"Mifankazara amin'ny Tsitoha ianao,dia hiadana;izany no hahatongavan'ny soa aminao"(Joba 22:21)

RY OLON’I KRISTY MIROSOA NA MARO AZA NY SAKANA

Aza mijery ireo sakana na dia mandondona aza izy ireo
« Ho aiza no hiakarantsika? Ny rahalahintsika efa nanaketraka ny fontsika tamin'ny nanaovany hoe: Lehibe sy lava noho isika ny olona; ary ny tanàna dia lehibe sady misy mànda manakatra ny lanitra; ary efa hitanay teo koa ny taranaky ny Anakita. » (Deotoronomia 1:28)
mirosoa am-pinoana fa hialoha lalana anao ny Tompo
« Jehovah Andriamanitrareo, Izay mandeha eo anoloanareo, Izy no hiady ho anareo, araka izay rehetra nataony ho anareo tany Egypta teo imasonareo, » (Deotoronomia 1:30)
tsy efa nanaporofo izany ve Izy
« ary tany an-efitra, izay nahitanao ny fitondran'i Jehovah Andriamanitrao anao tahaka ny fitondran'ny olona ny zanany, dia teny amin'ny lalana rehetra izay nalehanareo mandra-pahatonganareo teto amin'ity tany ity. » (Deotoronomia 1:31)
AZA MIAHOTRA INTSONY !!!
EFA MANANA PLANINA TSARA HO ANAO NY TOMPO FA MANANGANA FONTSINY IANAO SISA !
MATOKIA !