"Mifankazara amin'ny Tsitoha ianao,dia hiadana;izany no hahatongavan'ny soa aminao"(Joba 22:21)

MPAMAHA OLANA AZO ANTOKA I KRISTY

Aoka isika tsy hitahiry fahatezerana
« Fa Izaho kosa milaza aminareo hœ: Izay rehetra tezitra* amin'ny rahalahiny dia miendrika hohelohina amin'ny fitsarana; ary na zovy na zovy no hanao amin'ny rahalahiny hœ: Olom-poana ianao, dia miendrika hohelohina amin'ny Synedriona; ary na zovy na zovy no hanao hœ: Foka ialahy, dia miendrika ho ao amin'ny helo mirehitra afo. [*Na: tezitra foana] » (Matio 5:22)
apetraho @ Tompo ny olanao rehetra eo anatrehan'ny fahavalonao
« Omeo rariny aho, Andriamanitra ô, ary alaharo ny teniko haharesy ny firenena tsy misy famindram-po; Vonjeo aho ho afaka amin'ny lehilahy mpamitaka sy mpanao meloka. » (Salamo 43:1)
dia hamonjy anao @ fombany Izy
« Nahoana no mitanondrika ianao, ry fanahiko? ary nahoana no mitoloko ato anatiko ianao? Manantenà an'Andriamanitra, fa mbola hidera Azy ihany aho, Izy no famonjena ny tavako sady Andriamanitro. » (Salamo 42:11)
< MATOKIA !!!
DIA HO TSAPANAO NY FIADANANA ANATY NA MIATRIKA ZAVA-TSAROTRA AZA IANAO !!!
ARY HO VOAVAHA HAINGANA IZANY !!!