"Mifankazara amin'ny Tsitoha ianao,dia hiadana;izany no hahatongavan'ny soa aminao"(Joba 22:21)

HIASA-HANAO FAHAGAGANA KRISTY AO ANATINAO

Kristy ao anatinao dia hanao asa mahagaga izay tsy ho takatry ny sainao
« Ary tamin'izany ora izany Jesosy dia nahasitrana olona maro tamin'ny rofy sy ny aretina sy ny fanahy ratsy sady nampahiratra ny jamba maro. » (Lioka 7:21)
ireo izay hiantefan'izany dia hizara ny soa izay voarainy
« Dia namaly Izy ka nanao taminy hoe: Mandehana ianareo, ambarao amin'i Jaona izao hitanareo sy renareo izao; mahiratra ny jamba, afaka ny mandringa, diovina ny boka, malady ny marenina, atsangana ny maty, ary ny malahelo dia itoriana ny filazantsara.Ary sambatra izay tsy ho tafintohina noho ny amiko. » (Lioka 7:22-23)
MIVONONA!!MANEKE HO OLOM-BAOVAO !!!

AMPIASAO NEFA LANJALANJAO NY FANOMEZAM-PAHASOAVANA ANANANAO

Ilaina ny fampiasana ny fanomezam-pahasoavana samihafa fa kendrena kosa mba hampandroso izany
« Ahoana ary no izy, ry rahalahy? Raha miangona ianareo, misy ta-hanao hira ianareo, misy ta-hanao fampianarana, misy manana fanambarana, misy manana fiteny tsy fantatra, misy manana fandikan-teny. Aoka ny zavatra rehetra hatao ho fampandrosoana. » (1 Korintiana 14:26)
mba hitondra fiadanana fa tsy fikorontanana
« Fa Andriamanitra tsy tompon'ny fikotronana, fa tompon'ny fiadanana. Araka ny fanaon'ny fiangonan*ny olona masina rehetra, » (1 Korintiana 14:33)
TE HAMPANDROSO ANAO ARAM-PANAHY @ FOMBANY NY TOMPO RAHA MANAIKY IANAO !!!
MAHEREZA!

HOY NY TOMPO AMINAO

AZA MATAHOTRA!fa ataon'ny Tompo resy eo anoloanao ny fahavalo
« Dia hoy Jehovah tamin'i Josoa: Aza matahotra azy; fa rahampitso toy izao Izaho dia hanolotra azy rehetra ho faty eo anatrehan'ny Isiraely; traingoy ny soavaliny,. » (Josoa 11:6ab)
ampafantaro ao an-tanàna Kristy fa tena ho be ny vokatra
« Ary raha nandeha nitety ny tanàna tao izy, dia natolony hotandreman'ny olona ireo didy navoaky ny Apostoly sy ny loholona tany Jerosalema.Ary nihanahery finoana ny fiangonana sady nihamaro isan'andro. » (Asan'ny Apostoly 16:4-5)
MANAMAFY NY TOMPO FA IANAO NO HO FITAOVANY MBA HAMPIFOHA NY TANANANAO !!!
MANAIKY VE IANAO ?

FITAOVANA HANOVA TANTARA IANAO OLON’I KRISTY

Ianao no Josoa ao @ Kristy hampandry tany satria @ alalanao no haharesy ny fahavalo
« Dia lasan'i Josoa avokoa ny tany rehetra, araka izay rehetra nolazain'i Jehovah tamin'i Mosesy; ary nomen'i Josoa ho lovan'ny Isiraely izany, araka ny fizaran'ny fireneny. Dia nitsahatra ny ady ka nandry ny tany. » (Josoa 11:23)
Petera ao @ Kristy hilaza teny hitondra famonjena
« izy hilaza teny aminao, izay hamonjena anao sy ny ankohonanao rehetra. » (Asan'ny Apostoly 11:14)
SAHIA!!
KRISTY EFA VONONA ! ARY IANAO ?

