"Mifankazara amin'ny Tsitoha ianao,dia hiadana;izany no hahatongavan'ny soa aminao"(Joba 22:21)

HIARO ANAO EO ANOLOAN'NY FAHAVALO KRISTY SATRIA NANKATO NY TENINY IANAO

Na dia maro aza ireo mandatsa anao
« Hianao no mahalala, Jehovah ô; Tsarovy aho, ka vangio, ary valio izay manenjika ahy; Aza dia mandefitra aminy Hianao, fandrao ho afaka ny aiko; Aoka ho fantatrao fa noho ny aminao no nitondrako latsa. » (Jeremia 15:15)
ataovy tahaka ny sakafom-pifaliana foana ny tenin'Andriamanitra
« Hitako ny teninao ka nohaniko, ary ny teninao no fifaliako sy firavoravoan'ny foko; Fa nantsoina tamin'ny anaranao aho, Jehovah, Andriamanitry ny maro ô. » (Jeremia 15:16)
dia ho voatahy manokana ianao
« Koa izao no lazain'i Jehovah: Raha hiverina ianao, dia horaisiko indray*, ka dia hitsangana eo anatrehako ianao; Ary raha manavaka ny zava-tsoa hiala amin'ny zava-poana ianao, dia ho solom-bavako; Hanatona anao indray ireny; Fa tsy ianao no hanatona azy,Ary hataoko manda varahina mirova ho amin'ity firenena ity ianao: Hiady aminao izy, nefa tsy hahaleo anao; Fa momba anao hamonjy sy hanafaka anao Aho, hoy Jehovah;Ary hanafaka anao amin'ny tanan'ny ity ratsy fanahy Aho sy hanavotra anao amin'ny tanan'ny mpampahory. » (Jeremia 15:19-21)
AZA MANAHY NA MAFY AZA NY FISEDRANA FA HOMBA ANAO IZY!!!
MATOKIA.
MAHEREZA.

MIANTSO ANAO OLONY MBOLA HANOHY NY FIFONANA KRISTY

Ny fahotana nataon'ny taranaka teo aloha dia misy fiatraikany @ fiainana ankehitriny
« Nanota ny razanay tsy ety intsony izy; Ary izahay no mivesatra ny helony. » (Fitomaniana 5:7)
'ndao hitalaho @ Tompo ka tsy amelana raha tsy voavela isika
« Jehovah ô, ampivereno aminao izahay, mba hiverenanay; Havaozy ho toy ny fahiny ny andronay. » (Fitomaniana 5:21)
TIANY HANEHO FAHATOKIANA AZY HATRAMIN'NY FARANY ISIKA!!!
TSY MAINTSY HANDRESY IZY E!!!
MAHEREZA.

NY FANEKENA AMIN'NY FO NATAONAO FA AN'I KRISTY IANAO DIA AMPY HIATREHANA NY ANTSO IZAY NATOLONY ANAO

Tsy mijery ny lasanao ny Tompo fa rehefa manaiky @ fonao fa voatendry ho mpanompony ianao dia mety
« Dia namaly Amosa ka nanao tamin'i Amazia hoe: Tsy mba mpaminany aho, na zanaka ny mpaminany; fa mpiandry ondry sy mpioty aviavy ihany aho,saingy nalain'i Jehovah tany ampiandrasana ondry ka nataony hoe: Mandehana, ka maminania amin'ny Isiraely oloko. » (Amosa 7:15)
fikiro ary ilay fahazavana natolony anao
« Raha mbola manana ny mazava ianareo, dia minoa ny mazava, mba ho tonga zanaky ny mazava.... » (Jaona 12:36a)
HANOVA TANTARA IANAO SATRIA NANAIKY HANANA TOE-PO TAHAKA NY ZAZA!!!
MINOA!!!
MAHEREZA.


VONONA NY HANAPOROFO NY FAHATOKISANAO AZY KRISTY

Ry Kristiana,sahia manda tsy hanompo tompo hafa afatsy Kristy
« Ary na dia tsy izany aza, aoka ho fantatrao, ry mpanjaka ô, fa ny andriamanitrao dia tsy hotompoinay, ary ny sariolona volamena efa natsanganao dia tsy hivavahanay. » (Daniela 3:18)
dia hanaporofo ny vokatry ny finoanao Izy
« Dia talanjona Nebokadnezara mpanjaka ary nitsangana faingana izy ka niteny tamin'ny mpanolo- tsainy hoe: Moa tsy telo lahy mifatotra va no natsipintsika tao anatin'ny afo? Dia namaly ny mpanjaka ireo ka nanao hoe: Marina izany, ry mpanjaka ô.Ary hoy izy: Ka no indro aho mahita efa-dahy tsy mifatotra, mandehandeha eo anaty afo, nefa tsy maninona tsy maninona akory izy; ary ny fijery ilay fahefatra dia toa zanak'ireo andriamanitra. » (Daniela 3:24-25)
ka lasa ho toa anao ny hafa
« Ka dia manao lalàna aho fa ny fokom-pirenena sy ny firenena sy ny samy hafa fiteny rehetra izay manao teny tsy mety ny amin'Andriamanitr'i Sadraka sy Mesaka sy Abednego dia hotetitetehina, ary hatao trano fivoahana ny tranony; fa tsy misy andriamani-kafa mahavonjy tahaka izao. » (Daniela 3:29)
HITOMBO HAINGANA LAVITRA IREO OLONA VOAVONJY NOHO IZANY FIJOROANAO IZANY!!!
MINOA!!!
MAHEREZA.

