"Mifankazara amin'ny Tsitoha ianao,dia hiadana;izany no hahatongavan'ny soa aminao"(Joba 22:21)

HIHAINO ANAO ANDRIAMANITRA :

Teny TFM (Tsotra! Fohy! Mazava!) no ambara aminao anio, HIHAINO NY FIFONANAO, NY FITARAINANAO ANDRIAMANITRA! HAMINDRA FO AMINAO OLONY IZY!  

« Andriamanitra ô, atongilano ny sofinao, ka mihainoa; ahirato ny masonao, ka jereo ny fahafoananay sy ny tanàna izay nantsoina @ anaranao; fa tsy @ fahamarinanay no andoaranay ny fifonanay eto anatrehanao, fa @ halehiben'ny indrafonao. Tompo ô, mandrenesa, Tompo ô, mamelà heloka; Tompo ô, mihainoa, ka miasà; aza ela Hianao, ry Andriamanitro ô noho ny aminao; fa ny tanànanao sy ny olonao dia nantsoina @ anaranao. » (Daniela 9:18-19)

MATOKIA! 

 


VAVAKA : RAY O ! MISAOTRA ANAO MAMALY IREO FITARAINANAY ! @ ANARAN’I JESO KRISTY TOMPO ! AMEN ! ( Teny Zaraina 4276).