KRISTY VE ? VONONA HAMETRAKA FANAMBY VAOVAO EO @ FIAINANAO

Mpiandry azo antoka Kristy ao anatinao
« Ary hitsangana Izy hiandry ny ondriny amin'ny herin'i Jehovah. Sy amin'ny voninahitry ny anaran'i Jehovah Andriamaniny, Ka handry fahizay ireny, Fa izao dia ho lehibe hatrany amin'ny faran'ny tany Izy. » (Mika 5:3)
hialoha lalana anao Izy
« Ny mpanabanga miakatra eo alohany, Manabanga izy ka mandroso ho eo amin'ny vavahady, Dia mivoaka eo aminy; Ny mpanjakany mandroso eo alohany, Ary Jehovah no mitarika azy. » (Mika 2:13)
ka lasa ho fitaovana mahery eo am-pelantanany ary hitondra fitahiana ianao
« Mitsangàna, ka miveleza, ry Ziona zanakavavy, Fa ny tandrokao hataoko vy, Ary ny kitronao hataoko varahina, Ka hanorotoro firenena maro ianao; Dia hatolotrao ho an'i Jehovah ny hareny, Ary ho an'ny Tompon'ny tany rehetra ny fananany. » (Mika 4:13).
MANEKE ARY HO FITAOVANY !SAHIA !
MAHEREZA !

ITAFIO KRISTY

Mametraha famantarana fa Kristiana ianao
« Mitenena amin'ny Zanak'Isiraely, ka asaovy asiany somotraviavy ny sisin'ny fitafiany hatramin'ny taranany fara mandimby, ary aoka hasiany kofehy manga eo amin'ny somotraviaviny. » (Nomery 15:38)
sady hitarika anao handeha @ fankatoavana izany no hiaro anao @ fankam-panahy
« Ary ho somotraviavy ho anareo izany, ka raha jerenareo, dia hotsarovanareo sy hankatoavinareo ny didin'i Jehovah rehetra; ary tsy handeha araka ny fonareo ianareo, na araka ny masonareo, izay andehananareo hijangajangana, » (Nomery 15:39)
HAFA IANAO!
« mba hotsarovanareo sy hankatoavinareo ny didiko rehetra, ka dia ho masina ho an'Andriamanitrareo ianareo. » (Nomery 15:40)
HO FALY NY TOMPO KA HIAHY ANAO @ FOMBA MAHAGAGA SATRIA TSY MENATRA NY MIJORO FA AZY IANAO !!
MATOKIA !

MANANA ADIDY @ TARANAKA HOAVY IANAO OLON’I KRISTY

Manana lanja eo anatrehan'Andriamanitra ny ankizy
« Nefa Jesosy kosa nanao hoe: Avelao ny zaza, ary aza raràna tsy hanatona Ahy; fa an'ny toa azy ny fanjakan'ny lanitra. » (Matio 19:14)
vitanao olon''i Kristy ny mandray anjara ao anatin'izany
« Ary Jesosy nijery azy ka nanao taminy hoe: Tsy hain'ny olona izany, fa hain'Andriamanitra ny zavatra rehetra. » (Matio 19:26)
SAHIA MANANGANA TARANAKA MENDRIKA!

FANOMEZANA HAFA!FANOMEZANA MIAVAKA NO MENDRIKA ANAO OLON’I KRISTY

Manamafy aminao olony Kristy anio fa zonao ny mangataka Aminy
« Ary hoy izaho aminareo: Mangataha, dia homena ianareo; mitadiava, dia hahita ianareo; dondony, dia hovohana ianareo.Fa izay rehetra mangataka no mahazo; ary izay mitady no mahita; ary izay mandondòna no hovohana. » (Lioka 11:9-10)
ary hanome anao fanomezana avy any an-danitra Izy dia ny Fanahy Masina
« Koa raha ianareo, na dia ratsy aza, mahalala hanome zava-tsoa ho an'ny zanakareo, tsy mainka va ny Ray, Izay any an-danitra, no hanome ny Fanahy Masina ho an'izay mangataka aminy? » (Lioka 11:13)
MINOA!
DIA HIGOGA FIAINANA IZAY MBOLA TSY NIAINANAO MIHITSY IANAO !!!
MATOKIA !!!
MAHEREZA !

