"Mifankazara amin'ny Tsitoha ianao,dia hiadana;izany no hahatongavan'ny soa aminao"(Joba 22:21)

HANA AO @ KRISTY IANAO


Sahy mitaraina t@ ny Tompo,
 « Aza mba atao ho vehivavy tena ratsy fanahy ny ankizivavinao; fa ny haben'ny fahoriako sy ny alaheloko no nitenenako mandraka ankehitriny. » (1 Samoela 1:16),
handray teny fikasana,
 « Dia namaly Ely ka nanao hoe: Mandehana soa aman-tsara; ary homen'Andriamanitry ny Isiraely anao anie izay nangatahinao taminy. » (1 Samoela 1:17),
hahazo valim-bavaka,
 « Ary tamin'ny fahatanterahan'ny andro dia nanan'anaka Hana ka nitera-dahy, ary ny anarany nataony hœ Samoela*, fa hoy izy: Tamin'i Jehovah no nangatahako azy.[Samoela = Nohenoin'Andriamanitra (?)] » (1 Samoela 1:20),
hanatanteraka ny teny nifanekena,
 « Koa atolotro ho an'i Jehovah kosa izy: eny, amin'ny andro rehetra hiainany dia voatolotra ho an'i Jehovah izy. Dia nivavaka tamin'i Jehovah izy. » (1 Samoela 1:28).
MATOA VOASORATRA DIA HO TANTERAKA !MINOA !

VAVAKA : RAY O ! MISAOTRA SY MIDERA ARY MANKALAZA ANAO AHO FA HAMALY NY FITARAINAKO IANAO !@ ANARAN’I JESOSY KRISTY VELONA AVY ANY NAZARETA !AMEN !

HANAFAKA ANAO OLONY @ FOMBANY KRISTY:


Ry olon’I Kristy tsy havelan’Andriamanitra ho afa-baraka ianao ,
« Aza matahotra, fa tsy ho menatra ianao; ary aza mangaihay, fa tsy havela ho afa-baraka ianao; ... » (Isaia 54:4ab),
hamindra fo aminao mandrakizay Izy ,
« Tamin'ny firehetan'ny fahatezerako no nanafenako ny tavako taminao indray mipi-maso monja, fa amin'ny famindram-po mandrakizay kosa no amindrako fo aminao, hoy Jehovah, Mpanavotra anao. » (Isaia 54:8).
MINOA !IAINO DIENY IZAO ARY IZANY!MAHEREZA!


VAVAKA:RAY O!MIDERA SY MANKALAZA ANAO AHO!MISAOTRA ANAO HANDRAY AN-TANANA NY FIAINAKO MANONTOLO! SAHIKO AVY HATRANY NO MIHIKA HOE:”AFAKA AHO!”@ ANARAN’ JESOSY KRISTY VELONA AVY ANY NAZARETA AMEN!