"Mifankazara amin'ny Tsitoha ianao,dia hiadana;izany no hahatongavan'ny soa aminao"(Joba 22:21)

ZARAO IZAY AO ANATINAO OLON’I KRISTY


Hiteny aminao olony Kristy ary izay lazainy dia aza misy afenina fa zarao
« Izay lazaiko aminareo ao amin'ny maizina, dia ambarao eo amin'ny mazava, ary izay ren'ny sofinareo, dia torio eo ambonin'ny tampon-trano. » (Matio 10:27)
SAHIA!satria ilay fanahiny ao anatinao ihany no hilaza izany
« Fa tsy ianareo no miteny, fa ny Fanahin'ny Rainareo no miteny ao anatinareo. » (Matio 10:20)
MINOA!! DIA AZA GAGA RAHA HITOMBO HATRANY NY FAHATSAPANAO FA OLOM-BAOVAO AO AMINY TOKOA IANAO E ! MAHEREZA.

EFA VONONA HANOVA TANTERAKA NY JEROSALEMANAO KRISTY


Vita fihavanana t@ Tompo ianao?
« sady Izy no hampihavanany ny zavatra rehetra aminy, ka dia ny ràny teo amin'ny hazo fijaliana no nanaovany fampihavanana - eny, Izy, hoy izaho, no fampihavanana izany, na ny ety ambonin'ny tany, na ny any an-danitra. » (Kolosiana 1:20)
tandremo ary ny didiny
« Izay manao hoe: Fantatro Izy, nefa tsy mitandrina ny didiny, dia mpandainga, ary ny marina tsy ao anatiny. » (1 Jaona 2:4) dia hitoetra ao anatinao Izy
« Fa na iza na iza mitandrina ny teniny, dia tanteraka ao aminy marina tokoa ny fitiavana an'Andriamanitra izany no ahafantarantsika fa ao aminy isika. » (1 Jaona 2:5)
sady ho lasa tanàna mahery ny jerosalemanao
« Dia hoy Josoa tamin'ny taranak'i Josefa, dia Efraima sy Manase: Firenena lehibe ianao ka mahery indrindra: tsy anjara iray ihany no ho azonao, fa tany havoana koa; fa ala izany ka tevezo, dia ho anao ny an-tsisiny: fa handroaka ny Kananita ianao, na dia* manana kalesy vy aza izy ireo sady mahery.[Na: fa] » (Josoa 17:17)
IANAO MANAIKY AMPIASAINY NO ANDRASANY.SAHIA MIROSO !!!MAHEREZA.

MIJOROA HO MPITANTANA MAHOMBY


Ny fananan'ny Tompo dia nomeny mba ho ampiasainao olony @ fotoanany
« Ary hoy rainy taminy: Anaka, ianao eto amiko mandrakariva, ary anao avokoa izay rehetra ananako. » (Lioka 15:31)
porofoy Aminy fa hainao ny mitantana an'izay eo aminao dia hitombo izany
« Ary izay mahatoky amin'ny kely indrindra dia mahatoky koa amin'ny be;» (Lioka 16:10)
TSY HISY FETRA NY FITOMBON’IZANY SATRIA MPANOMPO MAHATOKY IANAO!
SA AHOANA E !
MAHEREZA.

FITAOVANA MAHOMBY HANDRAVA NY HERIN’NY MAIZINA IANAO OLON’I KRISTY


Handrava ny sampy Kristy ao anatinao
« Hotorotoroina ny sampiny voasokitra rehetra, Ary hodorana amin'ny afo ny tanginy rehetra, Sady hofoanako ny sampiny rehetra; Tangin'ny vehivavy janga no nanangonany ireny, Ary hody ho tangin'ny vehivavy janga indray izy. » (Mika 1:7)
izao no fotoana hanongotany ny fanahy ratsy ao an-tanànanao
« Izao no lazain'i Jehovah ny amin'ireo ratsy fanahy rehetra mifanakaiky fonenena amiko ireo, dia izay mikasikasika ny tany nomeko ho lovan'ny Isiraely oloko: Indro, hongotako tsy ho amin'ny taniny ireo, ary ny taranak'i Joda koa dia hongotako tsy ho eo aminy. » (Jeremia 12:14)
manajamba ny voninahiny mantsy ireny
« izay nohajambain'ny andriamanitr'izao tontolo izao, dia ny sain'ny tsy mino, mba tsy hiposahan'ny fahazavan'ny filazantsaran'ny voninahitr'i Kristy, Izay endrik'Andriamanitra. » (2 Korintiana 4:4)
MIVONONA SAHIA MANADIO NY TANANA E !
MILA ANAO NY TOMPO MBA HANATANTERAHANY NY PLANINA TSARA HO AN’NY TANANANAO.
MAHEREZA.

