"Mifankazara amin'ny Tsitoha ianao,dia hiadana;izany no hahatongavan'ny soa aminao"(Joba 22:21)

RY OLON’I KRISTY SITRANO NY MARARY

:
Kristy ao anatinao dia afaka manasitrana
« Fa hoy Petera: Tsy manana volafotsy na volamena aho, fa izay ananako no omeko anao: Amin'ny anaran'i Jesosy Kristy avy any Nazareta, mitsangantsangàna. » (Asan'ny Apostoly 3:6)
ampiasao izany fa hahomby
« Ary noraisiny tamin'ny tànany ankavanana ralehilahy ka natsangany; dia natanjaka niaraka tamin'izay ny tongony sy ny kitrokeliny. » (Asan'ny Apostoly 3:7)
dia hidera an'ny Tompo ireo sitrana
« Ary niantsambotra izy ka nijoro, dia nitsangantsangana ary niara-niditra taminy ho eo an-kianjan'ny tempoly, nitsangantsangana ny niantsambotsambotra sady nidera an'Andriamanitra. » (Asan'ny Apostoly 3:8)
ary ny manodidina ho talanjona
« Ary fantany tsara fa io no ilay nipetraka teo amin'ny vavahady Itsaraendrika eo amin'ny tempoly mba hiantrana; dia gaga sady talanjona ny olona noho izay tonga tamin-dralehilahy. » (Asan'ny Apostoly 3:10)
HIZARA FIFALIANA @ FOMBA MAHAGAGA IANAO !
MATOKIA !