"Mifankazara amin'ny Tsitoha ianao,dia hiadana;izany no hahatongavan'ny soa aminao"(Joba 22:21)

RAISIN’I KRISTY AN-TANANA NY MOMBA ANAO OLONY

N'inona n'inona fijerin'ny hafa,miavaka ianao olon'iKristy eo anatrehan'Andriamanitra
« dia zatovo izay tsy nisy kilema, fa tsara tarehy sady kanto amin'ny fahendrena rehetra sy manam-pahalalana ary mazava saina ka miendrika hitoetra ao an-dapan'ny mpanjaka sady nasainy nampianarina ny taratasy sy ny tenin'ny Kaldeana. » (Daniela 1:4)
Azy ianao
« Ary izay Ahy rehetra dia Anao; ary izay Anao dia Ahy; ary efa ankalazaina eo aminy Aho. » (Jaona 17:10)
Kristy mihitsy no mivavaka ho anao
« Izaho tsy mangataka aminao mba hampiala azy amin'izao tontolo izao, fa ny mba hiaro azy amin'ny ratsy*. [*Na: amin'ilay ratsy] » (Jaona 17:15)
AZY IANAO!
ADIDINY IANAO!
MATOKIA!
MAHEREZA.