MPIAMBINA TENA MAHOMBY AO AN-TANANA IANAO OLON’I KRISTY


Voatendry hivavaka hitaraina @ Tompo ianao mba hahatonga ny tanànanao tsy ho lasan'ny fahavalo
« Dia hoy ny Zanak'Isiraely tamin'i Samoela: Aza mitsahatra mitaraina amin'i Jehovah Andriamanitsika ho anay ianao, mba hamonjeny anay amin'ny tanan'ny Filistina. » (1 Samoela 7:8)
MINOA!dia hisy vokany izany ka handresy ianao
« Dia naka zanak'ondry mbola minono Samoela ka nanatitra azy ho fanatitra dorana ho an'i Jehovah; dia nitaraina tamin'i Jehovah ho an'ny Isiraely Samoela, ary nihaino azy Jehovah.Ary raha mbola nanatitra ny fanatitra dorana Samoela, dia nanatona ny Filistina hiady amin'ny Isiraely; fa Jehovah nampikotrokorana mafy tamin'ny Filistina tamin'izany andro izany ka nampifanaritaka azy, dia resy teo anoloan'ny Isiraely izy. » (1 Samoela 7:9-10)
ANISAN’NY FIKATSAHANAO NY FANJAKAN’ANDRIAMANITRA NY FANAOVANAO IZANY ARY MINOA FA HITONDRA VOKA-TSOA HO ANAO IZANY !!! MAHEREZA.

MIARO ANAO @ FOMBA MAHAGAGA KRISTY


Olon'i KRISTY ianao:MINOA fa misy miaramilany miaro anao @ izay rehetra alehanao
« Ary teo ambonin'ny lohan'ny zava-manan'aina dia nisy toa endriky ny eloelo, toy ny volon'ny krystaly mahatahotra, mivelatra eo ambonin'ny lohany.Ary nivelatra mahitsy sady nifanendry ny elany teo ambanin'ny eloelo: samy nanan-droa avy izy rehetra, izay nanaronany ny tenany.Ary raha nandeha izy, dia nahare ny fikopakopaky ny elany aho, toy ny firohondrohon'ny rano be, dia tahaka ny feon'ny Tsitoha, dia feo toy ny fireondreon'ny miaramila mitoby;Ary nisy feo avy teo ambonin'ny eloelo izay teo ambonin'ny lohany; nony nijanona izy, dia namihina ny elany. » (Ezekiela 1:22-25)
ary Kristy eo ambonin'izany mibaiko ireo miaramilany ireo
« Ary teo ambonin'ny eloelo, izay teo ambonin'ny lohany, dia nisy endriky ny seza fiandrianana mitovy volo amin'ny vato safira; ary teo ambonin'ny endriky ny seza fiandrianana dia nisy hoatra ny endrik'olona. » (Ezekiela 1:26)
AZA MIAHOTRA ARY MIJORO HO VAVOLOMBELONY ! MAHEREZA.

