"Mifankazara amin'ny Tsitoha ianao,dia hiadana;izany no hahatongavan'ny soa aminao"(Joba 22:21)

TOHIZO NY VAVAKA HO AN’NY TANANANAO



Manamafy aminao olony Kristy hoe katsaho izay hiadanan'ny tanàna misy anao fa raha miadana izy dia mba hiadana koa ianao sy ny ankohonanao
« Ary katsaho izay hiadanan'ny tanàna izay nampandehanako anareo ho babo, ary mivavaha amin'i Jehovah ho azy; fa raha miadana izy, dia mba hiadana koa ianareo. » (Jeremia 29:7) 
MINOA
« Fa Izaho mahalala ny hevitra iheverako anareo, hoy Jehovah, dia hevitra hahatonga fiadanana, fa tsy loza, mba hanome anareo fanantenana ny amin'ny farany*.[Heb. farany sy fanantenana] »
 (Jeremia 29:11)
AZA AMELANA RAHA TSY LASAN’I KRISTY TANTERAKA ARY NY FIRENENA DIA HO AZO ANTOKA FA HIADANA NY MALAGASY !!!
MAZOTOA MIVAVAKA !
MAHEREZA !