"Mifankazara amin'ny Tsitoha ianao,dia hiadana;izany no hahatongavan'ny soa aminao"(Joba 22:21)

MILA MIFANTOKA @ IZAY ANTSO NIANTSOANA IANAO OLON’I KRISTY

Raha misy olona hitady vonjy aminao olon'i Kristy
« Dia lasa ravehivavy nankany amin'ny lehilahin'Andriamanitra tany an-tendrombohitra Karmela. Ary raha vao tazan'ny lehilahin'Andriamanitra avy ery izy, dia hoy izy tamin'i Gehazy zatovony: Ilay Sonemita lahy iry; masìna ianao, mihazakazaha hitsena azy, ka ataovy aminy hœ: Tsara ihany va ianao: Tsara ihany va ny vadinao? Tsara ihany va ny zazalahy? Ary hoy ny famaliny: Tsara ihany. » (2 Mpanjaka 4:25-26)
dia aoka ianao tsy hierikerika fa ataovy
« Ary hoy izy tamin'i Gehazy: Misikina, ary ento eny an-tananao ny tehiko, ka mandehana, raha mifanena amin'olona ianao, aza miarahaba azy; ary raha misy miarahaba anao, aza mamaly azy akory; ary apetraho eo amin'ny tavan'ny zazalahy ny tehiko. » (2 Mpanjaka 4:29)
dia ho fitaovana hahomby ianao
« Ary rehefa tonga tao an-trano Elisa, indro, maty ny zazalahy sady nampandrina teo am-pandriany.Ary niditra izy, ka nirindrim-baravarana tao izy roa lahy, ary Elisa nivavaka tamin'i Jehovah.Ary niakatra izy ka nandry niampatra tambonin'ny zazalahy, ka ny vavany nataony tamin'ny vavany, ary ny masony tamin'ny masony, ary ny tànany tamin'ny tànany, ka dia nafana ny tenan'ny zazalahy.Dia niasa-dia tao an-trano izy ary niverina niampatra taminy indray; dia nievina impito ny zazalahy, ary nihiratra ny masony. » (2 Mpanjaka 4:32-35)
SAHIA !NA TSY AZON’NY SASANY AZA IZANY !
MATOKIA DIA HO FITAOVAM-PITAHIANA IANAO!!!