MATOKIA NY TOMPO

Fantatr'i Kristy @ antsipirihiny ny momba anao
« Fa na dia ny volon-dohanareo aza dia voaisa avokoa. » (Matio 10:30)
manàna faharetana fa tsy maintsy avotany ianao
« Ary ho halan'ny olona rehetra ianareo noho ny anarako; fa izay maharitra hatramin'ny farany no hovonjena. » (Matio 10:22)
ary sahia manao ny asa ampanaoviny
« ary ho entiny eo anatrehan'ny mpanapaka sy ny mpanjaka ianareo noho ny amiko, ho vavolombelona aminy sy amin'ny jentilisa.Fa raha manolotra anareo izy, dia aza manahy ny amin'izay fomba hitenenanareo, na izay holazainareo; Fa homena anareo amin izany ora izany izay holazainareo.Fa tsy ianareo no miteny, fa ny Fanahin'ny Rainareo no miteny ao anatinareo. » (Matio 10:18-20)
MAZOTOA ARY MANOMPO FA TSY HO TAKATRY NY SAINAO NY VALIM-PITIA AVY @ I KRISTY ILAY TENA TIA ANAO E ! MAHEREZA

ANKAFIZO NY MIHAINO NY TOMPONAO

Marika iray maha-olon'i Kristy anao ny fankafizanao mihaino foana ny feony
« Ny ondriko mihaino ny feoko, ary Izaho mahalala azy, ary izy manaraka Ahy, » (Jaona 10:27)
ho setrin'izany dia harovany sy hahazo fiainana mandrakizay ianao
« ary Izaho manome azy fiainana mandrakizay, ka tsy ho very izy mandrakizay, ary tsy hisy handrombaka azy amin'ny tanako. » (Jaona 10:28)
AZO ANTOKA FA HITONDRA FANOVANA IANAO SATRIA IZAY HASAIN’I KRISTY ATAONAO IHANY NO HO TANTERAHINAO !!!
SA TSY IZANY ?
MAHEREZA .

TSY MISARAKA AMINAO OLONY KRISTY

Eken'iKristy ho tahaka ny tabernakely ny fonao olony noho izany hanisy andry rahona hanaraka anao mandritry ny andro sy andry afo mandritry ny alina Izy
« Ary tamin'ny andro izay nananganana ny tabernakely ny rahona dia nanarona ny tabernakely, dia ny trano-lain'ny Vavolombelona; ary nony hariva dia niseho teo ambonin'ny tabernakely tahaka ny afo izy mandra-pahamarain'ny andro. » (Nomery 9:15)
MINOA ! MITONIA HATRANY SATRIA MIARAKA @ ILAY MAHERY INDRINDRA FOANA IANAO E ! MAHEREZA .

TSY MISY AFAKA MANAKANA NY PLANIN’ANDRIAMANITRA

Hampitombo ny olony @ fombany Andriamanitra « Kanefa, na dia izany aza, ny isan'ny Zanak'Isiraely dia ho betsaka toy ny fasika amin'ny ranomasina, izay tsy azo afatra sady tsy tambo isaina; ary any amin'ny tany izay nilazana taminy hoe: Tsy oloko ianareo, dia any no hanaovana aminy hoe: Zanak'Andriamanitra velona ianareo. » (Hosea 2:1) ary tsy hisy hahasakana izany « Koa raha mba homen'Andriamanitra azy ny fanomezana, tahaka antsika fony isika vao nino an'i Jesosy Kristy Tompo dia iza moa aho no hahasakana an'Andriamanitra? » (Asan'ny Apostoly 11:17) ny anajaranao dia ny midera « Ary rehefa nandre izany ireo, dia nangina sady nankalaza an'Andriamanitra ka nanao hoe: Efa nomen'Andriamanitra ny jentilisa koa ny fibebahana hahazoany fiainana. » (Asan'ny Apostoly 11:18) sy miara-miasa Aminy « Ary amindrao fo ny sasany izay miahanahana;ary ny sasany kosa sariho avy amin'ny afo no famonjy azy; ary ny sasany indray amindrao fo amin-tahotra, ka mankahalà na dia ny akanjo voapentimpentin'ny nofo aza. » (Joda 22-23) AOKA TSY HIFANARATSY FA MBA SAMY HAZOTO MIASA ARAK’IZAY TANDRIFY E ! MIARA-MIASA SOA AVOKOA MANTSY IRENY ! MAHEREZA.

