"Mifankazara amin'ny Tsitoha ianao,dia hiadana;izany no hahatongavan'ny soa aminao"(Joba 22:21)

LEHIBE NOHO I JAONA MPANAO BATISA IANAO OLON’I KRISTY AO @ FANJAKAN’NY LANITRA


Jaona mpanao batisa dia kely ao @fanjakan'ny lanitra
« Lazaiko aminareo marina tokoa: Amin'izay nateraky ny vehivavy tsy mbola nisy nitsangana izay lehibe noho Jaona Mpanao-batisa; nefa ny kely indrindra amin'ny fanjakan'ny lanitra dia lehibe noho izy. » (Matio 11:11)
ianao olon'i Kristy kosa ho lehibe satria miaina sy mahita be lavitra ny herin'i Kristy
« Fa sambatra ny masonareo, fa mahita, ary ny sofinareo, fa mandre.Fa lazaiko aminareo marina tokoa fa maro ny mpaminany sy ny olona marina naniry hahita izay hitanareo, nefa tsy mba nahita; ary naniry handre izay renareo, nefa tsy mba nandre. » (Matio 13:16-17).

MAZOTOA MIZARA AM-PANETRE-TENA IZANY HERY MAHAGAGA IZANY FA TSY HO FOANA NY FIKELEZAN’AINA E !