"Mifankazara amin'ny Tsitoha ianao,dia hiadana;izany no hahatongavan'ny soa aminao"(Joba 22:21)

IALAO NY FIMONOMONOMANA

AZA MIMONOMONONA! hoy ny voasoratra « Jesosy namaly ka nanao taminy hoe: Aza mimonomonona ianareo. » (Jaona 6:43)

alaim-panahy isika eo anatrehan'ny olana mitranga himonomonona « Mandra-pahoviana no mbola handeferako @ izao fiangonana ratsy mimonomonona amiko izao? Efa reko ny fimonomononan'ny Zanak'Isiraely, izay imonomononany amiko. » (Nomery 14:27)

Aleo mifona ho an'izay mimonomonona « Mifona aminao aho, mamelà ny helok'ity firenena ity araka ny halehiben'ny famindram-ponao, sy araka ny namelanao ny helok'ity firenena ity hatrany Egypta ka mandraka ankehitriny. » (Nomery 14:19)

MAHEREZA! 

 


VAVAKA: RAY O! METY HITRANGA NY OLANA SAMIHAFA FA HO MARIKY NY FATOKISANAY ANAO DIA TSY HIMONOMONONA IZAHAY! @ ANARAN’I JESOSY KRISTY TOMPO AMEN! (Teny zaraina 4271).