IZAY MIANTSO NO HO VALIANA

Aza mihafahafa milaza @ Tompo hoe:AZA MANDAO AHY KRISTY O!
« ... Tompo ô, raha mahita fitia eto imasonao aho, masìna ianao, aza dia mandalo ny mpanomponao. » (Genesisy 18:3)
dia hamaly anao Izy hoe:"HAMONJY ANAO AHO"
« hamonjy anao amin'ny olona Isiraely sy ny jentilisa,... » (Asan'ny Apostoly 26:17a)
hahita ny fahalehibeazana ianao
« Dia hiseho ny voninahitr'i Jehovah, ary ny nofo rehetra hiara-mahita izany; Fa ny vavan'i Jehovah no efa niteny. » (Isaia 40:5)

SATRIA IANAO HAZOTO HIANTSO DIA HITOMBO KOA IZANY NY FAHAGAGANA HATAONY EO @ FIAINANAO OLONY !!!
MATOKIA !!!
MAHEREZA .

MANASITRANA NY MARARY @ FOMBANY KRISTY

Afaka miantso anjely tsy latsaky ny 12 legiona (~70000) Kristy ao anatinao mba hiaro anao
« Ary ataonao va fa tsy mahazo mangataka amin'ny Raiko Aho, dia haniraka anjely tsy omby roa ambin'ny folo legiona ho ety amiko Izy ankehitriny? » (Matio 26:53)
te-hitsabo
« Jehovah hanohana azy eo ambonin'ny farafara hitsaboana azy. Ny fandriany rehetra eo am-paharariany dia hovanao. » (Salamo 41:3)
sy hahasambatra anao no tanjony
« Jehovah hitandrina sy hiaro azy tsy ho faty; hatao ho sambatra ambonin'ny tany izy, ary tsy mba hatolotrao amin'ny sitrapon'ny fahavalony. » (Salamo 41:2)
NY DIAKAPOKA TAMINY NO HANASITRANANY ANAO !!!
MINOA !!!
MAHEREZA .

HAMITA IRAKA NO ANTONY HIVELOMANAO OLON’I KRISTY

Mety hanontany ianao hoe toa mitady hanjakazaka ireo fahavalo
« Mandra-pahoviana, Andriamanitra ô, no hanaratsian'ny mpandrafy? Hanamavo ny anaranao mandrakizay va ny fahavalo? » (Salamo 74:10)
nefa AZA KIVY!fikiro Kristy
« Fa, izaho, dia ny ho akaikin'Andriamanitra no mahatsara ahy; Hianao, Jehovah Tompo ô, no nataoko aroko, mba hilaza ny asanao rehetra aho. » (Salamo 73:28)
ary tsy maintsy hahavita mission ianao
« Fa nisy anjelin'Andriamanitra, Izay Tompoko sady tompoiko, nitsangana teo anilako halina ka nanao hoe: Aza matahotra, ry Paoly; fa tsy maintsy hitsangana eo anatrehan'i Kaisara ianao; ary, indro, efa nomen'Andriamanitra anao ny olona rehetra izay miaraka aminao. » (Asan'ny Apostoly 27:23-24)

TOHIZO NY ASA NIANTSOANA ANAO,ARY MATOKIA FA KRISTY TSY MAINTSY HIARO SY HIAHY ANAO!MAHEREZA.

FANATITRA HO AN’I KRISTY NY FIJOROANAO OLONY HO VAVOLOMBELONY

Lasa fanatitra atolotrao ho an'i Kristy ny fanononanao lalandava fa avy Aminy no naha toy izao anao
« Koa aoka isika hanatitra ny fanati-piderana amin'ny alalany ho an'Andriamanitra mandrakariva, dia ny vokatry ny molotra izay manaiky ny anarany. » (Hebreo 13:15)
ankasitrahany koa ny finiavanao miantra
« Fa aza manadino hanao soa sy hiantra; fa fanatitra toy izany no sitrak'Andriamanitra. » (Hebreo 13:16)

ANKALAZO HATRANY ARY FA KRISTY NO MPANJAKANAO E!
MAHEREZA.

