"Mifankazara amin'ny Tsitoha ianao,dia hiadana;izany no hahatongavan'ny soa aminao"(Joba 22:21)

HAFA IANAO ! MAHARITRA AM-PINOANA

Voasoratra ny hoe: " Mahareta tsara!" «  Ary @ izany dia mahareta tsara, ry rahalahy, mandra-pihavin'ny Tompo. Indro, ny mpiasa tany miandry ny voka-tsoa @ tany ka maharitra amin'izany mandra-pahazony ny ranonorana aloha sy aoriana. » (Jakoba 5:7)

Ampaherezo ary aloha ny fonao « Mahareta koa ianareo, mampahereza ny fonareo, fa efa mby akaiky ny fihavian'ny Tompo. » (Jakoba 5:8)

Mifalia @ fanantenana « Mifalia @ fanantenana; miareta @ fahoriana; mahareta @ fivavahana. » (Romana 12:12)

araho fisaorana am-pinoana ny vavaka « Mahareta @ fivavahana, ka miambena @ izany @ fisaorana, » (Kolosiana 4:2)

 


VAVAKA : RAY O ! MATOKY IZAHAY MANANA ANAO ! MITRAKA IZAHAY MANANA ANAO ! MITONY IZAHAY MANANA ANAO ! MAHERY IZAHAY MANANA ANAO ! @ ANARAN’I JESO KRISTY TOMPO AMEN ! (Teny zaraina 4268).