"Mifankazara amin'ny Tsitoha ianao,dia hiadana;izany no hahatongavan'ny soa aminao"(Joba 22:21)

HAHAZO VALISOA IZAY MAZOTO MISAOTRA


Raha tsapanao fa nampaherezin'i Kristy ianao dia aza adino ny misaotra
« Misaotra an'i Kristy Jesosy Tompontsika aho, Izay nampahery ahy, fa nataony mahatoky aho ka notendreny ho amin'ny fanompoana, » (1 Timoty 1:12)
sy midera Azy
«  Hisaotra an'i Jehovah lalandava aho; ho eo am-bavako mandrakariva ny fiderana Azy. » (Salamo 34:1),
ho faly Izy ka hiara-hamaha ireo olana aminao
« Lazaiko aminareo marina tokoa: Na inona na inona fehezinareo ety ambonin'ny tany dia hofehezina any an-danitra; ary na inona na inona vahanareo ety ambonin'ny tany dia hovahana any an-danitra. » (Matio 18:18)

MINOA !HO KARAKARAIN’NY TONTOLON’NY LANITRA IANAO SATRIA MANKAFY NY FIARAHANA AMINY !
MATOKIA !
MAHEREZA !