"Mifankazara amin'ny Tsitoha ianao,dia hiadana;izany no hahatongavan'ny soa aminao"(Joba 22:21)

TEZAO MBA HATAHOTRA AN’ANDRIAMANITRA NY TARANAKAO OLON’I KRISTY


Tiavo ny Tomponao
« Ary tiava an'i Jehovah Andriamanitrao amin'ny fonao rehetra sy ny fanahinao rehetra ary ny herinao rehetra. » (Deotoronomia 6:5)
Matahora Azy ianao sy ny taranakao fa mahalava-andro iainana izany
« mba hatahoranao an'i Jehovah Andriamanitrao, hitandremanao ny lalàny rehetra sy ny didiny izay andidiako anao, dia ianao sy ny zanakao ary ny zafinao, amin'ny andro rehetra hiainanao, mba ho maro andro ianao. » (Deotoronomia 6:2)
noho izany aoka ho lehibe aminao ny mampatsiahy izany
« Dia ampianaro tsara ny zanakao izany, ary resaho, na mipetraka ao an-tranonao ianao, na mandeha any an-dalana, na mandry, na mifoha; » (Deotoronomia 6:7)
MAZOTOA ARY DIA HO VOATAHY MANOKANA IANAREO E !
MATOKIA !