MIVONONA HO MPANOMPO TIA FIHAVANANA

Mila fahavononana ny fanahinao olon'i Kristy mba hahatonga anao ho tena tia fihavanana
« ary kiraroy ny fahavononam-panahy avy amin'ny filazantsaran'ny fihavanana ny tongotrareo; » (Efesiana 6:15)
katsaho izany dia hamindra fo anao @ fomba mahagaga Izy
« Hositraniko ny fiodinany, ho tia azy tsy vozonana Aho; Fa efa niala taminy ny fahatezerako. » (Hosea 14:5)

SAHIA MILAZA HOE:”HITONY HATRANY AHO EO ANATREHAN’NY ADY SAROTRA SATRIA MANANA ANAO KRISTY O!!! SADY TSY HANANA LONILONY @ HAFA!!!”
MAHEREZA.

TSY IRERY IANAO OLON’I KRITY

Miara mamaha ny sakana rehetra eo @ fiainanao olon'i Kristy ny tontolon'ny lanitra
« Lazaiko aminareo marina tokoa: Na inona na inona fehezinareo ety ambonin'ny tany dia hofehezina any an-danitra; ary na inona na inona vahanareo ety ambonin'ny tany dia hovahana any an-danitra. » (Matio 18:18)
MIFALIA satria betsaka ny IMPOSSIBLE ho lasa POSSIBLE
« Mihobia, ry momba, ianao izay tsy niteraka, eny, velomy ny hoby, ka manandrata feo, ianao izay tsy mba nihetsi-jaza; fa ny zanaky ny mpitondra tena dia maro noho ny zanaky ny manambady, hoy Jehovah. » (Isaia 54:1)
MINOA!
MITRAKA ARY MAHEREZA HATRANY FA TSY MAINTSY HO TAFITA IANAO!!!!

HO VOATAHY IANAO SATRIA NATOKY SY NIDERA AN’ILAY ANDRIAMANITRAO FOANA

Derao ny Tompo satria nahita ary mbola hahita soa manokana avy Aminy ianao
« Ary ny mpiandry ondry niverina nankalaza ny nidera an'Andriamanitra noho ny zavatra rehetra izay reny ny hitany, araka izay nolazaina taminy. » (Lioka 2:20)
eny manome toky anao Izy fa hanana hoavy mamirapiratra ianao
« Fa Jehovah Andriamanitrao efa hampiditra anao any amin'ny tany soa, dia tany misy renirano sy loharano ary rano lalina eny amin'ny lohasaha sy ny tendrombohitra,tany misy vary tritika sy vary hordea sy voaloboka sy aviavy ary ampongaben-danitra, tany misy hazo oliva sy tantely,tany izay hihinananao hanina amin'ny fanaranam-po, sady tsy hanan-java-mahory akory eo ianao, tany misy vy ny vato ao aminy, ary ao amin'ny tendrombohiny no hihadianao varahina. » (Deotoronomia 8:7-9)
MATOKIA DIA MIFALIA ARY ATAOVY MIAIKY NY FINOANAO IZANY KRISTY E!!!

AMPIASAO NY HERIN’I KRISTY AO ANATINAO OLONY

Rehefa manana ny herin'Andriamanitra dia manana ny toem-panahy araka ny sitrapony
« Efa nomen'ny herin'Andriamanitra ho antsika ny zavatra rehetra momba ny fiainana sy ny toe-panahy araka an'Andriamanitra amin'ny fahalalana Ilay niantso antsika tamin'ny voninahiny sy ny fahatsarany » (2 Petera 1:3)
ary tsy mahatombona fa te-hampitombo sy hanaparitaka izany
« Fa raha anananareo izany zavatra izany, sady anananareo betsaka, dia tsy avelan'izany ho malaina na tsy hahavokatra ianareo amin'ny fahalalana tsara an'i Jesosy Kristy Tompontsika. » (2 Petera 1:8)

MAHEREZA MIZARA NY ” TRESOR” TSY METY RITRA AO ANATINAO E!!!

MPIAMBINA MITONDRA FITAHIANA HO AN’NY JEROSALEMANAO IANAO OLON’I KRISTY

Tahaka ny levita ianao ho vavolombelon'ny fahamasinan'i Kristy eo anatrehan'ny jerosalemanao
« Fa ny Levita kosa hitoby manodidina ny tabernakelin'ny Vavolombelona, mba tsy hisy fahatezerana hahatratra ny fiangonan'ny Zanak'Isiraely; ary ny Levita hitandrina ny anjara raharaha momba ny tabernakelin'ny Vavolombelona. » (Nomery 1:53)
ka hitondra fitahiana sy fiainana ho an'ny tanàna
« Fa ny mofon'Andriamanitra dia Ilay midina avy any an-danitra ka manome fiainana ho an'izao tontolo izao. » (Jaona 6:33)

TSY HO ELA NY FIFOAHAZAM-PANAHY EO AN-TANANANAO SATRIA MANAJA IZANY HOSOTRA MASINA IZANY HATRANY IANAO !
MAHEREZA.

