Jaona mpanao batisa dia kely ao @fanjakan'ny lanitra
« Lazaiko
aminareo marina tokoa: Amin'izay nateraky ny vehivavy tsy mbola nisy nitsangana
izay lehibe noho Jaona Mpanao-batisa; nefa ny kely indrindra amin'ny
fanjakan'ny lanitra dia lehibe noho izy. » (Matio 11:11)
ianao olon'i Kristy kosa ho lehibe satria
miaina sy mahita be lavitra ny herin'i Kristy
« Fa
sambatra ny masonareo, fa mahita, ary ny sofinareo, fa mandre.Fa lazaiko
aminareo marina tokoa fa maro ny mpaminany sy ny olona marina naniry hahita
izay hitanareo, nefa tsy mba nahita; ary naniry handre izay renareo, nefa tsy
mba nandre. » (Matio 13:16-17).
MAZOTOA MIZARA AM-PANETRE-TENA IZANY HERY
MAHAGAGA IZANY FA TSY HO FOANA NY FIKELEZAN’AINA E !