"Mifankazara amin'ny Tsitoha ianao,dia hiadana;izany no hahatongavan'ny soa aminao"(Joba 22:21)

TEMPOLY HAFA KELY,TEMPOLY MIAVAKA NY TENANAO OLON’I KRISTY

Solomona dia nanangana Tempoly lehibe mba ho hitan'ny rehetra ao ny voninahitry ny Tompo
« Fa hoy Davida: Solomona zanako mbola zaza sady tanora fanahy, ary ny trano hatao ho an'i Jehovah dia tsy maintsy ho lehibe indrindra, mba hiely any amin'ny tany rehetra ny lazany sy ny voninahiny, koa hovononiko rahateo ny zavatra ho enti-manao azy. Ka dia nahavonona betsaka Davida, raha mbola velona izy. » (1 Tantara 22:5)
ataovy mihoatra noho izany ilay Tempoly ao anatinao
« Ahoana ary? Moa tsy fantatrareo fa ny tenanareo dia tempolin'ny Fanahy Masina, Izay ao anatinareo sady efa azonareo tamin'Andriamanitra? ka tsy tompon'ny tenanareo ianareo.Fa olom-boavidy ianareo, koa dia mankalazà an'Andriamanitra amin'ny tenanareo. » (1 Korintiana 6:19-20)
HITARO !
HITARO HATRANY HO VONINAHITR’ANDRIAMANITRA E !!!
MAHEREZA !