HANAO FAHAGAGANA HO ANAO IZAY NANAJA AZY KRISTY RAHAMPITSO

Manamasina ny tenanao fa hanao fahagagana ho anao ny Tompo rahampitso
« Ary hoy Josoa tamin'ny olona: Manamasina ny tenanareo: fa rahampitso dia hanao fahagagana eo aminareo Jehovah. » (Josoa 3:5)
hahatsikaritra izany ny hafa ka hiaiky fa velona Kristy izay itokianao
« Fa nataon'i Jehovah Andriamanitrareo maina ny falehan'ny rano Jordana teo anoloanareo mandra-pitanareo, dia tahaka ny nataon'i Jehovah Andriamanitrareo tamin'ny Ranomasina Mena, izay nataony maina teo anoloantsika mandra-pitantsika,mba ho fantatry ny firenena rehetra ambonin'ny tany fa mahery ny tànan'i Jehovah, ary mba hatahorany an'i Jehovah Andriamanitrareo mandrakizay. » (Josoa 4:23-24)
MINOA FA NATAO HO ANAO NY TENY FAMINANIANA!!!
MAHEREZA.



AZA AMELANA RAHA TSY MIVERINA AMIN'ANDRIAMANITRA NY JERESALEMANAO

Midongia @ Tompo ary aza amelana raha tsy hamirapiratra eo anoloanao ny Tavany
« Andriamanitra ô, ampodio izahay, ka ampamirapirato ny Tavanao, ary aoka hovonjena izahay. » (Salamo 80:3)
hivaly izany ka lasa ho tamana hifikitra Aminy ianao
« Aoka ny tananao ho amin'ny lehilahin'ny tananao ankavanana, dia amin'ny zanak'olombelona izay nampaherezinao ho Anao.Dia tsy hihemotra hiala aminao izahay; velomy izahay, dia hiantso ny anaranao. » (Salamo 80:17-18)
FITAKIANA MAHASOA IZANY,NOHO IZANY TSY MAINTSY HO TANTERAKA!!!
MINOA.


TSY NY ANARANA MAHA-KRISTIANA NO MAHAVONJY FA NY FANKATOAVANA SY NY FANAJANA AN'I KRISTY

Na efa Kristiana aza ianao nefa tsy manaja an'i Kristy dia ho faiziny ihany
« Sabatra no hamonoana ny mpanota rehetra amin'ny oloko, dia ireo izay manao hoe: Ny loza tsy hanakaiky na hahatratra anay. » (Amosa 9:10)
Izay mankato kosa dia tena hambinina sy ho voatahy mandrakizay
« Amin'izany andro izany dia hatsangako indray ny trano-bongon'i Davida izay efa nianjera, ary hotampenako ny efa banga ao; Ary hamboariko izay efa rava aminy, ka hataoko tahaka ny taloha izy,Mba hananany izay sisa amin'i Edoma sy amin'ny jentilisa rehetra, izay hantsoina amin'ny anarako, hoy Jehovah, Izay manao izany.Indro, avy ny andro, hoy Jehovah, Izay hahatraran'ny mpiasa tany ny mpijinja, ary ny mpanosihosy voaloboka hahatratra ny mpamafy; Ny tendrombohitra hipoipoitra ranom-boaloboka, ary ny havoana rehetra hiempo.Ary hampodiko ny Isiraely avy amin'ny fahababoana, dia hanangana ny tanàna efa rava izy ka honina ao, ary hanao tanim-boaloboka izy ka hisotro ny divay avy aminy; Hanao saha koa izy ka hihinana ny vokatra.Eny, hamboleko ao amin'ny taniny izy, ka tsy hongotana amin'ny taniny izay nomeko azy intsony izy, Hoy Jehovah Andriamanitrao. » (Amosa 9:11-15)
'NDAO ARY ISIKA HIFAMPIVAVAKA MBA HAHAFOANA NY FANAHIN'NY TSY FANKATOAVANA !!!!
MBOLA TSY TARA IZAO!!!
MATOKIA.


TIAN'I KRISTY HANANA TOE-TSAIN'NY OLOM-PANDRESY ALOHA IANAO OLONY IZAY VAO MIATRIKA FITSAPANA

Aza manahy na miseho ho matanjaka aza ireo mpanenjika anao olon'i Kristy
« Koa izao no lazain'i Jehovah, Tompon'ny maro: Ry oloko, izay monina any Ziona, Aza matahotra ny Asyriana, raha mamely anao amin'ny tsorakazo izy ary manainga ny tehina aminao, tahaka ny fanao tany Egypta; » (Isaia 10:24)
mijoroa fa fahavalo efa resy ireo ary haringan'ny Tompo @ fombany
« Fa rehefa afaka vetivety, dia hitsahatra ny fahavinirana, ary ny fahatezerako dia handringana azy kosa. » (Isaia 10:25)
MINOA ARY ALAVIRO NY FAHAKIVIANA E!!!
TSY MAINTSY HOMBA ANAO IZY!!!
MAHEREZA.