MILA MIFANTOKA @ IZAY ANTSO NIANTSOANA IANAO OLON’I KRISTY

Raha misy olona hitady vonjy aminao olon'i Kristy
« Dia lasa ravehivavy nankany amin'ny lehilahin'Andriamanitra tany an-tendrombohitra Karmela. Ary raha vao tazan'ny lehilahin'Andriamanitra avy ery izy, dia hoy izy tamin'i Gehazy zatovony: Ilay Sonemita lahy iry; masìna ianao, mihazakazaha hitsena azy, ka ataovy aminy hœ: Tsara ihany va ianao: Tsara ihany va ny vadinao? Tsara ihany va ny zazalahy? Ary hoy ny famaliny: Tsara ihany. » (2 Mpanjaka 4:25-26)
dia aoka ianao tsy hierikerika fa ataovy
« Ary hoy izy tamin'i Gehazy: Misikina, ary ento eny an-tananao ny tehiko, ka mandehana, raha mifanena amin'olona ianao, aza miarahaba azy; ary raha misy miarahaba anao, aza mamaly azy akory; ary apetraho eo amin'ny tavan'ny zazalahy ny tehiko. » (2 Mpanjaka 4:29)
dia ho fitaovana hahomby ianao
« Ary rehefa tonga tao an-trano Elisa, indro, maty ny zazalahy sady nampandrina teo am-pandriany.Ary niditra izy, ka nirindrim-baravarana tao izy roa lahy, ary Elisa nivavaka tamin'i Jehovah.Ary niakatra izy ka nandry niampatra tambonin'ny zazalahy, ka ny vavany nataony tamin'ny vavany, ary ny masony tamin'ny masony, ary ny tànany tamin'ny tànany, ka dia nafana ny tenan'ny zazalahy.Dia niasa-dia tao an-trano izy ary niverina niampatra taminy indray; dia nievina impito ny zazalahy, ary nihiratra ny masony. » (2 Mpanjaka 4:32-35)
SAHIA !NA TSY AZON’NY SASANY AZA IZANY !
MATOKIA DIA HO FITAOVAM-PITAHIANA IANAO!!!

HO RESY IREO FAHAVALONAO

Nanantena fiafarana tsara ireo fahavalonao
« Ary ianao efa nanao anakampo hœ: Any an-danitra no hiakarako, ary ambonin'ny kintan'Andriamanitra no hanandratako ny seza fiandrianako; Dia hipetraka eo an-tendrombohitra; fivoriana any am-parany avaratra aho; » (Isaia 14:13)
< nefa ho resy tanteraka izy
« Kanjo hampidinina hatrany amin'ny fiainan-tsi-hita* ho any ampara-vodilavaka ianao. » (Isaia 14:15)
satria ny Tompo no hamely azy
« Fa hitsangana hamely azy aho, hoy Jehovah, Tompon'ny maro, ary hofoanako ny anaran'i Babylona sy izay sisa ao mbamin'ny zanany sy ny taranany, hoy Jehovah. » (Isaia 14:22)
ary tsy hisy hahasakana
« Fa Jehovah, Tompon'ny maro, no efa nikasa, ka iza indray no hahafoana izany? Ary ny tànany dia voahinjitra, ka iza no hampihemotra izany? » (Isaia 14:27)
TOHIZO IREO ASA TSARA NANIRAHANA ANAO SATRIA AZO ANTOKA FA KRISTY HOMBA SY HIARO ANAO HATRANY!!!
MATOKIA!
MAHEREZA!

MPAMAHA OLANA AZO ANTOKA I KRISTY

Aoka isika tsy hitahiry fahatezerana
« Fa Izaho kosa milaza aminareo hœ: Izay rehetra tezitra* amin'ny rahalahiny dia miendrika hohelohina amin'ny fitsarana; ary na zovy na zovy no hanao amin'ny rahalahiny hœ: Olom-poana ianao, dia miendrika hohelohina amin'ny Synedriona; ary na zovy na zovy no hanao hœ: Foka ialahy, dia miendrika ho ao amin'ny helo mirehitra afo. [*Na: tezitra foana] » (Matio 5:22)
apetraho @ Tompo ny olanao rehetra eo anatrehan'ny fahavalonao
« Omeo rariny aho, Andriamanitra ô, ary alaharo ny teniko haharesy ny firenena tsy misy famindram-po; Vonjeo aho ho afaka amin'ny lehilahy mpamitaka sy mpanao meloka. » (Salamo 43:1)
dia hamonjy anao @ fombany Izy
« Nahoana no mitanondrika ianao, ry fanahiko? ary nahoana no mitoloko ato anatiko ianao? Manantenà an'Andriamanitra, fa mbola hidera Azy ihany aho, Izy no famonjena ny tavako sady Andriamanitro. » (Salamo 42:11)
< MATOKIA !!!
DIA HO TSAPANAO NY FIADANANA ANATY NA MIATRIKA ZAVA-TSAROTRA AZA IANAO !!!
ARY HO VOAVAHA HAINGANA IZANY !!!

