"Mifankazara amin'ny Tsitoha ianao,dia hiadana;izany no hahatongavan'ny soa aminao"(Joba 22:21)

MANANA ANJARA ADIDY AO @ FANJAKAN’ANDRIAMANITRA ETY AN-TANY IANAO OLON’I KRISTY

Izay asain'Andriamanitra atao no tokony ataonao olon'i Kristy
« Ary rehefa niarahaba azy Paoly, dia nilaza tsirairay ny zavatra rehetra izay efa nampanaovin'Andriamanitra azy tany amin'ny jentilisa izy. » (Asan'ny Apostoly 21:19)
dia hahita fahombiazana @ izany ianao
« Ary rehefa nandre izany ireo, dia nankalaza an'Andriamanitra; ary hoy koa izy tamin'i Paoly: Hitanao, rahalahy, fa tsy omby alinalina ny Jiosy izay efa mino; ..., » (Asan'ny Apostoly 21:20ab)
ataovy am-pinoana ary izany!
« Koa lazaiko aminareo: Na inona na inona tononinareo amin'ny fivavahana sy angatahinareo, dia minoa fa efa nandray ianareo, dia ho azonareo izany. » (Marka 11:24)
SAHIA !
DIA HO TSAPANAO MIVAINGANA IZANY HOE AVAHANY IANAO IZAY MPANARA-DIA AZY !!