"Mifankazara amin'ny Tsitoha ianao,dia hiadana;izany no hahatongavan'ny soa aminao"(Joba 22:21)

HO RESY IREO FAHAVALONAO

Nanantena fiafarana tsara ireo fahavalonao
« Ary ianao efa nanao anakampo hœ: Any an-danitra no hiakarako, ary ambonin'ny kintan'Andriamanitra no hanandratako ny seza fiandrianako; Dia hipetraka eo an-tendrombohitra; fivoriana any am-parany avaratra aho; » (Isaia 14:13)
< nefa ho resy tanteraka izy
« Kanjo hampidinina hatrany amin'ny fiainan-tsi-hita* ho any ampara-vodilavaka ianao. » (Isaia 14:15)
satria ny Tompo no hamely azy
« Fa hitsangana hamely azy aho, hoy Jehovah, Tompon'ny maro, ary hofoanako ny anaran'i Babylona sy izay sisa ao mbamin'ny zanany sy ny taranany, hoy Jehovah. » (Isaia 14:22)
ary tsy hisy hahasakana
« Fa Jehovah, Tompon'ny maro, no efa nikasa, ka iza indray no hahafoana izany? Ary ny tànany dia voahinjitra, ka iza no hampihemotra izany? » (Isaia 14:27)
TOHIZO IREO ASA TSARA NANIRAHANA ANAO SATRIA AZO ANTOKA FA KRISTY HOMBA SY HIARO ANAO HATRANY!!!
MATOKIA!
MAHEREZA!