MENDRIKA HANDRAY HOSOTRA MAHERIN'I KRISTY IANAO OLONY IZAY MAHATOKY AZY

N'inona n'inona mitranga matokisa foana an'i Tompo fa hazavainy aminao ny antony aty aoriana
« Ary fantatsika fa ny zavatra rehetra dia miara-miasa hahasoa izay tia an'Andriamanitra, dia izay voantso araka ny fikasany rahateo. » (Romana 8:28)
minoa dia ho lasa iraka maherin'i Kristy ianao
« Izay mihaino anareo dia mihaino Ahy; ary izay mandà anareo dia mandà Ahy; ary izay mandà Ahy dia mandà Izay naniraka Ahy.Ary ny fito-polo lahy niverina tamin'ny fifaliana ka nanao hoe: Tompo ô, na dia ny demonia aza dia manaiky anay noho ny anaranao.Fa hoy Jesosy taminy: Izaho nahita an'i Satana latsaka avy tany an-danitra tahaka ny varatra.Indro, efa nomeko fahefana hanitsaka menarana sy maingoka sy handresy ny hery rehetra ananan'ny fahavalo ianareo, ka tsy hisy hampaninona anareo akory.Kanefa aza mifaly ianareo, satria manaiky anareo ny fanahy; fa mifalia, satria voasoratra any an-danitra ny anaranareo. » (Lioka 10:16-20)
HANOVA TANTARA IANAO SATRIA MANAIKY HOTARIHIN'NY FANAHY!!!
MAHEREZA.


MANANA SAKAFO MIAVAKA TSY TAPAKA IANAO ZANAK'ANDRIAMANITRA

Kristy dia sakafom-panahy
« ary izy rehetra nihinana ny fihinam-panahy iray ihany, » (1 Korintiana 10:3)
sy rano fisotrom-panahy ao anatinao
« ary izy rehetra nisotro ny fisotrom-panahy iray ihany; fa nisotro tamin'ny vatolampy fanahy izay nanaraka azy izy, ary Kristy izany vatolampy izany. » (1 Korintiana 10:4)
nataony izany hanamporofoiny fa afaka mamelona anao @ fombany Izy
« Tsy mofo no fihinanareo, ary tsy divay na toaka no fisotronareo, mba ho fantatrareo fa Izaho no Jehovah Andriamanitrareo. » (Deotoronomia 29:5)
MINOA DIA MAZOTOA HOMANA E!!!
TSY HO NOANA MANDRAKIZAY IANAO!!!
MAHEREZA.


LEHIBE EO ANATREHAN'ANDRIAMANITRA NY TSY FANKAHALANAO NA IZA NA IZA

Lehibe noho ny fanatitra aterina ho an'Andriamanitra ny fitiavan-drahalahy
« Ary amin'izany, raha mitondra ny fanatitrao ho eo amin'ny alitara ianao, ary eo no mahatsiaro fa ny rahalahinao manana alahelo aminao,dia avelao eo anoloan'ny alitara ny fanatitrao, ka mandehana aloha, ataovy izay hihavananao amin'ny rahalahinao, ary rehefa miverina, dia vao atero ny fanatitrao. » (Matio 5:23-24)
aza ankahalaina na dia ny fahavalonao aza fa hahita soa ianao
« Ary nony nahita azy ny mpanjakan'ny Isiraely, dia hoy izy tamin'i Elisa: Ry ikaky ô, hasiako va izy? Hasiako va izy? Fa izy namaly hoe: Aza asianao izy; moa asianao izay nobaboinao tamin'ny sabatrao sy ny tsipìkanao? Rosoy mofo sy rano eo anoloany mba hohaniny sy hosotroiny ary handehanany any amin'ny tompony.Dia nanao fanasana lehibe ho azy ny mpanjaka; ary rehefa nihinana sy nisotro ireo, dia nampandehaniny, ary dia nankany amin'ny tompony izy. Koa dia tsy nankany amin'ny tanin'ny Isiraely intsony ny mpitoha adin'i Syria. » (2 Mpanjaka 6:21-23)
MATOKIA FA HANOVA NY TOEM-PONAO TANTERAKA IZANY SADY HAMPITSIMBADIKA NY FIAINANAO HO ANY AMIN'NY FAHASAMBARANA!!!!
MINOA.


POROFOY AMIN'NY HAFA FA OLONA VOAVELA HELOKA IANAO

Satria navelan'Tompo heloka ianao dia hiteraka famaizana ho anao ny tsy famelanao ny hafa
« Dia nampanalain'ny tompony ralehilahy ka noteneniny hoe: Ry mpanompo ratsy fanahy, efa nafoiko ilay trosa rehetra taminao, satria nifona tamiko ianao;moa tsy tokony mba ho namindra fo tamin'ny mpanompo namanao koa va ianao tahaka ny namindrako fo taminao?Dia tezitra ny tompony ka nanolotra azy ho amin'ny mpampijaly mandra-pandoany ny trosa rehetra.Ary tahaka izany koa no hataon'ny Raiko Izay any an-danitra aminareo, raha tsy samy mamela ny rahalahinareo amin'ny fonareo avy ianareo. » (Matio 18:32-35)
hitondra fitahiana kosa raha mifanohitra @ izany
« Ary lazaiko aminareo koa: Raha misy roa aminareo mifanaiky ety ambonin'ny tany na amin'inona na amin'inona ka hangataka izany, dia ho azony avy amin'ny Raiko Izay any an-danitra izany. » (Matio 18:19)
HIFAMPIVAVAKA ISIKA MBA HO SAMY TENA HADIO AM-PO E!!!!
MAHEREZA.

