"Mifankazara amin'ny Tsitoha ianao,dia hiadana;izany no hahatongavan'ny soa aminao"(Joba 22:21)

ILAY NANDRESY NY FAHAFATESANA NO ANKALAZAO :

Jesoa na Jesosy na Jeso...Kristy izay efa nandresy ny fahafatesana no ankalazao anio « Hoy Jesosy taminy: Izaho no fananganana ny maty sy fiainana; izay mino Ahy, na dia maty aza, dia ho velona indray. Ary izay rehetra velona ka mino Ahy dia tsy ho faty mandrakizay. Mino izany va ianao? » (Jaona 11:25-26)

ilay anarana ambony izay misy fahefana mahery vaika « izay nataony tao amin'i Kristy tamin'ny nananganany Azy t@ maty sy ny nampitœrany Azy eo @ tànany ankavanana any an-danitra, ambony lavitra noho ny fanapahana rehetra sy ny fahefana sy ny hery sy ny fanjakana ary ny anarana rehetra izay tononina, tsy amin'izao fiainana izao ihany, fa @ ho avy koa , dia nampanaiky ny zavatra rehetra ho eo ambanin'ny tongony Izy ka nanao Azy ho Lohany manapaka ny zavatra rehetra ho an'ny fiangonana, izay tenany, dia ny fahafenoan'izay mameno izao zavatra rehetra izao @ rehetra. » (Efesiana 1:20-23)

MIFALIA ! 

 


VAVAKA : JESO KRISTY TOMPO O ! IANAO IRERY NO ANKALAZAINAY ! VELONA MANDRAKIZAY IZAHAY MIARAKA AMINAO ! AMEN ! ( Teny Zaraina 4280).

MIJOROA HANOHITRA NY HALLOWEEN

Tsy hampatahotra fa hampahery «…, mahereza ao @ Tompo sy @ herin'ny faherezany. » (Efesiana 6:10),

 hifidy ny fiainana fa tsy fahafatesana « Izay mino ny Zanaka manana fiainana mandrakizay; fa izay tsy mino ny Zanaka dia tsy hahita fiainana, fa ny fahatezeran'Andriamanitra no mitoetra eo aminy. » (Jaona 3:36)

miala @ aizina, hijoro ho fahazavana « Fa maizina ianareo fahiny, fa efa mazava ao @ Tompo kosa ankehitriny; mandehana tahaka ny zanaky ny mazava » (Efesiana 5:8)

MILA ANTSIKA HIJORO NY TOMPO ! 

 


VAVAKA : JESOSY KRISTY TOMPO O ! TONGA IANAO NAMPIALA ANAY AVY AO @ AIZINA HO ANY @ FAHAZAVANA MAHAGAGA ! HITORO HO FAHAZAVANAO IZAHAY ! AMEN ! ( Teny Zaraina 4279).

TOKY MANOKANA NO OMEN’NY TOMPO ANAO OLONY IZAO DIA IZAO

MITONIA! satria hoy ny Tompo aminao: Tsy handao anao mihitsy Aho « …; fa hoy Izy: "Izaho tsy handao anao mihitsy na hahafoy anao akory". » (Hebreo 13:5b)

MIRAVOA! satria ny heviny (projet) no ho tanteraka eo @ fiainanao « Fa Izaho mahalala ny hevitra (projet) iheverako anareo, hoy Jehovah, dia hevitra hahatonga fiadanana, fa tsy loza, mba hanome anareo fanantenana ny amin'ny farany » (Jeremia 29:11)

MAHEREZA! 

 


VAVAKA : RAY O ! RAISIKO ILAY FIADANANA ANAY MANOLOANA NY TOKY NOMENAO AHY ANIO ! @ ANARAN’I JESO KRISTY TOMPO AMEN ! ( Teny Zaraina 4278).