TSY HISARAKA @ TENIN’ANDRIAMANITRA IANAO OLON’I KRISTY

Rehefa manambara zavatra ianao olon'i Kristy dia asio Tenin'Andriamanitra mameno azy ho fanamafisana fa irany ianao
« Fa Izay nirahin'Andriamanitra dia milaza ny teniny; fa tsy misy fetra ny fanomezan'Andriamanitra ny Fanahy. » (Jaona 3:34)
dia hahomby be izany
« sady Andriamanitra koa no niara-nanambara taminy tamin'ny famantarana sy ny fahagagana ary tamin'ny asa lehibe samy hafa sy ny fanomezana ny Fanahy Masina nozarazarainy araka ny sitrapony. » (Hebreo 2:4)
MATOKIA!
DIA HO FITAOVANA HILAZA ZAVA-DALINA HATRANY IANAO !!!
MAHEREZA.

HANAPOROFO NY FITIAVANY AMINAO NY TOMPO

Tia anao mihoatra noho ny fitiavan'ny reny ny zanany Andriamanitra ary te-hanaporofo izany eo @ fiananao Izy
« Koa raha ianareo, na dia ratsy aza, mahalala hanome zava-tsoa ho an'ny zanakareo, tsy mainka va ny Rainareo Izay any an-danitra no hanome zava-tsoa ho an'izay mangataka aminy? » (Matio 7:11)
Aza misalasala ary mangataka Aminy
« Mangataha, dia homena ianareo; mitadiava, dia hahita ianareo; dondony, dia hovohana ianareo. Fa izay rehetra mangataka no mahazo; ary izay mitady no mahita; ary izay mandondòna no hovohana. » (Matio 7:7-8)
TSY IRERY IANAO FA MANANA MPIAHY !!!
MATOKIA !!
MAHEREZA.

TSY METY AMINAO OLON’I KRISTY NY MISOTRO TOAKA

Mpitarika ianao olon'i Kristy ka tokony tsy hisotro toaka na divay
« Tsy mety amin'ny mpanjaka, ry Lemoela, Eny; tsy mety amin'ny mpanjaka ny misotro divay, Na amin'ny mpanapaka ny ho fatra-paniry toaka; » (Ohabolana 31:4)
mamandrika izy ireny
« Aza mijery ny divay noho ny hamenany Sy ny fanganohanony eo anaty gilasy* Ary ny fikoriany mahafinaritra;[Heb. kapoaka]Fa amin'ny farany dia hanaikitra toy ny bibilava izy Ary hanindrona toy ny menarana. » (Ohabolana 23:31-32)
ka hahatonga anao haka fanapaha-kevitra diso
« Fandrao, raha misotro izy, dia manadino ny lalàna Ka mamily ny fitsarana ny zanaky ny fahoriana. » (Ohabolana 31:5)
MODELY MANTSY IANAO IZAY MPITARIKA NY OLONA HO ANY AN-DANITRA E !!

ETO AM-BAVAKA ISAN’ANDRO NY TANANA MISY ANAO

Mivavaha ho an'ny tanananao satria rehefa hiadana izy dia hiadana koa ianao sy ny mponina ao aminy
« Ary katsaho izay hiadanan'ny tanàna izay nampandehanako anareo ho babo, ary mivavaha amin'i Jehovah ho azy; fa raha miadana izy, dia mba hiadana koa ianareo. » (Jeremia 29:7),
MINOA SATRIA FANDRAISANA VALIM-BAVAKA IZAO
« Ary hiantso Ahy ianareo ka handeha sy hivavaka amiko, dia hihaino anareo Aho.Ary hitady Ahy ianareo, dia ho hitanareo Aho, raha katsahinareo amin'ny fonareo rehetra. » (Jeremia 29:12-13)
MIVONONA HIATRIKA FIFOHAZAM-PANAHY TANTERAKA NA « TRANSFORMATION » E !

