Izay sitrapon'ny Tompo tsy
tanterahina dia hanadinana
« Fa izay tsy nahalala kosa ka nanao izay zavatra
tokony hikapohana azy dia hokapohina kely. Fa izay nomena be, dia be no
hotadiavina aminy; ary izay nampitehirizina be, dia bebe kokoa no hadinina
aminy. » (Lioka 12:48),
noho izany aleo mibebaka
« Tsia, hoy Izaho aminareo; fa raha tsy mibebaka ianareo, dia ho
ringana tahaka azy koa ianareo rehetra. » (Lioka 13:3),
mandray
famelan-keloka
« Raha miaiky ny fahotantsika isika, dia mahatoky
sy marina Izy ka mamela ny fahotantsika sy manadio antsika ho afaka amin'ny
tsi-fahamarinana rehetra. » (1 Jaona 1:9),
dia manova toe-tsaina
« Ary aza manaraka ny fanaon'izao tontolo izao; fa miovà amin'ny
fanavaozana ny saina, hamantaranareo ny sitrapon'Andriamanitra, dia izay tsara
sady ankasitrahana no marina. » (Romana 12:2).
SAHIA !
VAVAKA :
RAY O ! MIFONA AMINAO FA VARIANA @ FILAN’NY TENANAY SY IZAY METY @ SAINAY
IZAHAY ,MAMELA ANAY ARY TARIHO IZAHAY @ IZAY ANDRAIKITRA TIANAO ATAONAY !@
ANARAN’I JESOSY KRISTY VELONA AVY ANY NAZARETA AMEN !