HERIM-PANAHY MAHAGAGA NO AO ANATINAO MPAKATO AN’I KRISTY

Tsy ambinina izay mandika ny didin'ny Tompo
« Dia hoy Mosesy: Nahoana no mandika ny didin'i Jehovah ianareo? fa tsy hambinina izany. » (Nomery 14:41)
izay makato ny Teniny kosa dia hahazo herim-panahy mahatalanjona
« Ary nisy fanahy nanainga ahy ka nitondra ahy, dia lasa aho sady nirehitra tamin'ny fahavontosan'ny fanahiko; ary ny tànan'i Jehovah dia nahery tao amiko. » (Ezekiela 3:14)
satria hiteny aminy Kristy
« Ary hoy Izy tamiko: Ry zanak'olona, ny teny rehetra izay holazaiko aminao dia aoka ho mamin'ny fonao*, ka henoy amin'ny sofinao.[Heb. raiso amin'ny fonao] » (Ezekiela 3:10)
AMPIASAO IZANY DIA HO TAFITA LAVITRA AO @ FANJAKANY DIENY ETY AN-TANY IANAO!!!
MATOKIA!!!
MAHEREZA.

TSAROVY FA FONENAN’I KRISTY NY FONAO OLONY

Mitrakà!manorena fonenana ho an'i Kristy ao am-ponao
« Koa ankehitriny ampitadiavo an'i Jehovah Andriamanitrareo ny fonareo sy ny fanahinareo, ka mitsangàna, ary manaova ny fitoerana masina ho an'i Jehovah Andriamanitra, hampidirana ny fiaran'ny faneken'i Jehovah sy ny fanaka masin'Andriamanitra ho ao amin'ny trano izay hatao ho an'ny anaran'i Jehovah. » (1 Tantara 22:19)
dia ho azo antoka fa hirotsaka aminao ny fanahiny
« Ary raha vao niteny aho, dia nilatsaka taminy ny Fanahy Masina tahaka ny tamintsika fahiny. » (Asan'ny Apostoly 11:15)
ary tsy hisy hahasakana izany
« Koa raha mba homen'Andriamanitra azy ny fanomezana, tahaka antsika fony isika vao nino an'i Jesosy Kristy Tompo dia iza moa aho no hahasakana an'Andriamanitra? » (Asan'ny Apostoly 11:17)

MINO AHO FA HO TAMANA AO ANATINAO MANDRAKIZAY IZY!!!
MAHEREZA.

HOY NY TOMPO AMINAO OLONY :”TSO-DRANO MAFONJA NO ATOLOTRO ANAO!”

Tso-drano ho anao olon'i Kristy
« Ny tso-dranon'ny rainao dia mihoatra noho ny havoana mandrakizay sy ny zavatra mahafinaritra amin'ny tendrombohitra fahagola;... » (Genesisy 49:26a)
ho sampana mahavokatra ianao
« JOSEFA dia sampana mahavokatra, eny, sampana mahavokatra eo anilan-doharano; ny rantsany mananika mihoatra ny fefy. » (Genesisy 49:22)
na be mpanenjika aza
« Nampahory azy ny mpitifitra, dia nitifitra azy sy nanenjika azy; » (Genesisy 49:23)
AZA KIVY satria manana MPIAHY AZO ANTOKA
« Kanefa mateza hery ny tsipìkany, ary mailamailaka ny sandrin-tànany, avy amin'ny tànan'Ilay Maherin'i Jakoba, dia avy ao amin'ny Mpiandry, Izay Vatolampin'ny Isiraely,Avy amin'ny Andriamanitry ny rainao, ka Izy hamonjy anao avy amin'ny Tsitoha, ka Izy hitahy anao: Dia fitahiana avy amin'ny lanitra any ambony, sy fitahiana avy amin'ny lalina, izay mamitsaka any ambany, ary fitahiana avy amin'ny nono sy ny kibo. » (Genesisy 49:24-25)

RAISO DIA IAINO AVY HATRANY DIA HO MIRAMIRAN-DAVA NY FIAINANAO NA HO MORA NA HO SAROTRA!!
MAHEREZA.