FANAMBY MAZAVA NO APETRAK'I KRISTY @ OLONY

Hialoha lalana sy hiahy Izy
« lehibe amin'ny fisainana sy mahery amin'ny atao; fa ny masonao mibanjina ny alehan'ny zanak'olombelona rehetra mba hanome azy rehetra araka ny lalany avy sy araka ny vokatry ny asany, » (Jeremia 32:19)
,hanao famantarana sy fahagagana
« dia Ilay nanisy famantarana sy fahagagana tany amin'ny tany Egypta ka mandraka androany koa, na ao amin'ny Isiraely, na ao amin'ny olona hafa koa, ka dia nanao anarana ho Anao tahaka ny amin'izao anio izao. » (Jeremia 32:20)
ary hampiray saina azy ireo
« mba ho saina iray sy vava iray no hiarahanareo mankalaza an'Andriamanitra, Rain'i Jesosy Kristy Tompontsika. » (Romana 15:6)
MINOA !
VITANY IZANY FA IANAO VE HANARAKA AZY ?

MANANA ANJARA ADIDY AO @ FANJAKAN’ANDRIAMANITRA ETY AN-TANY IANAO OLON’I KRISTY

Izay asain'Andriamanitra atao no tokony ataonao olon'i Kristy
« Ary rehefa niarahaba azy Paoly, dia nilaza tsirairay ny zavatra rehetra izay efa nampanaovin'Andriamanitra azy tany amin'ny jentilisa izy. » (Asan'ny Apostoly 21:19)
dia hahita fahombiazana @ izany ianao
« Ary rehefa nandre izany ireo, dia nankalaza an'Andriamanitra; ary hoy koa izy tamin'i Paoly: Hitanao, rahalahy, fa tsy omby alinalina ny Jiosy izay efa mino; ..., » (Asan'ny Apostoly 21:20ab)
ataovy am-pinoana ary izany!
« Koa lazaiko aminareo: Na inona na inona tononinareo amin'ny fivavahana sy angatahinareo, dia minoa fa efa nandray ianareo, dia ho azonareo izany. » (Marka 11:24)
SAHIA !
DIA HO TSAPANAO MIVAINGANA IZANY HOE AVAHANY IANAO IZAY MPANARA-DIA AZY !!

ARARAOTY !RAVAO ! FA EFA MANAO FITSIPAKY NY MIALA AINA SATANA

Vanim-potoana fandravana ny herin'ny ratsy
« Tonga ankehitriny ny fitsarana izao tontolo izao; ankehitriny ny andrianan'izao tontolo izao no horoahina. » (Jaona 12:31)
sy fanafoanana ireo toetra tsy mendrika
« Fa ankehitriny, esory koa izao rehetra izao, dia fahatezerana, fiafonafonana, lolompo, fitenenan-dratsy, teny mahamenatra avy amin'ny vavanareo. Aza mifandainga ianareo, fa efa narianareo ny toetra taloha mbamin'ny asany; » (Kolosiana 3:8-9)
ary fanandratana ny herin'ny Kristy ao anatinao izao
« Raha hiseho Kristy fiainantsika, dia hiara-miseho aminy koa amin'ny voninahitra ianareo. » (Kolosiana 3:4).
AZA MIAHOTRA MANDROAKA FA TENA MATAHOTRA AN’ILAY KRISTY AO ANATINAO IZY E !!!
SAHIA !!
VITANAO IZANY !!!

RY OLON’I KRISTY- OLONA AFAKA HANOVA TANTARA IANAO

Ny olon'i Kristy dia tiany ho tanteraka eo anatrehany
« Aoka ho tanteraka amin'i Jehovah Andriamanitrao ianao. » (Deotoronomia 18:13)
Vitanao izany ary mbola hitarika ny Jerosalemanao hiala @ ratsy koa aza ianao
« Ary Josia nanaisotra ny fahavetavetana rehetra tamin'ny tany rehetra izay an'ny Zanak'isiraely sady nandidy izay rehetra teo amin'ny Isiraely hanompo an'i Jehovah Andriamaniny. Tamin'ny andro rehetra niainan'i Josia dia tsy mba niala tamin'ny fanarahana an'i Jehovah, Andriamanitry ny razany, ny olona. » (2 Tantara 34:33)
MINOA!!
MIANDRY ANAO NY TOMPO !!!

