"Mifankazara amin'ny Tsitoha ianao,dia hiadana;izany no hahatongavan'ny soa aminao"(Joba 22:21)

MAHALALA ZAVA-MIAFINA ILAY ANDRIAMANITRA AO ANATINAO

 Ilay Andriamanitr'i Daniela mahalala zava-miafina no ao anatinao « kanefa misy Andriamanitra any an-danitra, Izay mampiseho zava-miafina ka mampahafantatra an'i Nebokadnezara mpanjaka izay ho tonga any am-parany. … » (Daniela 2:28a)

Izay maharesy ny olon-kendry, ny mpisikidy, ny ombiasy, ny mpanandro « Dia namaly teo anatrehan'ny mpanjaka Daniela nanao hoe: Ilay zava-miafina nanontanian'ny mpanjaka dia tsy hain'ny olon-kendry, na ny mpisikidy, na ny ombiasy, na ny mpanandro, nolazaina t@ mpanjaka; » (Daniela 2:27)

MATOKIA! 

 


VAVAKA: RAY O! MANAIKY HO SOLOM-BAVANAO IZAHAY HILAZA ZAVA-MIAFINA AO @ FANJAKANAO ARY HIAIKY IZANY H@ OLON-KENDRY,NY MPISIKIDY,NY OMBIASY,NY MPANANDRO! @ ANARAN’I JESO KRISTY TOMPO! AMEN! (Teny zaraina 4266).