"Mifankazara amin'ny Tsitoha ianao,dia hiadana;izany no hahatongavan'ny soa aminao"(Joba 22:21)

FANOMEZANA HAFA!FANOMEZANA MIAVAKA NO MENDRIKA ANAO OLON’I KRISTY

Manamafy aminao olony Kristy anio fa zonao ny mangataka Aminy
« Ary hoy izaho aminareo: Mangataha, dia homena ianareo; mitadiava, dia hahita ianareo; dondony, dia hovohana ianareo.Fa izay rehetra mangataka no mahazo; ary izay mitady no mahita; ary izay mandondòna no hovohana. » (Lioka 11:9-10)
ary hanome anao fanomezana avy any an-danitra Izy dia ny Fanahy Masina
« Koa raha ianareo, na dia ratsy aza, mahalala hanome zava-tsoa ho an'ny zanakareo, tsy mainka va ny Ray, Izay any an-danitra, no hanome ny Fanahy Masina ho an'izay mangataka aminy? » (Lioka 11:13)
MINOA!
DIA HIGOGA FIAINANA IZAY MBOLA TSY NIAINANAO MIHITSY IANAO !!!
MATOKIA !!!
MAHEREZA !