"Mifankazara amin'ny Tsitoha ianao,dia hiadana;izany no hahatongavan'ny soa aminao"(Joba 22:21)

FITAOVANA HANOVA TANTARA IANAO OLON’I KRISTY

Ianao no Josoa ao @ Kristy hampandry tany satria @ alalanao no haharesy ny fahavalo
« Dia lasan'i Josoa avokoa ny tany rehetra, araka izay rehetra nolazain'i Jehovah tamin'i Mosesy; ary nomen'i Josoa ho lovan'ny Isiraely izany, araka ny fizaran'ny fireneny. Dia nitsahatra ny ady ka nandry ny tany. » (Josoa 11:23)
Petera ao @ Kristy hilaza teny hitondra famonjena
« izy hilaza teny aminao, izay hamonjena anao sy ny ankohonanao rehetra. » (Asan'ny Apostoly 11:14)
SAHIA!!
KRISTY EFA VONONA ! ARY IANAO ?