MAZAVA NY AO AM-PONAO OLON’I KRISTY SATRIA EFA RESINY NY FAHAFATESANA

Ry Jeso masoandronay o,ny aizin'ny fo lasa tokoa,fa tonga aty anatinay izao,mazava lehibe,eny Jeso zoky be fitia,soa lehibe no nentinao taty,

TRATRY NY PASKA!!
MIFALIA MIHOBIA!!

ATAHORAN’NY FANAHY RATSY NY TENY ALOAKY NY VAVANAO OLON’I KRISTY

Misy fahefana ny teninao Lio4:32b,ary hiala sady hiaiky ny herin'ny Fanahin'i Kristy ao anatinao ny demonia maro saika hananontanona ny Jerosalemanao
« Ary nisy demonia nivoaka tamin'ny maro ka niantso hoe: Hianao no Zanak'Andriamanitra. ...» (Lioka 4:41)

EFA RESY NY FANJAKAN’NY SATANA FA MANDRAVA NO SISA ATAO!!!AMPIASAO FA FAHEFANA EFA AO ANATINAO IZANY!!!
SAHIA!!!
MAHEREZA.

MPAMOKATRA HO AN’ANDRIAMANITRA IANAO OLON’I KRISTY

Olon'i Kristy ianao:tsy miatehitra @ nofo
« Fa fony tao amin'ny nofo isika, dia ny filan'ny ota, izay nohetsehin'ny lalàna, no niasa tao amin'ny momba ny tenantsika hahavokatra ho amin'ny fahafatesana. » (Romana 7:5)
fa @ fanahy ka lasa fitaovam-pamokaran'Andriamanitra
« Ary amin'izany ianareo koa, ry rahalahiko, dia efa natao maty ny amin'ny lalàna noho ny tenan'i Kristy, mba ho vadin'ny hafa ianareo, dia Izay natsangana tamin'ny maty, mba hahavokarantsika ho an'Andriamanitra. » (Romana 7:4)
sady manana antoka ny fiainana mandrakizay
« Fa ankehitriny, rehefa natao afaka tamin'ny ota ianareo ka efa tonga mpanompon'Andriamanitra, dia manana ny vokatrareo ho amin'ny fahamasinana, ary ny farany dia fiainana mandrakizay. » (Romana 6:22)
FAMANTARANA IRAY @ MAHA OLOM-BAOVAO ANAO IZANY!!!
MAHEREZA MANOMPO E!

FOTOANA AMPIADANAN’ANDRIAMANITRA HO AN’IZAY OLONY TSY MANAM-PANAHIANA IZAO

Fotoana nomen'ny Tompo anao izao
« Ny zavatra rehetra samy manana ny fotoany avy, ary samy manana ny androny avy ny raharaha rehetra aty ambanin'ny lanitra » (Mpitoriteny 3:1)
mba ahafahanao midera Azy sy ampiadanany anao olona ankasitrahany
« Voninahitra any amin'ny avo Indrindra ho an'Andriamanitra! Ary fiadanana ho ety ambonin'ny tany amin'ny olona ankasitrahany*. » (Lioka 2:14)
satria nanaiky ho tany tsara itoerany
« Ary ireto no ilay voafafy teny amin'ny tany tsara, dia izay mandre ny teny ka mandray azy dia mamoa: ny sasany avy telo-polo heny, ny sasany avy enim-polo heny, ary ny sasany avy zato heny. » (Marka 4:20)

’NDAO HIFANDROMBAKA HILAZA HOE:”IZAHO IZANY KRISTY O!!!MATOKY ANAO AHO”
MAHEREZA.