MANANA PLANINA NGEZA HO ANAO OLON’I KRISTY NY TOMPO

Hatrany @ fahatanorany dia nanaja an'Andriamanitra i Davida ary nahatonga azy ho mpanjaka izany taty aoriana
« Hatry ny fahiny ihany koa, fony Saoly mbola nanjaka aza, dia ianao ihany no mpitarika ny Isiraely nivoaka sy niditra; ary hoy Jehovah Andriamanitrao taminao; Hianao no ho mpiandry ny Isiraely oloko, ary ianao no ho mpanapaka azy. » (1 Tantara 11:2)
MENDRIKA ANAO OLON'I KRISTY KOA IZANY!
MINOA.

SAKAFO HAFA !SAKAFO MIAVAKA NO FIHINANAO OLON’I KRISTY

Izay mihinana an'i Kristy dia velona ao Aminy
« Ary tahaka ny nanirahan'ny Ray velona Ahy, ary Izaho koa velona amin'ny Ray, dia tahaka izany koa izay mihinana Ahy no ho velona amiko. » (Jaona 6:57)
hanana fiombonana Aminy
« Izay mihinana ny nofoko sy misotro ny rako no mitoetra ao amiko, ary Izaho kosa ao aminy. » (Jaona 6:56)
sady manana fiainana mandrakizay
« Izay mihinana ny nofoko sy misotro ny rako no manana fiainana mandrakizay; ary Izaho hanangana azy amin'ny andro farany. » (Jaona 6:54)
MAZOTOA HOMANA ARY !
MAHEREZA.

MASO HAFA !!MASO VAOVAO NO HISOKATRA AMINAO OLON’I KRISTY

Hahatonga anao hahiratra aram-panahy no anisan'ny nahatongavan'i Kristy tety an-tany
« Ary hoy Jesosy: Ho fitsarana no nahatongavako amin'izao tontolo izao, mba hahiratra ny tsy mahiratra, ary mba ho tonga jamba kosa ny mahiratra. » (Jaona 9:39)
mba hahatsapanao fa Izy no vavahadim-pitahiana ho anao
« Izaho no vavahady; raha Izaho no hidiran'ny olona, dia hovonjena izy ka hiditra sy hivoaka sady hahazo hanina. » (Jaona 10:9)
MINOA !!!
DIA HIATRIKA FIAINAM-BAOVAO TANTERAKA IANAO !!!
MATOKIA !
MAHEREZA !

TSY HO VERY MAINA MANDRAKIZAY NY FAHATOKISANAO AN’I KRISTY

Aza haena mihitsy ny fahatokisanao an'i Kristy dia hanana fiombonana mahagaga Aminy ianao
« Fa efa tonga mpiombona amin'i Kristy isika, raha mihazona mafy ny fiandohan'ny fahatokiantsika hatramin'ny farany; » (Hebreo 3:14)
ho mora aminao ny hiaina eo ambanin'ny fahasoavany
« Koa aoka isika hanatona ny seza fiandrianan'ny fahasoavana amin'ny fahasahiana, mba hahazoantsika famindram-po sy hahitantsika fahasoavana ho famonjena amin'izay andro mahory*. [* Gr. tandrifin'izany] » (Hebreo 4:16)
MINOA!
DIA HANOKATRA LALANA VAOVAO HO ANAO HATRANY NY TOMPO !!!
MATOKIA !
MAHEREZA !

