"Mifankazara amin'ny Tsitoha ianao,dia hiadana;izany no hahatongavan'ny soa aminao"(Joba 22:21)

ETO AM-BAVAKA ISAN’ANDRO NY TANANA MISY ANAO

Mivavaha ho an'ny tanananao satria rehefa hiadana izy dia hiadana koa ianao sy ny mponina ao aminy
« Ary katsaho izay hiadanan'ny tanàna izay nampandehanako anareo ho babo, ary mivavaha amin'i Jehovah ho azy; fa raha miadana izy, dia mba hiadana koa ianareo. » (Jeremia 29:7),
MINOA SATRIA FANDRAISANA VALIM-BAVAKA IZAO
« Ary hiantso Ahy ianareo ka handeha sy hivavaka amiko, dia hihaino anareo Aho.Ary hitady Ahy ianareo, dia ho hitanareo Aho, raha katsahinareo amin'ny fonareo rehetra. » (Jeremia 29:12-13)
MIVONONA HIATRIKA FIFOHAZAM-PANAHY TANTERAKA NA « TRANSFORMATION » E !