AMPIASAO ILAY KRISTY MPAMPIHAVANA AO ANATINAO

Voahiraka mba hampihavana Kristy ao anatinao mba tsy hiharan'ny fahatezeran'Andriamanitra ny tanananao
« Indro, Izaho haniraka an'i Elia mpaminany ho aminareo, dieny tsy mbola tonga ny andron'i Jehovah, ilay lehibe sady mahatahotra;ary izay hampody ny fon'ny ray ho amin'ny zanaka, ary ny fon'ny zanaka ho amin'ny rainy, fandrao ho avy Aho hamely ny tany amin'ny fandringanana*.» (Malakia 3:23-24)
hiteraka fitahiana ho anao izany
« Dia nitenenany soa izy, ka ny seza fiandrianany dia nataony ambony noho ny seza fiandrianan'ireo mpanjaka namany tao Babylona.Ka dia novan'i Joiakina ny fitafiany fony izy mbola tao an-trano-maizina; ary nihinan-kanina teo anatrehany mandrakariva izy tamin'ny andro niainany rehetra.Ary ny hanina nohaniny dia hanina homena avy amin'ny mpanjakan'i Babylona, araka ny tokony ho anjarany isan'andro isan'andro tamin'ny andro rehetra niainany mandra-pahafatiny.» (Jeremia 52:32-34)
FANEHOAM-PITIAVANA HO AN'NY MANODIDINA ANAO KOA IZANY E!!!
MAHEREZA.



AZA ADINO FA MANGATAKA VAO OMENA

Tsy sasatra ny Tompo mampahatsiahy anao fa zonao ny mangataka Aminy na inona na inona
« Ary hoy izaho aminareo: Mangataha, dia homena ianareo; mitadiava, dia hahita ianareo; dondony, dia hovohana ianareo.Fa izay rehetra mangataka no mahazo; ary izay mitady no mahita; ary izay mandondòna no hovohana. » (Lioka 11:9-10)
ary azo antoka fa homeny anao izany raha mahasoa anao
« Koa raha ianareo, na dia ratsy aza, mahalala hanome zava-tsoa ho an'ny zanakareo, tsy mainka va ny Ray, Izay any an-danitra, no hanome ny Fanahy Masina ho an'izay mangataka aminy? » (Lioka 11:13)
MAIMAIMPOANA IZANY KA AZA ASIANA FETRA E!!!
HO HITANAO FA ANDRIAMANITRA FITIAVANA TOKOA IZY!!!
MATOKIA.



ANDRIAMANITRA MIHITSY NO MANOME ANTOKA FA HO TAHIANY IANAO SY NY TANANANAO OLONY

Nametraka ny tanananao Andriamanitra mba ho lasa tany vaovao hitahiana anao olony
« Fa ianareo kosa, ry tendrombohitry ny Isiraely, dia hisandrahaka sy hahavokatra ho an'ny Isiraely oloko; Fa efa antomotra ny hihavian'ireny.Fa, indro, hitodika ho aminareo Aho ka hanatrika anareo; Dia hasaina sy hofafazana ianareo;Ary hahamaro ny olona eny aminareo Aho, dia ny taranak'Isiraely rehetra rehetra, ary honenana ny tanàna, ka haorina indray ny efa rava;Dia hampitombo olona sy biby fiompy eny aminareo Aho, ka hitombo sy hiteraka ireo; Hametrahako mponina tahaka ny taloha any aminareo, ary hanisy soa anareo mihoatra noho ny tamin'ny niandohanareo Aho; Ka dia ho fantatrareo fa Izaho no Jehovah. » (Ezekiela 36:8-11)
Irahiny koa ianao hanonona fa efa Azy ireo mponina ao
« Dia hoy indray Izy tamiko: Maminania amin'ireto taolana ireto, ka ataovy aminy hoe: Ry taola-maina, mihainoa ny tenin'i Jehovah!Izao no lazain'i Jehovah Tompo amin'ireto taolana ireto: Indro, hasiako fofonaina ianareo ka ho velona;ary hasiako ozatra ianareo ka hampaniriko nofo; ary hosaronako hoditra ianareo; ary hasiako fofonaina ianareo ka ho velona; ka dia ho fantatrareo fa Izaho no Jehovah. » (Ezekiela 37:4-6)
MINOA ARY MAZOTOA HATRANY ARY MANOMPO AZY DIA HO HITANAO NY VONINAHINY!!!
MAHEREZA.




MATOA VOASORATRA DIA TSY MAINTSY HO TANTERAKA NY TENY FIKASANA HO ANAO KRISTIANA MPANKATO


Tsy maintsy ho tanteraka izay voasoratra
« Fa lazaiko aminareo marina tokoa: Mandra-pahafoan'ny lanitra sy ny tany, dia tsy hisy ho foana akory amin'ny lalàna, na dia litera* iray na tendron-tsoratra iray aza, mandra-pahatanterak'izy rehetra.» (Matio 5:18)
noho izany ho tanteraka aminao olon'i Kristy ny hoe:"Ho sambatra sy ho voatahy, manokana ianao."
« Ary ny amin'i ASERA dia hoy izy: Aoka hotahina mihoatra noho ny zaza maro Asera, Ary hankasitrahana mihoatra noho ny rahalahiny izy Ka hanoboka ny tongony amin'ny diloilo.Ho vy sy varahina ny hidinao; Ary hifamatra amin'ny andronao ny fiadananao.Ry Jesorona, tsy misy tahaka an'Andriamanitra, Izay mitaingina ny lanitra hamonjy anao, Sady mandia ny rahona amin'ny voninahiny.Ny Andriamanitra hatrizay hatrizay no fonenana, Ary ny sandry mandrakizay no eto ambany. Mandroaka ny fahavalo eo anoloanao Izy Ka manao hoe: Aringano.Ary mandry fahizay Isiraely, Mitokana irery ny loharanon'i Jakoba Ao amin'ny tany be vary sy ranom-boaloboka, Eny, mampilatsaka ando ny lanitra eo amboniny.Sambatra ianao, ry Isiraely; Iza no tahaka anao, ry olona voavonjin'i Jehovah, Ampingan'ny famonjena anao sy sabatry ny voninahitrao! Hikoy anao ny fahavalonao. Ary ianao handia ny fitoerany avo. » (Deotoronomia 33:24-29)
MINOA!!!
MIHOATRA NOHO IZANY AZA,ATAOVY TAHAKA NY EFA NANDRAY IANAO!!!!
MAHEREZA.

