"Mifankazara amin'ny Tsitoha ianao,dia hiadana;izany no hahatongavan'ny soa aminao"(Joba 22:21)

AMPIASAO NY HERIN’NY FAHAZAVANA AO ANATINAO OLON’I KRISTY

Miseho aminao olon'i Kristy ny fahazavan'Andriamanitra
« Ary raha nandeha aho ka mby teo akaiky an'i Damaskosy, tamin'ilay antoandrobe iny, dia nisy mazava lehibe nanelatrelatra tampoka avy tany an-danitra manodidina ahy; » (Asan'ny Apostoly 22:6)
maheno sy lasa mahalala Azy koa ianao
« Ary hoy izy: Andriamanitry ny razantsika efa nanendry anao hahafantatra ny sitrapony sy hahita ny Iray Marina ary hihaino ny teny aloaky ny vavany; » (Asan'ny Apostoly 22:14)
zarao sady hijoroy vavolombelona izany
« ary ny mpisoronabe sy ny loholona rehetra no vavolombeloko, sady izy no nandraisako taratasy ho amin'ny rahalahy, dia nankany Damaskosy aho, mba ho entiko am-patorana hankany Jerosalema koa izay hita teo, mba hampijalina. » (Asan'ny Apostoly 22:5)
SAHIA !
MAZOTOA DIA SADY HITOMBO NY HOSOTRA AZONAO NO HITOMBO IREO OLONA HO VOATAONANANO AO @ FANJAKAN’NY LANITRA E !!!
MAHEREZA !