"Mifankazara amin'ny Tsitoha ianao,dia hiadana;izany no hahatongavan'ny soa aminao"(Joba 22:21)

TSOTRA NY VAHAOLANA-MILA MIVERINA @ ANDRIAMANITRA NY JEROSALEMANAO

Mazotoa mitaona ny hafa hiverina @ ny Tompo
« Ary Josafata nitoetra tany Jerosalema; ary nandeha hitety ny olona indray izy hatrany Beri-sheba ka hatrany amin'ny tany havoan'i Efraima ary nampiverina ny olona ho amin'i Jehovah, Andriamanitry ny razany. » (2 Tantara 19:4)
satria tsy misy zava-miafina eo anatrehany
« Koa aoka ho ao aminareo ny tahotra an'i Jehovah; tandremo ka ataovy izany, fa tsy mba misy heloka amin'i Jehovah Andriamanitsika, na fizahan-tavan'olona, na fandraisana kolikoly. » (2 Tantara 19:7)
Hampiadana ny hoavin'ny jerosalemanao izany
« Ary ny fahatahorana an'Andriamanitra nahazo ny fanjakana rehetra manodidina, nony efa reny fa Jehovah no niady tamin'ny fahavalon'ny Isiraely.Ary nandry fahizay ny fanjakan'i Josafata; fa nomen'Andriamaniny fiadanana tamin'ny manodidina izy. » (2 Tantara 20:29-30)
AZO ANTOKA 100% IO FA MILA ANTSIKA MANATANTERAKA FONTSINY SISA !!!
MATOKIA !!!
MAHEREZA.