MENDRIKA ANAO KRISTIANA MPANKATO NY TENIN'ANDRIAMANITRA NY MIAINA AO @ FANJAKANY DIENY ETY AN-TANY

Avelan'Andriamanitra ahalala an'ireo zava-miafina ao @ fanjakany ianao
« Ary namaly Izy ka nanao taminy hoe: Satria ianareo no navela* hahalala ny zava-miafina ny amin'ny fanjakan'ny lanitra, fa ireny kosa tsy mba navela.Fa izay manana no homena, ka hanana be dia be izy; ... » (Matio 13:11-12a)
ary ho sambatra satria mpankato ny Teniny fa tsy mpihaino fotsiny
« Fa sambatra ny masonareo, fa mahita, ary ny sofinareo, fa mandre. » (Matio 13:16)
TRANDRAHO TSY MIATO ARY IZANY E!!!
MAHEREZA.




HO VONINAHITR'ANDRIAMANITRA IRERY IHANY NO ANTOM-PAHAVELOMANAO KRISTIANA


Hentitra ny Tompo hoe Izy ihany no tokony hotompointsika
« Aza manana andriamani-kafa, fa Izaho ihany. » (Eksodosy 20:3)
ary mila manao ny asany am-panetre-tena isika izany hoe tsy mitady voninahitra
« Izay miteny ho azy dia mitady ny voninahitry ny tenany; fa izay mitady ny voninahitr'izay naniraka azy no marina, ary tsy misy tsi-fahamarinana ao aminy. » (Jaona 7:18)

HITERAKA FITOMBOANA ARA-PANAHY TSY MIATO AO ANATINAO IZANY!!!
MATOKIA.
MAHEREZA.



HO MORA AMINAO KRISTIANA IZAY TIA NY OLONA REHETRA NY HIHIDITRA AO @ FANJAKAN'NY LANITRA

'Ndao samy hiezaka ho tia ny olona rehetra
« koa noho izany dia manaova izay zotom-po rehetra kosa ianareo, ka amin'ny finoanareo dia manehoa fahatanjahan-tsaina, ary amin'ny fahatanjahan-tsainareo dia fahalalana,ary amin'ny fahalalanareo dia fahononam-po, ary amin'ny fahononam-ponareo dia faharetana, ary amin'ny faharetanareo dia toe-panahy araka an'Andriamanitra,ary amin'ny toe-panahinareo araka an'Andriamanitra dia fitiavana ny rahalahy, ary amin'ny fitiavanareo ny rahalahy dia fitiavana ny olona rehetra. » (2 Petera 1:5-7)
dia tsy ho tafintohina mandrakizay
« Ary amin'izany dia mazotoa kokoa, ry rahalahy, hampitoetra ny fiantsoana sy ny fifidianana anareo; fa raha manao izany zavatra izany ianareo, dia tsy ho tafintohina akory mandrakizay; » (2 Petera 1:10)
sady hiditra malalaka ao @ fanjakan'ny lanitra
« fa toy izany no hanomezana malalaka ho anareo ny fidirana ho any amin'ny fanjakana mandrakizay, izay an'i Jesosy Kristy, Tompontsika sy Mpamonjy antsika. » (2 Petera 1:11)
VELONA I KRISTY MPAMPIHAVANA AO ANATINAO!!!
MATOKIA.


HIAIKY AMIN'NY MAHA-KRISTIANA ANAO NY MPANAPAKA

Manana tanjona ny Tompo hoe hiaiky ny mpanapaka fa mahery Kristy izay tompoinao
« Tamin'izany Dariosa mpanjaka dia nanoratra ho amin'ny fokom-pirenena sy ny firenena sy ny samy hafa fiteny rehetra izay monina ambonin'ny tany rehetra hoe: Hitombo anie ny fiadananareo.Manao lalàna aho mba hangovitan'ny olona sy hatahorany eo anatrehan'Andriamanitr'i Daniela eran'ny fanjakako rehetra; fa Izy no Andriamanitra velona sady maharitra mandrakizay; ny fanjakany haharitra hatramin'ny farany.Izy no mamonjy sy manafaka ary manao famantarana sy fahagagana any an-danitra sy ety an-tany, ary Izy no namonjy an'i Daniela ho afaka tamin'ny herin'ny liona. » (Daniela 6:26-28)
noho izany aoka isika tsy iray tsikombakomba @ tsy marina
« Ary araka ny nanaovany ny fahalalana marina an'Andriamanitra ho tsy miendrika hotanany, dia araka izany kosa no nanoloran'Andriamanitra azy ho amin'ny fisainana tsy mahamendrika hanao izay zavatra tsy tokony hatao,ka dia feno ny tsi-fahamarinana rehetra, ny faharatsiana, ny fieremana, ny lolompo,- feno fialonana, vonoan-olona, fifandirana, fitaka, otri-po,- mpibitsibitsika, mpanendrikendrika, halan'Andriamanitra*, mpampahory, mpiavonavona, mpandoka tena, mpamoron-tsain-dratsy, tsy manoa ray sy reny, [* Na: mpankahala an'Andriamanitra]tsy manam-pahalalana, tsy mitana fanekena, tsy manam-pitiavana, tsy miantra;dia olona mahalala tsara ny fitsipika nomen'Andriamanitra fa izay manao izany zavatra izany no miendrika ho faty, nefa tsy manao izany ihany izy, fa mankasitraka ny manao koa. » (Romana 1:28-32)
MASINA LOATRA KRISTY AO ANATINAO KA MENDRIKA NY HAJAINA!!!
MATOKIA FA VITANAO IZANY ARY HITONDRA FANOVANA BE EO AMIN'NY JEROSALEMANAO.



