"Mifankazara amin'ny Tsitoha ianao,dia hiadana;izany no hahatongavan'ny soa aminao"(Joba 22:21)

HIALOHA LALANA @ IZAY ATAONAO OLONY KRISTY:

 Andriamanitra hanavotra anao, hampianatra anao hahita soa, hitarika anao @ izay alehanao! « Izao no lazain'i Jehovah, Mpanavotra anao, dia ny Iray Masin'ny Isiraely: Izaho, Jehovah Andriamanitrao, no nampianatra anao hahita soa sady mitarika anao @ lalana tokony halehanao. » (Isaia 48:17)

tahaka ny andry rahona sy afo eo aloha! « ary holazainy @ monina eo @ ity tany ity izany; ary efa reny fa Hianao Jehovah no eto @ ity firenena ity, ary Hianao Jehovah no hita mifanatrika, ary ny rahonao mijanona eo amboniny, ary Hianao no mitarika azy eo aloha @ andri-rahona nony andro, ary @ andri-afo nony alina. » (Nomery 14:14)

MINOA « Ary izy no vohan'ny mpiandry vavahady; ary ny ondry mihaino ny feony; ary izay ondriny tokoa dia antsoiny amin'ny anarany avy ka entiny mivoaka.Ary rehefa mamoaka ireo rehetra ireo izy, dia mialoha azy; ary ny ondriny manaraka azy, satria mahalala ny feony ireo. » (Jaona 10: 3-4)

VAVAKA: JESOSY KRISTY TOMPO O! MAHERY IZAHAY MANANA ANAO HITARIKA NY LALANAY! AMEN! (Teny zaraina 4272).