"Mifankazara amin'ny Tsitoha ianao,dia hiadana;izany no hahatongavan'ny soa aminao"(Joba 22:21)

TSY METY AMINAO OLON’I KRISTY NY MISOTRO TOAKA

Mpitarika ianao olon'i Kristy ka tokony tsy hisotro toaka na divay
« Tsy mety amin'ny mpanjaka, ry Lemoela, Eny; tsy mety amin'ny mpanjaka ny misotro divay, Na amin'ny mpanapaka ny ho fatra-paniry toaka; » (Ohabolana 31:4)
mamandrika izy ireny
« Aza mijery ny divay noho ny hamenany Sy ny fanganohanony eo anaty gilasy* Ary ny fikoriany mahafinaritra;[Heb. kapoaka]Fa amin'ny farany dia hanaikitra toy ny bibilava izy Ary hanindrona toy ny menarana. » (Ohabolana 23:31-32)
ka hahatonga anao haka fanapaha-kevitra diso
« Fandrao, raha misotro izy, dia manadino ny lalàna Ka mamily ny fitsarana ny zanaky ny fahoriana. » (Ohabolana 31:5)
MODELY MANTSY IANAO IZAY MPITARIKA NY OLONA HO ANY AN-DANITRA E !!