TSY OLON-TSOTRA IANAO KRISTIANA FA OLOM-BOAHOSOTRA

Maneke ho olom-boahosotr'Andriamanitra
« Ireo no anaran'ny zanakalahin'i Arona, dia ny mpisorona voahosotra, izay natokana hanao fisoronana. » (Nomery 3:3)
voatokana hijoro vavolombelon'i Kristy any @ izay rehetra alehanao ary tena hitety tany mihitsy e!
« Fa hahazo hery ianareo amin'ny hilatsahan'ny Fanahy Masina aminareo, ary ho vavolombeloko any Jerosalema sy eran'i Jodia sy Samaria ary hatramin'ny faran'ny tany. » (Asan'ny Apostoly 1:8)
MENDRIKA ANAO IZANY!!!
MATOKIA.

ANDRAIKITRA MASINA NY ANDRAIKITRA NOMEN'I KRISTY ANAO OLONY

Hanangana ekipa ho mpitondratenin'i Kristy ianao
«Izao no lazain'i Jehovah: Andeha mividy tavoara tanimanga, ary makà anti-panahy amin'ny vahoaka sy anti-panahy amin'ny mpisorona,dia mivoaha ho any amin'ny Lohasahan'ny taranak'i Hinoma, izay eo anoloan'ny vavahady Harsota*, ary torio eo ny teny izay holazaiko aminao,» (Jeremia 19:1-2)
hahomby be izany ka hanenina ireo mpanenjika anao
« Ny zanak'izay nampahory anao dia handeha hiondrika eo anatrehanao, ary hiankohoka amin'ny faladianao izay rehetra nanamavo anao; ary izy hanao anao hoe Tanànan'i Jehovah, Zionan'ny Iray Masin'ny Isiraely. » (Isaia 60:14)
sady lasa ho voatahy ianao
« Dia nitenenany soa izy, ka ny seza fiandrianany dia nataony ambony noho ny seza fiandrianan'ireo mpanjaka namany tao Babylona.Ka dia novan'i Joiakina ny fitafiany fony izy mbola tao an-trano-maizina; ary nihinan-kanina teo anatrehany mandrakariva izy tamin'ny andro niainany rehetra. Ary ny hanina nohaniny dia hanina homena avy amin'ny mpanjakan'i Babylona, araka ny tokony ho anjarany isan'andro isan'andro tamin'ny andro rehetra niainany mandra-pahafatiny. » (Jeremia 52:32-34)
SAHIA ARY MIROSO HATRANY.
HO VONINAHITR'ANDRIAMANITRA E!!!
MAHEREZA.



TARANAKA VOAFIDY HANANGANA NY FANJAKAN'I KRISTY IANAO OLONY MIAINA AMIN'IZAO VANIM-POTOANA IZAO


Nanomana ny fananganana ny fanjakan'i Kristy ireo olony teo aloha
« Fa hoy Davida: Solomona zanako mbola zaza sady tanora fanahy, ary ny trano hatao ho an'i Jehovah dia tsy maintsy ho lehibe indrindra, mba hiely any amin'ny tany rehetra ny lazany sy ny voninahiny, koa hovononiko rahateo ny zavatra ho enti-manao azy. Ka dia nahavonona betsaka Davida, raha mbola velona izy. » (1 Tantara 22:5)
ankehitriny kosa ianao no voatendry hamita izany
« Fa, indro, ianao hiteraka zazalahy, izay ho lehilahy miadana, ary hampiadaniko tsy hisy hahazo azy ny fahavalony rehetra manodidina; koa ny anarany dia hatao hoe Solomona*; ary hampiadaniko sy hampandriko fahizay ny Isiraely amin'ny androny.[Solomona = Miadana]Izy no hanao trano ho an'ny anarako; ary izy ho zanako, ary Izaho ho rainy, ary Izaho hampitoetra ny seza fiandrianan'ny fanjakany amin'ny Isiraely mandrakizay.Koa ankehitriny, anaka, ho aminao anie Jehovah, ka hambinina anie ianao, fa ataovy ny tranon'i Jehovah Andriamanitrao araka izay nilazany anao.Ary homen'i Jehovah saina sy fahendrena anie ianao ka hatsangany ho mpanapaka ny Isiraely, mba hitandremanao ny lalan'i Jehovah Andriamanitrao. » (1 Tantara 22:9-12)
mivonona
« Ary amin'izany dia hambinina ianao, raha mitandrina hankatò ny lalàna sy ny fitsipika izay nandidian'i Jehovah an'i Mosesy ho an'ny Isiraely; mahereza sy matanjaha; aza matahotra na mivadi-po. » (1 Tantara 22:13)
VITANAO IZANY!!!
MAHEREZA.




ENDREY IREO FITAHIANA MENDRIKA HO ANAO ZANAK'ANDRIAMANITRA!!!

