"Mifankazara amin'ny Tsitoha ianao,dia hiadana;izany no hahatongavan'ny soa aminao"(Joba 22:21)

DERAO NY TOMPO HO MARIKY NY FINOANA FA HAHAZO VALIM-BAVAKA IANAO

Nidera an'Andriamanitra i Hana satria nanao fahagagana teo @ fiainany ny Tompo
« Ary Hana nivavaka ka nanao hoe: Ny foko ravoravo amin'i Jehovah, Ny tandroko voasandratra amin'i Jehovah; ny vavako misokatra hamaly ny fahavaloko; fa mifaly amin'ny famonjenao aho.Tsy misy masina tahaka an'i Jehovah, fa tsy misy afa-tsy Hianao; ary tsy misy vatolampy tahaka an'Andriamanitsika . » (1 Samoela 2:1-2)
nidera Azy torak'izany koa i Maria
« Ary hoy Maria: Ny foko mankalaza ny Tompo,Ary ny fanahiko efa ravoravo tamin'Andriamanitra, Mpamonjy ahy; » (Lioka 1:46-47)
anjaranao izao
« Inona ary no holazaintsika ny amin'izany zavatra izany? Raha Andriamanitra momba antsika, iza no hahatohitra antsika?Izay tsy niaro ny Zanani-lahy, fa natolony hamonjy antsika rehetra Izy, tsy homeny antsika miaraka aminy maimaimpoana koa va ny zavatra rehetra? » (Romana 8:31-32)
MATOKIA FA HIHETSIKA HO ANAO NY TONTOLON’NY LANITRA!!!