"Mifankazara amin'ny Tsitoha ianao,dia hiadana;izany no hahatongavan'ny soa aminao"(Joba 22:21)

KRISTY VE ? VONONA HAMETRAKA FANAMBY VAOVAO EO @ FIAINANAO

Mpiandry azo antoka Kristy ao anatinao
« Ary hitsangana Izy hiandry ny ondriny amin'ny herin'i Jehovah. Sy amin'ny voninahitry ny anaran'i Jehovah Andriamaniny, Ka handry fahizay ireny, Fa izao dia ho lehibe hatrany amin'ny faran'ny tany Izy. » (Mika 5:3)
hialoha lalana anao Izy
« Ny mpanabanga miakatra eo alohany, Manabanga izy ka mandroso ho eo amin'ny vavahady, Dia mivoaka eo aminy; Ny mpanjakany mandroso eo alohany, Ary Jehovah no mitarika azy. » (Mika 2:13)
ka lasa ho fitaovana mahery eo am-pelantanany ary hitondra fitahiana ianao
« Mitsangàna, ka miveleza, ry Ziona zanakavavy, Fa ny tandrokao hataoko vy, Ary ny kitronao hataoko varahina, Ka hanorotoro firenena maro ianao; Dia hatolotrao ho an'i Jehovah ny hareny, Ary ho an'ny Tompon'ny tany rehetra ny fananany. » (Mika 4:13).
MANEKE ARY HO FITAOVANY !SAHIA !
MAHEREZA !