"Mifankazara amin'ny Tsitoha ianao,dia hiadana;izany no hahatongavan'ny soa aminao"(Joba 22:21)

RY OLON’I KRISTY ! SAHIA MIATRIKA DINGANA:

Ry olon'i Kristy mialà @ ilay toerana nahazatra anao mba hahatanterahan'ilay anjara voatendry ho anao « Koa raha misy olona ao @ i Kristy, dia olom-baovao izy; efa lasa ny zavatra taloha, indreo, efa tonga vaovao ireo. » (2 Korintiana 5:17)

tahaka an'i Abrama « Ary hoy Jehovah t@ i Abrama: Mandehana miala @ taninao sy ny havanao ary ny tranon'ny rainao hankany @ tany izay hasehoko anao; dia hahatonga anao ho firenena lehibe Aho sady hitahy anao sy hahalehibe ny anaranao; ary ho fitahiana tokoa ianao; » (Genesisy 12:1-2)

sy Mosesy « Finoana no nandavan'i Mosesy tsy hatao hoe zanaky ny zanakavavin'i Farao, rehefa lehibe izy, nifidy mantsy hiara-mitondra fahoriana @ olon'Andriamanitra toy izay hanana fifaliana vetivety @ fahotana, » (Hebreo 11:24-25)

MAHEREZA!   

 


VAVAKA : JESOSY KRISTY TOMPO O ! MANAIKY HIOVA IZAHAY MBA HAHATANTERAHA’ ILAY ANJARA EFA VOATENDRY HO ANAY ! AMEN ! ( Teny Zaraina 4274).