HANDRAY AN-TANANA TANTERAKA NY FIAINANAO OLONY KRISTY

Hamelona anao olony @ lafiny rehetra ny fanahin'i Kristy izay efa mitoetra ao anatinao
« Ary raha ny Fanahin'izay nanangana an'i Jesosy tamin'ny maty no mitoetra ao anatinareo, dia Izay nanangana an'i Kristy Jesosy tamin'ny maty no hamelona ny tenanareo mety maty amin'ny Fanahiny, Izay mitoetra ao anatinareo. » (Romana 8:11)
ho voamarina @ andraikitra izay ataonao izany
« Ary izay notendreny no nantsoiny koa; ary izay nantsoiny no nohamarininy koa; ary izay nohamarininy no nomeny voninahitra koa. » (Romana 8:30)
MINOA
« Inona ary no holazaintsika ny amin'izany zavatra izany? Raha Andriamanitra momba antsika, iza no hahatohitra antsika? » (Romana 8:31)
AVELAO NY FANAHY MASINA HITARIKA ANAO HANAO NY IMPOSSIBLE HO LASA POSSIBLE !!!
AZA MIAHOTRA !!!
VITANAO IZANY !!!
SADY HAHATAFITA ANAO !!!

TEMPOLY HAFA KELY,TEMPOLY MIAVAKA NY TENANAO OLON’I KRISTY

Solomona dia nanangana Tempoly lehibe mba ho hitan'ny rehetra ao ny voninahitry ny Tompo
« Fa hoy Davida: Solomona zanako mbola zaza sady tanora fanahy, ary ny trano hatao ho an'i Jehovah dia tsy maintsy ho lehibe indrindra, mba hiely any amin'ny tany rehetra ny lazany sy ny voninahiny, koa hovononiko rahateo ny zavatra ho enti-manao azy. Ka dia nahavonona betsaka Davida, raha mbola velona izy. » (1 Tantara 22:5)
ataovy mihoatra noho izany ilay Tempoly ao anatinao
« Ahoana ary? Moa tsy fantatrareo fa ny tenanareo dia tempolin'ny Fanahy Masina, Izay ao anatinareo sady efa azonareo tamin'Andriamanitra? ka tsy tompon'ny tenanareo ianareo.Fa olom-boavidy ianareo, koa dia mankalazà an'Andriamanitra amin'ny tenanareo. » (1 Korintiana 6:19-20)
HITARO !
HITARO HATRANY HO VONINAHITR’ANDRIAMANITRA E !!!
MAHEREZA !

ANANAN’I KRISTY AO ANATINAO NY ZAVATRA REHETRA

Natolotr'Andriamanitra ho an'i Kristy ao anatinao ny zavatra rehetra
« Ny zavatra rehetra natolotry ny Raiko Ahy; ary tsy misy mahalala tsara ny Zanaka, afa-tsy ny Ray; ary tsy misy mahalala tsara ny Ray, afa-tsy Zanaka sy izay tian'ny Zanaka hanehoana Azy. » (Matio 11:27)
aboray Aminy ary ny vesatrao rehetra fa hahazo fitsaharana ianao
« Mankanesa aty amiko, ianareo rehetra izay miasa fatratra sy mavesatra entana, fa Izaho no hanome anareo fitsaharana. » (Matio 11:28)
MINOA!!
OLONY IANAO !!
ADIDINY NY MIAHY ANAO @ FOMBANY !!!
MATOKIA !
MAHEREZA !

HO VOAKARAKARA @ FOMBAN’ANDRIAMANITRA IANAO OLON’I KRISTY

Andraikitra masina niantsoana ny olon'i Kristy ny asa fitoriana ary tsy voatery hisy tambiny azo mivantana
« Fa raha mitory ny filazantsara aho, dia tsy misy ho reharehako, satria tsy maintsy manao izany; fa lozako, raha tsy mitory ny filazantsara aho!Fa raha ny sitrapoko no anaovako izany, dia mahazo valim-pitia aho; fa raha tsy ny sitrapoko, dia natolotra aho ho andraikitro izany. » (1 Korintiana 9:16-17)
fa @ fomban'Andriamanitra
« Fa izay mamafy ho an'ny nofony dia hijinja fahasimbana avy amin'ny nofo; ary izay mamafy ho an'ny Fanahy dia hijinja fiainana mandrakizay avy amin'ny Fanahy.Ary aza mba ketraka amin'ny fanaovan-tsoa isika; fa amin'ny fotoan'andro no hijinjantsika, raha tsy reraka isika.Koa araka ny ananantsika andro hanaovana, dia aoka isika hanao soa amin'ny olona rehetra, indrindra fa amin'ny mpianakavin'ny finoana. » (Galatiana 6:8-10)
KATSAHO NY FANJAKANY ARAK’IZAY TANDRIFY ANAO DIA AZY NY TOHINY REHETRA E !!!
MINOA!