IZAY MANAO NY SITRAPON’ANDRIAMANITRA DIA FIANAKAVIANY

Tsy manavaka Kristy fa izay rehetra manao ny sitrapon'ny Rainy dia fianakaviany avokoa
« Fa na iza na iza no hanao ny sitrapon'ny Raiko Izay any an-danitra, dia izy no rahalahiko sy anabaviko ary reniko. » (Matio 12:50)
Porofoy isan'andro fa isan'izany ianao!mamoaza voa tsara
« Koa ataovy tsara ny hazo mbamin'ny voany, na ataovy ratsy ny hazo mbamin'ny voany; fa ny voany no ahafantarana ny hazo. » (Matio 12:33)

MINO AHO FA ISANY IANAO ARY HO ISANY MANDRAKIZAY.
MAHEREZA.

HAMPITSIMBADIKA NY FIAINANAO NY FINOANAO NY PASKA

Hihaino anao ny Tompo
« Ary amin'izany andro izany dia hihaino Aho, hoy Jehovah, eny, hihainoa ny lanitra Aho, ary izy kosa hihaino ny tany; » (Hosea 2:23)
ary handray fitahiana ny jerosalemanao
« Ary ny tany kosa hihaino ny vary sy ny ranom-boaloboka ary ny diloilo;.. » (Hosea 2:24a)
satria tsapan'i Kristy fa nomenao lanja eo @ fiainanao ny PASKA.
AZY ianao

« Dia hafafiko ho Ahy amin'ny tany izy; Ary hamindra fo amin'i Lò-rohama* Aho sady hanao amin'i Lò-amy hoe: Oloko ianao; Ary izy kosa hanao hoe: Andriamanitro Hianao.[Izahao i. 6] » (Hosea 2:25)
RESY NY FAHAFATESANA!!!
RESY NY FISALASALANA!!!
SAHIA MIROSO MANAGANA FANAMBY VAOVAO MIARAKA @ KRISTY!!!
MAHEREZA.

MIOMANA HANDRAY PASKA FANDRESENA

Ho avy ny Paska,mihomana handray famonjena
« Ary holazaina amin'izany andro izany hoe: Indro Andriamanitsika, izay nandrasantsika hamonjy antsika; Indro Jehovah, Izay nandrasan-tsika, koa dia aoka ho faly sy ho ravoravo amin'ny famonjeny isika. » (Isaia 25:9)
sy hanatrika faharesen'ny ratsy ao @ jerosalemanao
« Fa hipetraka amin'ity tendrombohitra ity ny tànan'i Jehovah, ary Moaba hohosihosena ao amin'izay itoerany, dia tahaka ny fanosihosena ny mololo miavosa amin'ny rano ao am-pahitra; » (Isaia 25:10)
satria ianao natoky an'i KRISTY foana
« Ny saina tsy miovaova dia harovanao ao amin'ny fiadanana tanteraka, satria matoky Anao izy. » (Isaia 26:3)
MATOKIA DIA MIFALIA RY OLON’I KRISTY!!!

IRAHINA HITONDRA FANOVANA MAHAGAGA IANAO OLON’I KRISTY

Hoy ny Tompo aminao olony:Tsy hitondra fanovana ho an'ny manodidina fotsiny ianao fa ho fahazavana hatrany @ faran'ny tany
« Eny, hoy Izy: Mbola zavatra kely foana, raha tonga Mpanompoko hanandratra ny firenen'i Jakoba Hianao sy hampody ny Isiraely sisa voaro; Fa homeko ho fanazavana ny jentilisa koa Hianao, mba ho famonjeko hatrany amin'ny faran'ny tany. » (Isaia 49:6)
hanarina izay efa rava
« Izao no lazain'i Jehovah: Tamin'ny taona fankasitrahana no nihainoako Anao. Ary tamin'ny andro famonjena no namonjeko Anao; Dia hiaro Anao Aho ka hanome Anao ho fanekena ho an'ny olona, mba hanangana ny tany indray sy hampandova ny lova izay efa rava » (Isaia 49:8)

SAHIA MILAZA HOE: “VITAKO IZANY KRISTY O!!!SATRIA IANAO ATO ANATIKO NO MANATANTERAKA AZY!!!”.
MAHEREZA.