Tianao hiadana ve ny hafa?Tonony aminy ary ny fiadanan'Tompo
« Ary raha vao miditra ao amin'ny trano ianareo, dia miarahabà ny ao.Koa raha miendrika ny ao an-trano, dia aoka ho ao aminy ny fiadanana tononinareo; fa raha tsy miendrika izy, dia aoka hiverina aminareo ny fiadanana voatononareo. » (Matio 10:12-13)
ianao sy ny taranakao koa aza manahy fa tsy ho diso anjara amin'izany
« Fa Jehovah Andriamanitrao efa hampiditra anao any amin'ny tany soa, dia tany misy renirano sy loharano ary rano lalina eny amin'ny lohasaha sy ny tendrombohitra,tany misy vary tritika sy vary hordea sy voaloboka sy aviavy ary ampongaben-danitra, tany misy hazo oliva sy tantely,tany izay hihinananao hanina amin'ny fanaranam-po, sady tsy hanan-java-mahory akory eo ianao, tany misy vy ny vato ao aminy, ary ao amin'ny tendrombohiny no hihadianao varahina. » (Deotoronomia 8:7-9)
MATOKIA,ARY ASEHOY AMIN'NY ENDRIKAO MIRAMIRAN-DAVA ARY FA MINO IZANY IANAO E!!!


VALIM-BAVAKA VE? ALEO ARY FA HOPOROFOIN'I KRISTY AMINAO IZANY

Hamaly ny vavakao Andriamanitra
« Ary amin'izany andro izany dia hihaino* Aho, hoy Jehovah, eny, hihainoa ny lanitra Aho, ary izy kosa hihaino ny tany; [Na: hamaly] » (Hosea 2:23)
hiteraka fitahiana ho anao izany valim-bavaka izany
« Ary ny tany kosa hihaino ny vary sy ny ranom-boaloboka ary ny diloilo; Ary ireo kosa dia hihaino an'i Jezirela, » (Hosea 2:24)
satria nino fa taranaka voafidiny manokana ianao
« Fa ianareo kosa dia taranaka voafidy, "fanjaka-mpisorona, firenena masina" (Eks. 19.6), olona nalain'Andriamanitra ho an'ny tenany mba hilazanareo ny hatsaran'ilay niantso anareo hiala tamin'ny maizina ho amin'ny fahazavany mahagaga; » (1 Petera 2:9)
RAISO ARY DIA DERAO ANDRIAMANITRA FA MENDRIKA AZY IZANY!!!!
MAHEREZA.

MANAVAO NY TENINY AMINAO INDRAY TOMPO HOE:"HOMBA ANAO AHO!!"

Ry olon'i Kristy ny Tompo mihitsy no miteny aminao fa hovonjeny eo antrehan'ny olona izay hatahoranao ianao
« Nefa hovonjeko ianao amin'izany andro izany, hoy Jehovah, fa tsy mba hatolotra eo an-tànan'ny olona izay atahoranao. » (Jeremia 39:17)
aza manahy fa vitany izany
« Ary hataoko manda varahina mirova ho amin'ity firenena ity ianao: Hiady aminao izy, nefa tsy hahaleo anao; Fa momba anao hamonjy sy hanafaka anao Aho, hoy Jehovah;Ary hanafaka anao amin'ny tanan'ny ity ratsy fanahy Aho sy hanavotra anao amin'ny tanan'ny mpampahory. » (Jeremia 15:21)
HO FANTATRAO KOKOA NY MAHA-ANDRIAMANITRA MPAMONJY AZY!!!
MAHEREZA.

AZO ANTOKA FA HISY VALINY NY FITONDRANAO AM-BAVAKA NY KRISTIANA NAMANAO

Am-pifaliana no iantsoana anao hivavaka hatrany ho an'ny Kristiana namanao
« Misaotra an'Andriamanitro amin'ny fahatsiarovako anareo mandrakariva aho amin'ny fivavahako rehetra ho anareo rehetra, ka mangataka amin'ny fifaliana, » (Filipiana 1:3-4)
mba samy hazoto @ fanompoana ka hitombon'ny vokan-tsoa avy @ izany
« noho ny firaisanareo hampandroso ny filazantsara hatramin'ny andro voalohany ka mandraka ankehitriny; ary matoky indrindra aho fa Izay nanomboka asa tsara ao anatinareo no hahatanteraka izany mandra-pihavin'ny andron'i Jesosy Kristy; » (Filipiana 1:5-6)
TSY MINJANONA MIFAMPAHERY ISIKA !!!!MINOA DIA HITOMBO AVY ZATO HENY NY OLONA HIOVA FO E!!!
MAHEREZA.

HAMPIFALY NY JEROSALEMANAO IANAO OLON'I KRISTY


Ambarao fa efa tsy manan-kery ny sampy ary efa afaka i Jerosalemanao
« Ambaraonareo, eny, torio any amin'ny firenena, ary manangàna faneva, torio, fa aza afenina, ataovy hoe: Afaka Babylona! Mangaihay Bela, raiki-tahotra Merodaka! Eny, mangaihay ny sampiny, Raiki-tahotra ny sarin-javatra! » (Jeremia 50:2)
hahomby ny asa fanompoana ataonao sady hiteraka fifaliana
« Ary Filipo nidina tany an-tanàna any Samaria ka nitory an'i Kristy tamin'ny olona tao.Ary ny vahoaka betsaka dia niray hevitra nihaino izay nolazain'i Filipo, raha nandre azy sy nahita ny fahagagana nataony.Fa ny fanahy maloto niantso tamin'ny feo mahery, dia nivoaka tamin'ny maro izay nanana azy; ary maro ny mararin'ny paralysisa sy ny mandringa no nositraniny.Dia nisy fifaliana lehibe tao amin'izany tanàna izany. » (Asan'ny Apostoly 8:5-8)
EFA MPANDRESY IANAO FA FANAPOROFOANA AN'IZANY SISA NO ATAON'I KRISTY AO ANATINAO!!!
MATOKIA,
AMPIASAO NY FAHEFANA FA EFA AN'I KRISTY NY TANANA!!!

