"Mifankazara amin'ny Tsitoha ianao,dia hiadana;izany no hahatongavan'ny soa aminao"(Joba 22:21)

MANANTENA ! MATOKISA ! MIANDRASA ! NY FOTOANAN’ANDRIAMANITRA :

N'inona n'inona mahazo anao! Teny 3 no atolotra anao,

MANATENA an'Andriamanitra! «  Tsara Jehovah amin'izay manantena Azy, dia amin'ny olona izay mitady Azy. » (Fitomaniana 3:25),

MATOKISA an'Andriamanitra! « Hotahina izay olona matoky an'i Jehovah, dia izay manana an'i Jehovah ho tokiny. » (Jeremia 17:7),

MIANDRASA an'Andriamanitra! « Tsara ny miandry ny famonjen'i Jehovah @ fanginana. » (Fitomaniana 3:26).

MAHEREZA ! 


 

VAVAKA : RAY O ! NA TSY TAKATRY NY SAINAY AZA NY ZAVA-MITRANGA ! HANANTENA ! HATOKY ! HIANDRY NY FOTOANANAO IZAHAY OLONAO ! @ ANARAN’I JESO KRISTY TOMPO AMEN ! (Teny zaraina 4259).