AMPIASAO NY HERIN’NY FAHAZAVANA AO ANATINAO OLON’I KRISTY

Miseho aminao olon'i Kristy ny fahazavan'Andriamanitra
« Ary raha nandeha aho ka mby teo akaiky an'i Damaskosy, tamin'ilay antoandrobe iny, dia nisy mazava lehibe nanelatrelatra tampoka avy tany an-danitra manodidina ahy; » (Asan'ny Apostoly 22:6)
maheno sy lasa mahalala Azy koa ianao
« Ary hoy izy: Andriamanitry ny razantsika efa nanendry anao hahafantatra ny sitrapony sy hahita ny Iray Marina ary hihaino ny teny aloaky ny vavany; » (Asan'ny Apostoly 22:14)
zarao sady hijoroy vavolombelona izany
« ary ny mpisoronabe sy ny loholona rehetra no vavolombeloko, sady izy no nandraisako taratasy ho amin'ny rahalahy, dia nankany Damaskosy aho, mba ho entiko am-patorana hankany Jerosalema koa izay hita teo, mba hampijalina. » (Asan'ny Apostoly 22:5)
SAHIA !
MAZOTOA DIA SADY HITOMBO NY HOSOTRA AZONAO NO HITOMBO IREO OLONA HO VOATAONANANO AO @ FANJAKAN’NY LANITRA E !!!
MAHEREZA !

TSOTRA NY VAHAOLANA-MILA MIVERINA @ ANDRIAMANITRA NY JEROSALEMANAO

Mazotoa mitaona ny hafa hiverina @ ny Tompo
« Ary Josafata nitoetra tany Jerosalema; ary nandeha hitety ny olona indray izy hatrany Beri-sheba ka hatrany amin'ny tany havoan'i Efraima ary nampiverina ny olona ho amin'i Jehovah, Andriamanitry ny razany. » (2 Tantara 19:4)
satria tsy misy zava-miafina eo anatrehany
« Koa aoka ho ao aminareo ny tahotra an'i Jehovah; tandremo ka ataovy izany, fa tsy mba misy heloka amin'i Jehovah Andriamanitsika, na fizahan-tavan'olona, na fandraisana kolikoly. » (2 Tantara 19:7)
Hampiadana ny hoavin'ny jerosalemanao izany
« Ary ny fahatahorana an'Andriamanitra nahazo ny fanjakana rehetra manodidina, nony efa reny fa Jehovah no niady tamin'ny fahavalon'ny Isiraely.Ary nandry fahizay ny fanjakan'i Josafata; fa nomen'Andriamaniny fiadanana tamin'ny manodidina izy. » (2 Tantara 20:29-30)
AZO ANTOKA 100% IO FA MILA ANTSIKA MANATANTERAKA FONTSINY SISA !!!
MATOKIA !!!
MAHEREZA.

RY OLON’I KRISTY MIROSOA NA MARO AZA NY SAKANA

Aza mijery ireo sakana na dia mandondona aza izy ireo
« Ho aiza no hiakarantsika? Ny rahalahintsika efa nanaketraka ny fontsika tamin'ny nanaovany hoe: Lehibe sy lava noho isika ny olona; ary ny tanàna dia lehibe sady misy mànda manakatra ny lanitra; ary efa hitanay teo koa ny taranaky ny Anakita. » (Deotoronomia 1:28)
mirosoa am-pinoana fa hialoha lalana anao ny Tompo
« Jehovah Andriamanitrareo, Izay mandeha eo anoloanareo, Izy no hiady ho anareo, araka izay rehetra nataony ho anareo tany Egypta teo imasonareo, » (Deotoronomia 1:30)
tsy efa nanaporofo izany ve Izy
« ary tany an-efitra, izay nahitanao ny fitondran'i Jehovah Andriamanitrao anao tahaka ny fitondran'ny olona ny zanany, dia teny amin'ny lalana rehetra izay nalehanareo mandra-pahatonganareo teto amin'ity tany ity. » (Deotoronomia 1:31)
AZA MIAHOTRA INTSONY !!!
EFA MANANA PLANINA TSARA HO ANAO NY TOMPO FA MANANGANA FONTSINY IANAO SISA !
MATOKIA !