Abrahama sy mpandova araka ny teny fikasana. » (Galatiana 3:29).
MINOA ARY IAINO DIENY IZAO NY FIFOHAZAM-PANAHY !
VAVAKA :RAY O ! TSY AMPIDINA TANANA INTSONY IZAHAY ARY TSY AVELANAY RAHA TSY LASANAO NY TANINAY !@ ANARAN’I JESOA KRISTY VELONA AVY ANY NAZARETA AMEN !

AZA MANADINO NY TANINDRAZANAO


Ataovy ho fifaliana ho anao ary tsara raha hanaovanao fanekena mihitsy izany hoe tsy hanadino ny tany na ny jerosalema izay nomen'ny Tompo anao ianao ,
« Raha manadino anao aho, ry Jerosalema ô, Aoka kosa ny tanako ankavanana mba hanadino. Raha tsy mahatsiaro anao aho, Aoka ny lelako hiraikitra amin'ny lanilaniko, Raha tsy Jerosalema no ataoko ambony indrindra amin'ny fifaliako rehetra. » (Salamo 137:5-6)
.MATOA NOMENY DIA MENDRIKA ANAO !SA TSY IZANY ?
VAVAKA :RAY O ! MISAOTRA ANAO AHO FA NATAONAO HO MALAGASY ARY HO TIAVIKO SY ATOLOTRO HO ANAO NY TANINDRAZAKO @ ANARAN’I JESOSY KRISTY VELONA AVY ANY NAZARETA AMEN !

PAOLY AO @ KRISTY IANAO


Paoly dia olona tahaka rehetra ihany fa rehefa tena nanaiky ho irak'i Kristy izy dia lasa fitaovana nahavita fahagagana maro ny tanany .
« Ary ny tànan'i Paoly no nanaovan'Andriamanitra fahagagana lehibe maro, » (Asan'ny Apostoly 19:11).
ANJARANAO IZAO!
VAVAKA :RAY O ! AMPIASAO NY TANAKO MBA HO FITAOVANA HITONDRA FITAHIANA HO AN’NY HAFA !@ ANARAN’I JESOA KRISTY VELONA AVY ANY NAZARETA AMEN !