ONY MAHAGAGA ILAY ONY TSY METY RITRA AO ANATINAO OLON'I KRISTY

Ho voatahy izay andalovan'Ilay rano velona ao anatinao olon'i Kristy:
« Izay mino Ahy, dia hisy onin'ny rano velona miboiboika avy ao an-kibony, araka ny voalazan'ny Soratra Masina. » (Jaona 7:38)
ho sitrana
« Ary ny zava-manan'aina rehetra sesehena na aiza na aiza alehan'ny ony tondraka dia ho velona, ka hisy hazandrano sesehena; fa nony tonga ao ity rano ity, dia ho sitrana izy, ary ho velona izay rehetra hidiran'ny ony. » (Ezekiela 47:9)
hamoa tsy miato
« Ary eny amoron'ny ony, eny an-daniny roa, no anirian'ny hazo rehetra fihinam-boa; tsy halazo ny raviny, na ho lany ny voany; fa hamoa voa vaovao isam-bolana izy, satria mivoaka avy ao amin'ny fitoerana masina ny ranony; ary ho fihinana ny voany, ary ho fanafody ny raviny. » (Ezekiela 47:12)
hiparitaka hiteraka harena
« Ary nisy ony nivoaka avy tao Edena handena ny saha; hatreo izy dia nizara ka nisampana efatra:Ny anaran'ny voalohany dia Pisona; io no mandeha manodidina ny tany Havila rehetra, izay misy ny volamena;ary tsara ny volamena amin'izany tany izany; any ny bedola sy ny vato beryla.Ary ny anaran'ny ony faha dia Gihona; io no mandeha manodidina ny tany Kosy rehetra.Ary ny anaran'ny ony fahatelo dia Hidekela; io no mandeha tandrifin'i Asyria. Ary ny ony fahefatra dia Eofrata. » (Genesisy 2:10-14)
TONDRAY IZAY REHETRA AZONAO TONDRAHANA FA HIVADIKA FITAHIANA IZANY!!!
MATOKIA.

ANDRIAMANITRA MIHINTSY NO ANKALAZA ANAO OLON'I KRISTY

Ataovy sarobidy aminao ny fijoroanao vavolombelon'i Kristy @ zavatra ataonao rehetra
« Izay tia ny ainy no mahavery izany; fa izay mankahala ny ainy amin'izao fiainana izao no hiaro izany ho amin'ny fiainana mandrakizay. » (Jaona 12:25)
dia Andriamanitra mihintsy no hankalaza anao
« Raha misy olona manompo Ahy, dia aoka izy hanaraka Ahy, ary izay itoerako, dia ao koa no hitoeran'ny mpanompoko; raha misy olona manompo Ahy, dia hankalaza azy ny Ray. » (Jaona 12:26)
POROFO IZANY HOE EFA MIAINA AO AMIN'NY FANJAKANY DIENY ETY AN-TANY IANAO!!!
MATOKIA!!
MAHEREZA.

IZAY MAHASOA NO TSY MAINTSY HATAON'ANDRIAMANITRA HO AN'NY OLONY

Raha miatrika olana toa miendrika fahoriana ianao aza kivy
« Ary rehefa tonga tao an-trano Elisa, indro, maty ny zazalahy sady nampandrina teo am-pandriany. » (2 Mpanjaka 4:32)
mivavaha am-pinoana
« Ary niditra izy, ka nirindrim-baravarana tao izy roa lahy, ary Elisa nivavaka tamin'i Jehovah. » (2 Mpanjaka 4:33)
fa hamaha izany @ fombany Kristy
« Dia niasa-dia tao an-trano izy ary niverina niampatra taminy indray; dia nievina impito ny zazalahy, ary nihiratra ny masony.Ary Elisa niantso an'i Gehazy ka nanao hoe: Antsoy ilay Sonemita. Dia nantsoiny izy. Ary rehefa tafiditra tao aminy izy, dia hoy Elisa: Raiso ny zanakao.Dia niditra ravehivavy ka niantoraka tamin'ny tongony sady niankohoka tamin'ny tany, dia nandray ny zanany izy ka lasa nivoaka. » (2 Mpanjaka 4:35-37)
AMPITOMBOY NY FINOANAO DIA HAMPITOMBOINY KOA IREO FAHAGAGANA HASEHONY ANAO!!!
MATOKIA.
MAHEREZA.

HATAON'ANDRIAMANITRA HAMIRAPIRATRA EO ANATREHAN'NY HAFA IANAO OLONY

Mamirapiratra eo anatrehan'ny hafa ny tavanao olon'i Kristy
" Ary nony hitan'i Arona sy ny Zanak'Isiraely rehetra Mosesy, ka, indro, namirapiratra ny hoditry ny tavany,...."  (Eksodosy 34:30)
satria ianao nanao izay hahasoa azy ireo
"Aza manao izay hahatafintohina ny Jiosy na ny jentilisa na ny fiangonan'Andriamanitra,dia tahaka ahy koa manao izay hahafinaritra ny olona rehetra amin'ny zavatra rehetra ka tsy mitady ny mahasoa ahy ihany, fa ny mahasoa ny maro mba hovonjena izy. " 1Kor10:32-33
mba ho voninahitry ny Tompo
Koa amin'izany, na mihinana na misotro ianareo, na inona na inona ataonareo, dia ataovy ho voninahitr'Andriamanitra izany rehetra izany.1Kor10:31
TSY NOFINOFY IZANY FA TENA HO TANTERAKA!!!!
MATOKIA.