"Mifankazara amin'ny Tsitoha ianao,dia hiadana;izany no hahatongavan'ny soa aminao"(Joba 22:21)

NATAO HIKOLOKOLO NY TEMPOLIN’NY FANAHY MASINA IANAO OLON’I KRISTY



 Ny Levita dia voatendry nikarakara ny tempoly
« fa tendreo izy hitandrina ny tabernakelin'ny Vavolombelona sy ny fanaka rehetra ary ny zavatra rehetra izay momba azy; fa izy no hitondra ny tabernakely sy ny zavatra rehetra momba azy sady hanao fanompoam-pivavahana ao; ary manodidina ny tabernakely no hitobiany. » (Nomery 1:50)
ianao olon'i Kristy koa manana andraikitra hikolokolo ny tena izay tempolin'ny Fanahy Masina « Tsy fantatrareo va fa tempolin'Andriamanitra ianareo, ary ny Fanahin'Andriamanitra mitœtra no anatinareo? Raha misy manimba ny tempolin'Andriamanitra, dia mba hosimban'Andriamanitra kosa izy; fa masina ny tempolin'Andriamanitra, dia ianareo izany. » (1 Korintiana 3:16-17)

HAMASINO NY TENANAO SATRIA MASINA KRISTY AO ANATINAO !